- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Hotrandrahan'ny Fandaharanasa “Exchange Live” ny lanjan'ny fikatrohana nomerika iraisam-paritra ho an'ny fiteny

Sokajy: Mediam-bahoaka, Rising Voices

Fiarahana miasa amin'ny Masoivoho Kanadiàna ao Meksika, tongava manatevina laharana anay mandritra ny andiany fahefatra sady farany amin'ny fifanakalozana ety anaty aterineto [1] afantoka amin'izay fomba ataon'ireo vondrompiarahamonina teratany ao Meksika sy Kanadà naneken-dry zareo ny teknolojia sy ny aterineto ho toy ny fitaovana entina mampiroborobo sy manome aina vao ireo fiteny teratany any amin'izy ireo, mahazo tombontsoa sy misy fiantraikany amin'ireo andian-taranaka vaovao tena antenaina hiteny azy.

Talata 8 Septambra 2020 @ 11:00 am (CDT/Mexico City)

Fandefasana mitohy #2 – “Fifanakalozana Tsy Miato: “Inona avy ireo vokatsoa entin'ny fikatrohana nomerika iraisam-paritra ho an'ny fiteny?”  Eto no misoratra anarana mialoha azafady [2].

Ny 8 Septambra 2020 @ 11:00 ora antoandro CDT ho an'i Kanadà sy Meksika, tongava manatevina anay amin'ireo andiana “Fifanakalozana” iarahan'ny Rising Voices sy ny Masoivoho Kanadiàna ao Meksika mikarakara.

Mandritra ny fandefasana mitohy io fandaharanasa “Fifanakalozana tsy miato” io, ny ekipan'ny mpampiantrano anay no hitarika antsika rehefa hizaha ireo vintana sy fanamby amin'ny fiaraha-miasa eo amin'ny faritra misy eo amin'ny vondrom-piarahamonina Indizeny sy ny Firenena Voalohany izay mandray sy mampifanaraka ny haitao sy ny Aterineto ho an'ny ezaka famelomana indray ny fiteny.

Tany anatin'ireo fifanakalozantsika [3] tany aloh [4]a nifanaovan'ireo mpiaro ny fiteny teratany sy ireo mpikatroka, na tao Meksika izany, na tany Kanadà, betsaka ireo ohatra hitantsika momba ireo olana iraisana sy ny hamehana amin'ny fampiatoana ny fahaverezan'ny fiteny, tsy misy hafa amin'ireo fomba firoso anatin'ny fikatrohana nomerika; ary firotsahana an-tsehatra mifandraika tsara amin'ny vondrompiarahamonina misy azy ireo. Kanefa, rentsika ihany koa ny mety hahasamihafa ireo fanamby ara-piteny, ny teknika ary ny ara-tsosialy sy ara-kolontsaina manerana ireny vondrompiarahamonina ireny, hatramin'ny fahafahana miditra amin'ireo loharanon-karena marobe sy ny fifandraisana.

Miaraka amin'ireo vahiny manokana nasaina, hifantohan'ity fandaharanasa ity ihany koa ireo vokatsoa entin'ny fifanakalozana fahalalàna ary hojereny ny vintana hahafahana mitondra ireny fianakalozana iraisam-paritra ireny ho lasa lavidavitra kokoa.

Ity fandaharanasa ity dia tontosaina ao anatin'ilay fandaharanasan'ny  Tsenabe Nasiônalin'ireo Fiteny Teratany [5] (FLIN ho an'ny fanafohezana azy amin'ny fiteny Espaniôla ) karakarain'ny Ivontoerana Nasiônalin'ireo Fiteny Teratany [6] (INALI ho an'ny fanafohezana azy amin'ny fiteny Espaniôla) ao Meksika, izay atao ny 9 Aogositra hatramin'ny 25 Novambra 2020

Ho an'ireo izay maniry ny hiditra haka ny fandikàna eo noho eo amin'ny fiteny Espaniola sy Anglisy, dia tena amporisihanay ny hisoratanareo anarana amin'ilay fivoriana Zoom. Fanampin'izay, azonao atao ny mahita ny fandaharana fandefasana mitohy ao amin'ny pejy Facebook-n'ny Rising Voices Facebook.  [7] Azafady, mba hahazoanao ny rohy Zoom dia misorata anarana mialoha eto [2].

Mpampiantrano: