- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

‘Miangavy, vonoy dieny izao aho': ny Twitter Japoney manoloana ilay endrika famantarana (mascotte) vaovao tsy mahazatra natao ho an'ny Osaka Expo 2025

Sokajy: Azia Atsinanana, Japana, Hehy, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Vaovao Tsara, Zavakanto & Kolontsaina
osaka expo 2025

Mponina iray ao Osaka maneho hevitra momba ilay fango vaovaon'ny Expo 2025: “Azo heverina ho biby iray mampitahotra be voamaso ve izy io?” Pikantsary avy amin'ny fantsona Youtube ofisialin'ny FNN News
[1]

Tamin'ny faran'ny Aogositra, rehefa navoaka ho fantatry ny maro [2] ilay fango ho an'ny 2025 World Exposition [3] — izay hatao ao Osaka, andrefan'i Japàna — narehidrehitry ny sarintsarina horohoro ny media sôsialy japoney tamin'ny voalohany, saingy vetivety foana ilay izy dia lasa naka tefiendrika (design) tokamiavaka sy tsy mahazatra.

Rehefa naboraka, niteraka fanehoankevitra misafotofoto isankarazany ilay tefiendrika nandresy, ny safidy  ‘E’ (jereo ny bitsika etsy ambany), nosafidiana avy amin'ny lisitra nisy fango dimy napetraka hifaninana :

  Ho an'ny rehetra, nahoana ry zareo no nisafidy ny E nefa nanana safidy tsara marobe?  Tena misavoriiiitaka isika.

Izao amin'ireo no mety ho nosafidianao?? pic.twitter.com/ZtVrnJxeMh [4]

— Kurly in Kansai (@KurlyInKansai) 26 Aogositra 2020 [5]

Atao isaky ny efatra taona eo ho eo [6] any amina foerana samihafa manernaa izao tontolo izao nanomboka tamin'ny  1851 [7], maharitra volana enina eo io fampirantiana iraisampirenena io, mahasarika mpitsidika an-tapitrisa amin'ny ankapobeny, ary mikendry ny hanasongadina [8] ny zavabitan'ireo firenena mandray anjara.

Mitovy amina mofo dônaty menamena nasiana maso mangamanga, ny anarana ofisialin'ilay fangon'ny  World Expo 2025 dia 命の輝き (inochi no kagayaki, midika hoe “famirapiratan'ny fiainana”). Kanefa, nomen'ireo ao amin'ny Twitter Japoney anaram-bositra hoe koroshite-kun ilay fango, izay azo adika tsotsotra ho “Ramose, miangavy vonoy dieny izao aho”.

Nick Kapur, manampahaizana amin'ny tantaran [9]‘i Japàna sy Azia Atsinanana, izay niparitaka be  [10]ireo bitsika nalefany momba ilay zavatra hafahafa, tsy mahazatra, na izay mahaliana tsotra fotsiny izao, dia nanangona andiana kisary mahatsikaiky fanehoankevitra, izay narindrany [11] ho anaty fahana Twitter lavabe sy voazava antsipirihany:

Nomarihan'i Kapur fa marobe ireo kisary mahatsikaiky no nanasongadina fampitahàna mampitahotra kokoa, na mety hampihoron-koditra momba ilay fango, toy ity hala-tàhaka feno eso ny Parasyte [12] ity, tantara iray mampihoron-koditra noforonina ho ana andian-tantara ‘manga':

EXPO 2025 Osaka mamboraka ilay fango.
……i Shimada ao anatin'ny Parasyte ve io? pic.twitter.com/BkIbO68XgE [13]

— otakujp (@otakucalendarjp) 25 Aogositra 2020 [14]

Tsy ny rehetra no nivarahontsana tamin'ilay fango, kanefa, nisy olona iray nampiasa ilay tefiendrika mba hanjairany  fehitenda ho an'ireo sàkany [15]:

Nanjaitra ilay fangon'ny Osaka Expo aho.

Nitondra iangampanahy hamorona zavatra fampiasa an-dakozia ihany koa ilay fangon'ny Osaka Expo:

Mba manamboatra Caprese fotsiny, tsy misy na inona na inona hojerena eto. #コロシテくん [18] #OsakaExpo2025 [19] #Osaka [20] #コワイ [21] #vegetarian [22] #salad [23] #caprese [24] pic.twitter.com/tgIMAMSPwG [25]

— Ann 杏 Kilzer (@stonecoldkilzer)  29 Aogositra 2020 [26]

Olona iray mpankafy fanaovana mofo no nanamboatra cookies (mofomamy kely):

Lafarinina kely, dobera, siramamy ary atody dia lasa misy aina ilay fango! Vonona ho karepohana ilay “Famirapiratan'ny fiainana” (inochi no kagayaki)!

Iray hafa mpampiasa media sôsialy no namorona sarisary iray ho an'ny “augmented reality (AR)” ao anatin'ny iPhone, izay mifototra amin'ilay fango:

Namorona kisary iray ho an'ny AR aho, izay afaka miantso (ilay fango). Azon'ireo manana iPhone atao ny mitroka azy ao amin'ny rohy  https://t.co/T2cTciZDyq [31] #koroshite-kun #InochiNoKagayaki #OsakaExpo2025

Olona iray hafa kosa namorona lalao an-dahatsary 8-bit:

 “ Poteho ny masony ! ”#いのちの輝きくん [32] #命の輝き [39] pic.twitter.com/VwJ2Qa0Jct [40]

— 21@Skeb募集中 (@444th_spare21) 25 Aogositra 2020 [41]

Tsy nandalo fotsiny ireo fitovitoviana misy amin'ilay fango sy ireo endrika mitovy aminy aty amin'ny fiainana tena izy:

Marobe ireo olona nahamarika ny fitovian'ilay fango amin'ny voankazo garana avy any anaty Ala Mando ao Amazônia.

23/ pic.twitter.com/49z7ZQL5tw [42]

— Nick Kapur (@nick_kapur)  29 Aogositra 2020 [43]

Ny hafa indray nanandrana ny naka sary an-tsaina ny mety ho fihetsehampon'ilay fango taorian'ny nikiakiahan'ny olona ny momba azy tety anaty media sôsialy:

[maribolana]
“Eh!”
“Tsy misy fika!”
“Tena tsy mampino ity!”

Ing. “Vonoy dieny izao aho”: (latsa-dranomaso rehefa maneho hevitra amin'ireo fanararaotana izy)

Ny sasany nisafidy ny hijery ny lafiny tsara amin'ilay fango vaovao :

Na hafahafa tahaka ny ahoana aza ilay fangon'ny Kansai Expo  2025, farafaharatsiny aloha tsy dia manelongelina ny saina loatra raha mitaha amin'ilay an'ny Aichi Expo 2005. pic.twitter.com/0BfPCX5Ve7 [46]

— SamuraiGodzilla (@Samuraigodzilla) 26 Aogositra 2020 [47]

Vakio ireo fahana Twitter manontolo an'i Nick Kapur [48] miaraka amina kisary mahatsikaiky maromaro kokoa, ary mba hahazoana misimisy kokoa dia araho ny tenifototra #コロシテくん [49] (koroshite-kun) ao amin'ny Twitter.

Tamin'ny ampahany, ity lahatsoratra ity dia niankina tamin'ny fikarohana nataon'ireo mpampiasa Twitter  HirokoTabuchi [50], @MishimaKitan [51] sy @AmelieinTokyo. [52]