- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ho tonga any Hong Kong ve ny rafitra fanaraha-maso ny COVID-19 izay misy kaody miloko napetraka tany Shina

Sokajy: Azia Atsinanana, Hong Kong (Shina), Shina, Fahasalamàna, Mediam-bahoaka, Politika, Teknolojia, Zon'olombelona, COVID-19, GV Mpisolovava
[1]

Sary avy amin'ny Stand News. Nahazoana alàlana.

Miomana hanao fitiliana ny mponina iray manontolo amin'ny coronavirus vaovao amin'ny faran'ny volana Aogositra ny tanàndehibe rehefa nahatratra ny salan'isa avo indrindra ny trangana COVID-19 tany Hong Kong raha mandrisika [2] ny fampiasana ny valin'ny fitiliana amin'ny rafitra ara-pahasalamana misy kaody miloko telo ny mpanao politika mpanohana an'i Beijing mandritra izany.

Manome kaody QR ho an'ny olom-pirenena araka ny valin'ny fitiliana COVID-19 nataon'izy ireo ny rafitra misy kaody miloko napetraka amin'ny tanàndehibe samihafa any amin'ny tanibe Shina. Mahazo kaody QR miloko maitso ao amin'ny findainy ireo izay nahazo fitiliana tsy mitondra ny tsimokaretina mba ahafahan'izy ireo miala amin'ny famerana sosialy sasany, toy ny fandehana any amin'ny toeram-pisakafoanana.

Niteraka ahiahy momba ny fiainana manokan'ny olona [3] any Hong Kong ilay tolokevitra – matahotra ny maro fa afaka mampiasa ity rafitra ity ny manampahefana mba hanarahana ny toerana misy ny tsirairay ary hamerana ny fivezivezeny amin'ny antony politika.

Raha mbola mampiady hevitra ny fampiharana ny fitaovana toy izany any Hong Kong dia niroso amin'ny fanaovana ny fitiliana ho an'ny rehetra amin'ireo mponina miisa 7,5 tapitrisa miaraka amin'ny fanampian'i Beijing ny fanjakana.

Efa nandefa ekipan'ny mpitsabo miisa 60 [4] ny tanibe ho fanampiana amin'ity asa goavana ity, izay mitentina 150 tapitrisa dolara Hong Kong (20 tapitrisa dolara amerikana eo ho eo). Notombanan'ireo manampahefana eo an-toerana fa farafahakeliny olom-pirenena miisa dimy tapitrisa [5] no hilatsaka an-tsitrapo hatao fitiliana izay hanomboka mialoha ny faran'ny volana.

Saingy mandrisika ny olona hanao ankivy [6] ny fitiliana ny ankolafy mpanohana ny demaokrasia any Hong Kong.

Ahiahiana mafy tokoa ny fanaraha-maso miaraka amin'ireo laboratoara miisa telo any amin'ny tanibe Shina izay hanaovana ny valin'ny fitiliana. Nilaza ny mpikatroka sasany fa afaka manararaotra izany hanaovana angondrakitra ADN ho an'ny olom-pirenen'i Hong Kong iray manontolo  ny governemanta Shinoa – fepetra mitovy tamin'ilay nampiharin’ Beijing tany Xinjiang [7].

Hoy ilay mpikatroka Joshua Wong tao amin'ny Twitter:

[Fitiliana nataon'ny laboratoara ao Shina miisa telo manerana ny tanàna, ahitana ny iray voalaza fa tafiditra amin'ny fanangonana ADN -n'ny Uyghurs]

1 /Nanambara ny fanaovana fitiliana Covid19 manerana ny tanàndehibe ny governemanta HK. Nanome vola mitentina 150.000.000 HKD mivantana i #Carrielam ho an'ilay tetikasa raha tsy nisy ny tolo-bidy araka ny tokony ho izy.

Ary hoy i Eddie Chu, mpanao lalàna:

Manararaotra ny fotoana rehetra hametrahana ny rafitra fanaraha-maso ara-tsosialy antsokosoko ao HK ny AKS, amin'ity indray mitoraka ity amin'ny alàlan'ny “kaody fahasalamana” miady amin'ny valan'aretina. Hahafahan'ny AKS manara-maso ny toerana misy ny tsirairay, mametra ny fahalalahana mivezivezy, mampiditra ny “Rafitra Fitokisana Ara-tsosialy” ary mifehy ny fivezivezen'ny vola izy io.

Nilaza [4] ny governemantan'i Hong Kong fa tsy afaka hiditra amin'ny angondrakitra manokan'ny olona ny laboratoara  ary tsy mikasa [16] ny hampiditra ny valin'ny fitiliana ho an'ny rehetra amin'ny rafitry ny kaody ara-pahasalamana amin'ny hoavy ny manampahefana.

Ankoatra ny ahiahy amin'ny fanaraha-maso dia isalasalàn'ny [2] manam-pahaizana momba ny fahasalamana eo an-toerana ny fahombiazan'ny fitiliana ho an'ny rehetra amin'ny fisorohana ny fihanaky ny viriosy. Misy ny fanadihadiana nahitana [17] fa mety hiteraka valim-pitiliana diso ny fitiliana PCR raha toa ka atao fitiliana mialoha loatra ny marary mandritra ny fifindran'ny aretina.

Tamin'ny antsafa iray nifanaovana tamin'ny The Standard, nilaza i Ho Pak Leung, manampahaizana momba ny mikrôbiôlôjia fa tokony hotanterahina isa-kerinandro ny fitiliana ho an'ny rehetra, izay tena lafo tokoa, mba hahombiazan'ny rafitra kaody ara-pahasalamana.

Ny rafitra misy kaody miloko

Nanazava tao amin'ny andiam-panehoan-kevitra [18] lava tao amin'ny Twitter ny fomba fiasan'ny rafitra ara-pahasalamana misy kaody ao amin'ny tanibe Shina ny vondrona mpikatroka Hong Kong Global Connect.

Rehefa avy natao fitiliana SARS-CoV-2 ny olom-pirenena rehetra tamin'ny toerana iray manokana, ny rafitra dia nanome azy ireo, tamin'ny alàlan'ny kaody QR notrohina ho ao amin'ny findain'ny olona tsirairay, ny iray amin'ireto loko telo ireto [19]: Maitso, mavo na mena.

Tsy mahazo miditra ny toerana natokana ho an'ny daholobe na mampiasa fitateram-bahoaka ireo olom-pirenena manana kaody mavo na mena. Ohatra, takiana amin'ny fizahana ny kaody QR an'ireo mpanjifa rehetra eo am-pidirana ny trano fisakafoanana sy ny tranombarotra.

Saingy tsy fantatry ny besinimaro mazava ny fitsipika ao ambadiky ny fanolorana loko – nisy ny tatitra momba ireo kaody miloko mena sy mavo izay tsy nohazavaina. Nahita ny famakafakana nataon'ny New York Times [19] fa nozaraina tamin'ny polisy ny lahatahirin'ny fivezivezen'ny tsirairay sy ny toerana misy ny tsirairay avy amin'ny fampiasa finday.

Any Shina, ny AliPay no mitantana ny rafitra ara-pahasalamana misy kaody. Io orinasa io no misahana ny Credit Sesame izay anisan'ny fototra manangana ny rafitra fitokisana ny fiarahamonina [20] any Shina ary manasazy ny olom-pirenena “ratsy fitondran-tena” ary ny manome mari-pankasitrahana ireo izay “tsara fitondran-tena”.

Avy amin'ny rakitra ara-bola sy ara-keloky ny olom-pirenena ny angondrakitra ampiasaina amin'ny rindrankajin'ny fitokisana ny fiarahamonina, ary ao ihany koa ny fahadisoana madinidinika toy ny fiampitana arabe amin'ny toerana tsy natao ho amin'izany sy ny famanizana eny an-dalambe (ary ny fihetsika anjotra). An'ny Ant Finance, rantsan'ny orinasa goavan'ny teknolojia Shinoa Alibaba, ny AliPay.