- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nahoana no manao fihetsiketsehana ny tanora any Thailandy ?

Sokajy: Mediam-bahoaka

Ireo mpanao fihetsiketsehana mpanohana ny demaokrasia, tarihin'ny mpianatra avy amin'ny vondrona Tanora Afaka sy ny Sendikan'ny Mpianatra any Thailandy, mitaky ny fanavaozana ara-demokratika ny 18 Jolay 2020 tao amin'ny Tsangambaton'ny Demaokrasia ao Bangkok. Sary sy fanazavana avy amin'i Darika Bamrungchok/EngageMedia

Manohy ny fikarakarana fihetsiketsehana goavana manerana ny firenena ny tanora mpikatroka Thailandey na dia eo aza ny fepetran'ny famerana noho ny valan'aretina COVID-19 sy ny fametrahana didim-panjakana momba ny fahamehana izay mandrara ny famoriam-bahoaka. Ity hetsiky ny mpomba ny demaokrasia tarihan'ny mpianatra ity no voalohany amin'ny tantara Thailandey maoderina rehefa notsikeraina ampahibemaso ny fitondram-panjaka Thailandey satria heloka mety hampiditra an-tranomaizina  [1]ny fanaovana izany.

Nanomboka ny volana Febroary 2020 ny andiana hetsi-panoherana voalohany noho ny fandravana an-keriny ny antoko mpanohitra iray ka nahatezitra sy nanome aingam-panahy ny tanora hikarakara hetsika manohana ny demaokrasia. Na dia teo aza ny fihibohana tamin'ny volana Martsa noho ny COVID-19 dia nitohy ny ‘hovitrovitry ny tanora’ ary nahitana ny tanora Thailandey nampiasa ny tontolon'ny aterineto niresaka momba ny olana ara-politika, nanangana tambajotran'ny mpanohitra, ary handefa hetsi-panoherana an-tserasera.

Notarihin'ny mpianatra tamin'ny 18 Jolay  tao amin'ny Tsangambaton'ny Demaokrasia manan-tantara ao Bangkok ny  andiany faharoa tamin'ny fihetsiketsehana. Maherin'ny 2.000 ireo mpanao fihetsiketsehana nivory ary nametraka fitakiana miisa telo dia ny fandravana ny parlemanta, ny famolavolana indray ny lalàm-panorenana miorina amin'ny tafika ary ny famaranana ny fampitahorana sy ny fisamborana tsy ara-drariny ireo mpitsikera ny governemanta.

Ny fitakiana ny fanavaozana ny fitondram-panjaka [2] no fangatahana manan-danja iray hafa, lohahevitra izay tsy fady fotsiny fa heloka bevava ihany koa satria manana ny lalàna henjana Lèse Majesté (fanevatevana ny mpanjaka) i Thailandy.

Mamerina ireo fitakiana ireo tamin'ny endrika fahaiza-mamorona fanoherana an-tserasera sy ivelan'ny aterineto ireo mpianatra sy ny tanora mpikatroka. Ohatra, ny fananganana rantsan-tànana telo izay avy amin'ny aingam-panahin'ny andian-tsarimihetsika malaza Amerikana “Hunger Games [3]” no nalain'ny mpanao fihetsiketsehana Thailandey tahaka ho mariky ny fihantsiany sy ny fitakiany ny demaokrasia.

Tamin'ny 16 Aogositra, olona maherin'ny 20.000 no nivory indray tao amin'ny Tsangambaton'ny Demaokrasia ao Bangkok afovoany. Io no fihetsiketsehana lehibe indrindra tany Thailandy hatramin'ny nandrombahan'ny tafika ny fahefana tamin'ny taona 2014.

Nampiantso ny mpianatra mpitarika, mpanakanto ary mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona am-polony ny manampahefana ary nandrahona ny hitory azy ireo noho ny fanohintohinana, kanefa nahazo ny fanohanana nanerana ny firenena ny hetsika fanoherana notarihin'ny tanora. Nandray anjara tamin'ny famoriam-bahoaka marobe nokarakarain'ny mpianatra ihany koa ireo mpisolovava mpanohana ny demaokrasia avy amin'ny sehatra samihafa.

Ankoatra izay, namoaka fanambarana ho firaisankina ihany koa ireo tanora mpikatroka avy any Hong Kong sy Taiwan izay nahitana taratra ny fitomboan'ny fitarihan'ny #MilkTeaAlliance, fanentanana manohana ny demaokrasia tarihan'ny mpisera manohitra ireo Shinoa mpandoto rindrina.

Raha te hamantatra misimisy kokoa momba ny governemanta tohanan'ny tafika any Thailandy dia vakio ny fitantaran'ny Global Voices nanomboka ny taona 2014 ka hatramin'ny taona 2017.

Ho an'ny antsipiriany misimisy kokoa, namoaka fanazavana momba ny toe-draharaha any Thailandy ny mpiara-miasa aminay EngageMedia.

Hanohy hizara ny fitantarana avy amin'ny fampitam-baovao Thailandey miara-miasa aminay Prachatai [6] sy The Isaan Record [7] ihany koa izahay.

Vakio bebe kokoa ireto tantara manaraka ireto araka ny tohin'ny fanavaozam-baovao ato amin'ity pejy ity:

What's happening in Thailand? Youth activists rally to protect democracy, freedom of speech [5]

“Leo i Khon Kaen”: Hetsi-panoherana manohana ny demokrasia any avaratra atsinanan'i Thailandy [8]

Student Union of Thailand president arrested over anti-government protest [9]

Youth-led protests in Thailand get support from citizens demanding ‘real democracy’ [10]

From horticulture to Harry Potter cosplay, Thai students find creative ways to protest against repression [11]

Azia Atsimo Atsinanana: Tafihana ireo mpiaro ny zon'olombelona sy mpanao gazety [12]

Mpianatra nitarika hetsi-bahoaka anoherana ny jadona teo amin'ny Tsangambaton'ny Demaokrasia ao Thailandy [13]

Thailand's ‘youthquake': Activism in the time of COVID-19 [14]

Netizens from Hong Kong, Taiwan, Thailand brew ‘Milk Tea Alliance’ against Chinese speech police [15]

Mamaly ny lehiben'ny tafika Thailandey ilay mpikatroka Hong Kong Joshua Wong [16]