- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

(2009) Topimaso momba ny Vovonan'i Amerika

Sokajy: Amerika Avaratra, Amerika Latina, Karaiba, Barbady, Etazonia, Goiana, Kiobà, Trinite sy Tobago, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fifindràmonina, Hafanàm-po nomerika, Hevitra, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Toekarena sy Fandraharahàna, Zon'olombelona

(Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Aprily 2009)

Raha efa akaiky ny fanokafana ny Vovonan'i Amerika Fahadimy [1] izay nahitana ireo mpitondra miisa 34 avy amin'ny Ila Bolantany Andrefana [2] hiara-midinika ny olana mifandraika amin'ny fanambinan'ny olombelona, ​​ny tontolo iainana lovainjafy ary ny fiarovana ny angovo, ary mazava ho azy ny krizy ara-bola manerantany [3] dia nanohy nanara-maso akaiky ny fivoaran'izany ireo bilaogeran'ny renim-paritra.

Tao amin'ny firenena mpampiantrano, nanohy nandefa rohy isan'andro momba ny fitantaran'ny fampitam-baovao mahazatra ilay Vovonana ny bilaogy Trinidad and Tobago News Blog [4] miaraka amin'ny rakitsary [5] misy ireo hetsika ofisialy. Manahy momba ny tatitra iray ao amin'ny The New York Times [6] ny bilaogy Club Soda and Salt [7], “teraka tany Barbados, nihalehibe tao Trinité ary mipetraka any Brooklyn”, izay manolo-kevitra fa “roa amin'ireo fanondranana lehibe indrindra any Amerika ny politika adalan'ny zava-mahadomelina sy ny fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna ary samy misy vokany mampidi-doza any Amerika Latina sy Karaiba.” Hoy ilay bilaogera:

I wonder if anyone will ask Obama about America's destructive drug policy at the Summit, rather than focusing everything on Cuba? Don't get me wrong, I think US Cuba policy is terrible, but I also think the impact on say, Trinidad, of lifting the embargo will be limited (if not slightly negative, since Cuba will become competition for outsourcing and tourists). To be honest, the talk about Cuba strikes me as a lot of grandstanding — it's a very easy way to look like you are “standing up” to the powerful Americans.

In any case, a rational conversation about drug policy in our hemisphere would be nice. I'm not going to hold my breath.

Manontany tena aho hoe misy ve ny olona mba manontany an'i Obama momba ny politikan'ny zava-mahadomelina manapotika ao Amerika any amin'ny Vovonana, fa tsy mifantoka fotsiny amin'i Kiobà ? Aza disoana aho, heveriko fa mampahonena ny politikan'i Amerika momba an'i Kiobà, saingy heveriko ihany koa fa ho voafetra any Trinité ny fiantraikan'ny fampiatoana ny fanalana ny fandrarana (raha tsy hoe angaha miseho amin'ny endrika miiba kely satria lasa fifaninanana ho an'ny fifanarahan'asa sy ny fizahan-tany i Kiobà). Raha ny marina, mandòna ahy ny resaka momba an'i Kiobà satria mampitolagaga – tsotra be izany ny isehoanao toy ny hoe “mijoro” manoloana ireo Amerikana matanjaka.

Na izany na tsy izany, ho tsara ny ifanakalozan-kevitra voalanjalanja momba ny politikan'ny zava-mahadomelina ao amin'ny ila bolantany misy antsika. Tsy dia mino loatra aho anefa.

Kiobà [8], na izany aza, no mbola lohalaharana amin'ny adihevitr'ireo bilaogera sasany [9]. Hoy i Alfredo Prieto, nanoratra ho an'ny Havana Times [10]:

Even if the subject of Cuba is not reflected in the Final Declaration -because of that being considered OAS territory-, the issue will fall like a Juggernaut onto the warm beaches of the Trinidad and Tobago conference site.

The acceptance of the socialist island is supported by the wave of elected left leaning governments in the region further backed by unprecedented developments, such as the recent pro-Cuba activist stance taken by Brazil.

But obviously the Cuban question cannot be viewed as stemming from smugness in itself, but as a part of the US’s political problem toward Latin America, one in need of structural change…we are waiting, with a good bit of impatience, for what will come out in the group photo of this Summit of All (Minus One).

Na dia tsy hita taratra tamin'ny Fanambarana Farany aza ny momba an'i Kiobà – satria heverina ho toy ny faritra OAS izy dia hilatsaka toy ny varatra amin'ny morontsiraka mafana ao Trinité sy Tobago izay toeran'ny fivoriana ny olana.

Tohanan'ny andiana governemanta mirona amin'ny elatra ankavia voafidy ao amin'ny faritra izay nahitana fivoarana mbola tsy nisy toa izany, toy ny fijoroana manakaiky an'i Kiobà nataon'i Brezila, ny fankatoavana ilay nosy sosialista.

Saingy miharihary fa tsy azo raisina ho avy amin'ny fizahozahoana ny raharaha Kiobà, fa toy ny ampahany amin'ny olana ara-politikan'i Etazonia amin'i Amerika Latina, ilay mila fanovana ara-drafitra … miandry izahay, miaraka amin'ny tsy faharetana kely, amin'izay mety hivoaka amin'ny sarin'ny vondrona amin'ity Vovonana ho an'ny Rehetra (miala iray) ity.

Mihevitra ilay bilaogera Goyaney Imran Khan [11] fa maneho “ny seraseram-bahoaka sy dokambarotra izay tsy vitan'ilay firenena ny handoa azy” ny fampiantranoan'i Trinité sy Tobago ny Vovonana- mazava ho azy, raha mandeha tsara ny zava-drehetra na dia toa [12] sarotra aza ny fanombohana [13]. Nanohy i Khan [11] :

I fear though that this Fifth Summit of the Americas will be nothing more than a charade. It is shaping up to be nothing more than the Meet Barack Obama Parade. Leaders and their respective delegations are so hyped about attending that it is painfully obvious that they seem more keen on getting a photo op with the global superstar that is Obama.

They are attending, it would appear not for the purposes which one attends a summit of this nature…members of the respective delegations seem to be treating it more like a concert.

The best (and worst thing) which could happen to the Fifth Summit of the Americas is for Barack Obama to cancel his attendance.

Matahotra aho na izany aza, fa ho sarintsariny ihany ity Vovonan'ny Amerika Fahadimy ity. Toa tahaka ny tsy misy afa-tsy ny fampisehoana ny Fihaonana amin'i Barack Obama. Samy nientanentana tamin'ny fanatrehana izany ny mpitondra sy ireo delegasiona tsirairay avy ary miharihary mampalahelo fa mangitakitaka kokoa izy ireo haka sary miaraka amin'ilay kintana malaza manerantany dia i Obama.

Nanatrika izany izy ireo, toa tsy noho ny antony mahazatra anatrehan'ny olona amin'ny karazana vovonana toy izany… toa mihevitra izany ho toy ny fampisehoana ny mpikambana ao amin'ny delegasiona tsirairay avy.

Ny hanafoanan'i Barack Obama ny fanatrehany no mety ho zavatra tsara indrindra (na ratsy indrindra) hitranga amin'ny Vovonan'i Amerika Fahadimy.