Naaton'ilay tanàna shinoa ny ‘lalànan'ny fahaiza-miaina’ taorian'ny tsikera anjotra

Pikantsary avy amin'ny kaodin'ny tanànan’ i Suzhou. Sary avy amin'ny Stand News, nahazoana alalana.

Dika avy amin'ny tantara shinoa nivoaka tao amin'ny Stand News tamin'ny 7 Septambra 2020. Navoaka etoana indray araka ny fifanarahana fiombonana votoaty.

Ny fahombiazana tamin'ny fametrahana ny “kaodin'ny fahasalamana” amin'ny famerana ny fivezivezen'ny mponina mandritra ny areti-mandringana COVID-19, Suzhou — tanàna shinoa iray manakaiky an'i Shanghai — no nikasany hametraka ny “kaodin'ny fahaiza-miaina” tamin'ny voalohandohan'ny volana Septambra handahatra ny fahaiza-miainan'ny olompirenena sy ny valisoa na sazy mifanaraka amin'izany. Saingy ny fiontanana matanjaka avy amin'ny mpiserasera no nanery ny manampahefana hanemotra amin'ny fotoana manaraka ny volavola.

Ny kaody ara-pahasalamana dia rafitra kaody mitsongo dia ny toetra ara-pahasalaman'ny olona iray sy manaramaso ny fivezivezeny araka izany. Nampidirina tany amin'ny fampihatram-pinday maro ny rafitra ka ao anatin'izany ny Alipay.

Hi-scan ny kaody QR ao amin'ny findain'ny mpitsidika ny mpiambina ny tranombarotra, tsenambarotra ary ny fitateram-bahoaka, ka ireo manana ny kaody “maitso” ihany no avela hiditra. Raha ohatra ka heverina fa mety ho nihanjahanja teo anoloan'ny viriosy ny olompirenena iray, dia ivadika ho “mavo” ny kaody QR ary tsy ho afa-miditra amin'ny toerana sasantsasany izy. Ny kaody mena moa manery ny olona iray hampanirery tena.

Ny tanànan'i Suzhou, fantatra ho “Venizin'i Atsinanana,” no iray amin'ireo tanàna voalohany namoaka ny kaodm-pahasalamana tamin'ny Febroary 2020. Nampidirina tao amin'ny fampihatra iray nantsoina hoe “kaodin'ny tanànan'i Suzhou” (蘇城碼), izay karapanondro dizitaly hanarahamaso ny fivezivezen'ny mponina rehetra mandritra ny fiparitahan'ny COVID-19 ny kaodim-pahasalamana. Ny tanànan'i Suzhou ihany koa no iray amin'ny tanàna ampolony voafidy tamin'ny taona 2018 hamelona andrana amin'ny rafitra fitokisana ara-tsosialin'i Shina handahatra ny fihetsiky ny olompirenena sy hametraka ny paika fanomezana valisoa sy fanasaziana.

Tamin'ny 3 Septambra, manana fisondrota-kilasy mampiditra fiasa vaovao antsoina hoe kaodin'ny “fahaiza-miaina” ny kaodin'ny tanànan'i Suzhou. Mitovy amin'ny kaodin'ny fahasalamana ihany ny fiasany, fa handahatra ny fihetsiky ny olona fa tsy ny toe-pahasalamany kosa.

Manana andiam-panondroana roa karazana ilay kaodin'ny fahaiza-miaina vaovao, “fahaiza-miaina eo amin'ny fivezivezena vita” sy “fahaiza-miainna eo amin'ny asa an-tsitrapo vita”. Araka ny tatitra samihafa avy ao amin'ny seha-baovaon'i Shina Tanibe, miainga amin'ny isa 1000 ny naotin'isa fahaiza-miaina rehefa manao sonia voalohany ny fampiasa ry zareo. Raha tratra miampita amin'ny toerana tsy tokony iampitana na mamo eo am-pamiliana ry zareo dia hahena ny isa, raha mandray anjara asa an-tsitrapo kosa ry zareo dia hahazo isa mihoatra.

Nanazava tao amin'ny kaontiny WeChat ofisialy ny biraon'ny filaminam-bahoaka ao an-tanànan'i Suzhou fa ny tanjon'ny kaodin'ny fahaiza-miaina dia ny “hanangana rafi-pandaharana (fanasokajiana) fahaiza-miaina”. Any amin'ny dingana manaraka, ho ampiana betsaka kokoa ny andiam-panondroana, toy ny “fahaiza-miaina amin'ny fanodinana fako”, “fahaiza-miaina am-pisakafoanana”, “fahaiza-miaina amin'ny fihetsika anjotra (an-tserasera),” “fahaiza-miaina amin'ny fanarahana lalàna sy baiko,” ankoatra ny hafa tsy voatonona.

Nilaza ihany koa ny birao fa hanana tombony ireo manana isa ambony amin'ny fitadiavana asa, fidirana any an-tsekoly, ary amin'ny fidirana amin'ny servisy na an'ny fanjakana na an'ny miahy tena.

Na dia mavesatra aza ny fepetran-tsivana, nanafotra ny sehatra fampitam-baovao sososialy ny fitsikerana ilay volavola. Iray amin'ireo izay tena nitabataba nitsikera i Yu Jian-rong, mpahay fiarahamonina shinoa malaza. Toa izao ny nolazainy tao amin'ny Weibo:

【危险的文明码】…问题是:1、谁有权确定文明的标准和定量分值?2、谁有权以文明的名义剥夺公民平等享受公众服务的权利?

[kaodim-pahaiza-miaina mampidi-doza]… lohahevitra mbola mihantona ny: 1. Iza no manapa-kevitra amin'ny hatsara sy hamaron'ny fahaiza-miaina? 2. Iza no manana fahefana hanaisotra amin'ny olom-pirenena ny zony hahazo servisim-pajakana amin'ny anaran'ny fahaiza-miaina?

Fanehoan-kevitr'olona iray tsy nitonona anarana nampitaha ny rafitra amin'ny heloka bevava atao amin'ny zanak'olombelona anaty ady:

【苏州文明码】由不公示财产的贪官 / 给草民划分文明等级、发证书!/ 类似曰军的良民证、那粹的犹太星标! / 本质都一样 / 是恶魔强盗对善良平民的迫害 / “标记、分类、清除”。

[kaodim-pahaiza-miaina] andia-manampahefana mpanao kolikoly mandà hampiseho ny fananany/manana fahefana hanaskajy ny fahaiza-miainan'ny olompirenena sy resaka mifandraika amin'ny fitokisana! / rafitra mitovy amin'ny “rafitra kara-panondron'olompirenena tsara” nandritra ny ady Sino-Japoney, na ny badza kintana jiosy nampiasain'ny Nazis! / Mitovy ihany ny karazany / Ampiasain'ny jiolahimboto hanindriana ny olo-tsotra / “hanamarika, hanasokajy ary handripaka.”

Lahatsoratra iray nivezivezy fa efa voaisotra nanasongadina ny fanitsakitsahana ny fiainana an-takonana:

文明码并不文明,是借文明之名,行野蛮之实的倒行逆施。…信息技术的发展和应用,大家都在裸奔,一举一动都在别人的眼里。他还要拿着显微镜挑疵,对着自己的模型对你修理、宰割,你不仅没有隐私和尊严,还被恐惧和伤害笼罩。

Tsy misy idiran'ny fahaiza-miaina ilay kaodin'ny fahaiza-miaina, fepetra bontolo amin'ny anaran'ny fahaiza-miaina….Nampihanjahanja ny fiainantsika an-takonana amin'ny hafa ny fandrafetana sy ny fampiharana ny teknolojian'ny torohay… Ankehitriny ry zareo mampiasa lopy hijery ny lesokao ary hibaiko ny fihetsikao araka izay tiany. Very ny fiainanao an-takonana sy ny fahamendrehanao, hanodidina anao ny tahotra sy ny fandrahonana.

Rehefa nahazo tsikera avy amin'ny mpiserasera, nanambara ny Ôfisin'i Suzhou misahana ny fananganana sivilizasiona ara-panahy — sampana iray ao amin'ny Departemantan'ny Propagandy mikendry hampiroborobo ny fihetsik'olompirenena tsara — tamin'ny 6 Septambra fa nifarana ny dingana fanandramana ny kaodin'ny fahaiza-miaina ary hanova ny rafitra ny fahefana misahana izany, izay ho ampiharina rahatrizay.

Nilaza ny Ôfisy fa nisy ny tsikera anjotra (an-tserasera) noho ny tsy fahazoana azy tsara ary nosoritany fa, nandritra ny fotoana fanandramana, mpisera miisa 5861 no nanasonia an-tsitrapo ilay fampiasa, hatramin'izao, tsy nisy ny voasazy na voahilikilika noho ny fananana isa ambany.

Na dia nadaboka aza ny kaodin'ny fahaiza-miaina ao Suzhou, maro ny nitsinjo fa mbola ho alefa indray mandeha amin'ny anarana vaovao io. Araka izay nasongadin'ny fanehoan-kevitra iray malaza ao amin'ny Weibo:

后面相继要出台守法码、失信码、洁身码……等等,请大家保持手机存储空间,生活中将全部启用“码”。

Mitsinjo sahady fa hisy ny kaody tahaka ny hoe “kaody araho ny lalàna sy fitsipika”, “kaodin'ny fitokisana”, “kaodin'ny fahadiovam-panahy” sns. Mila atao tsy misy na inona na inona ny fitehirizana ao amin'ny finday hiomanana amin'ireny kaody rehetra ireny eo amin'ny fiainantsika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.