(2010) Kolombia: Fanomezana virtoaly ho an'i Medellín noho ny faha 335 taonany

(Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Septambra 2010)

Nankalaza ny faha 335 taona niorenany ny tanàndehiben'i Medellín ny 2 Novambra  2010. Nosokafana tao amin'ny Twitter ny kaonty @cumplemedellin mba hahafahan'ny olom-pireneny misioka ny fanomezana fanamarihana tian'izy ireo atolotra ny tanàndehibe noho ity fotoana ity. Toy izao ny fanasana niely tao amin'ny Twitter :

Y vos….¿Qué le querés regalar a Medellín?

Ary ianao… Inona no tianao homena an'i Medellín?

Niaraka tamin'ny hoe:

335 años no se cumplen todos los días. Para hacerle un regalo a Medellín en su día utiliza #felizcumplemedellin

Tsy isan'andro ianao no 335 taona. Ampiasao ny #felizcumplemedellin mba hanolorana fanomezana ho an'i Medellín amin'ity androny ity.

Lapan'ny Kolontsaina Rafael Uribe. Medellín, Septambra 2008. Sary avy amin'i Martiza Sánchez, mpisera Flickr Colores Mari, nampiasana lisansa Attribution-ShareAlike 2.0 Generic Creative Commons. Jereo ny faran'ny lahatsoratra ho an'ny andian-tsary feno mampiseho an'i Medellín avy amin'i Mariza Sánchez.

Nipoitra tamin'ny alàlan'ny tetikasa Feliz cumple Medellín [es] (Arahaba nahatratra ny tsingeritaonanao ry Medellín), notarihin'ny governemanta monisipaly tao an-tanàndehibe [es] ary notohanan'ny bilaogera sy ireo mpisera Twitter ny hetsika iray manontolo. Misy sarintany ihany koa ny tetikasa mba hahitana ny toerana niavian'ny fanomezana [es]. Efa betsaka ireo mpisera nandefa ny fanomezana tao amin'ny Twitter na dia tsy mbola tonga aza ny volana Novambra.

Nanoratra ny iray amin'ireo fanomezana ankapobeny ny fireharehana amin'ny “teraka teto,” toa an'i Fabián Duque Montoya (@fduquemontoya):

#felizcumplemedellin @cumplemedellin yo a Medellín en su cumple le voy a regalar todo mi orgullo por haber nacido aquí.

#felizcumplemedellin @ cumplemedellin ho an'i Medellín noho ny tsingerintaonany, omeko azy ny reharehako rehetra noho ny nahaterahako teto.

Hoy i Jairo Daniel Cortés (@jairodcortes) hoe:

@Telemedellin YO NO ELEGÍ SER PAISA, SÓLO TUVE MUCHA SUERTE! LAS GANAS Y LA GENTE CELEBRAN SU CUMPLEAÑOS! FELIZ CUMPLE! #felizcumplemedellin

@ Telemedellin TSY NISAFIDY HO PAISA AHO FA TSARA VINTANA FOTSINY! MANKALAZA NY NIFORONANAO NY VAHOAKA! ARAHABAINA! #felizcumplemedellin

Nandefa hafatra fanantenana tamin'ny alàlan'ny kaonty Twitter-ny i Sergio Calderón Osa (@SerchoVirtual):

@cumplemedellin yo le regalo las ganas de querer hacer mucho por mi ciudad ¡linda carajo!

@cumplemedellin Omeko an'i [Medellín] ny faniriako hanao zavatra betsaka ho an'ny tanànako. Tsara ery ianao!

Nizara sary ny hafa, toa an'i Maria Fernanda Arias (@mafeariasg):

@cumplemedellin A Medellín le regalo esta foto http://www.flickr.com/photos/mafernanda/456686100/ #felizcumplemedellin

@cumplemedellin Omeko an'i Medellín ity sary ity http://www.flickr.com/photos/mafernanda/456686100/ #felizcumplemedellin

Nizara sary manokana kokoa i Perla Toro (@PerlaToro):

También le regalo a @cumplemedellin el recuerdo de una tarde enamorada. http://twitpic.com/2p285b

Omeko fahatsiarovana ny tolakandro nitiavana ihany koa ny @cumplemedellin.

Anisan'ny zavatra “omena ho fanomezana” ihany koa ny hatsaran-tarehin'ny tanàndehibe. Hoy i Sebastián Regino (@SebastianRegino) nanoratra:

@cumplemedellin A medellin le voy a regalar un espejo para que se mire y se de cuenta lo bonita que está!

@cumplemedellin omeko fitaratra i Medellín hahafahany mahatsapa ny hatsaratarehiny!

Nanome toky i Federico Villegas (@federicoco):

Le voy a regalar a Medellín en su cumple, regar más seguido las matas del balcón hasta que vuelvan a ser verdes @cumplemedellin

Omeko an'i Medellín ny [fanomezana] noho ny tsingerintaona niforonany, [ho tondrahako] matetika ireo zavamaniry eo an-davarangako mandra-paha maitso azy ireo indray @cumplemedellin

Ary farany, iray amin'ireo fanomezana miavaka farany indrindra ny andian-tsarin'i Medellín avy amin'i Maritza Sánchez (@ColoresMari); navoaka etsy ambany ny andian-tsary Flickr. Namoaka ity sioka ity ny kaonty Twitter-n'ny tetikasa izay nanambarany ny fanomezana:

@ColoresMari le regaló a Medellín unas fotos hermosas: http://felizcumplemedellin.com/?p=134 y vos..¿Qué le vas a regalar?

Nanome sary mahafinaritra vitsivitsy ho an'i Medellín ny @ColoresMari: http://felizcumplemedellin.com/? ary ianao..Inona no omenao an'i [Medellín]?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.