- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

(2009) Meksika: Fanahiana amin'ny fielezan'ny gripan-kisoa [mitovy fepetra amin'ny ankehitriny 2020]

Sokajy: Amerika Latina, Meksika, Fahasalamàna, Mediam-bahoaka

(Lahatsoratra tamin'ny volana Aprily 2009)

Nanjary niahiahy tamin'ny fihanaky ny gripan-kisoa [1] izay nahafaty olona miisa 68 [2] tao an-tanandehiben'i Mexico sy olona miisa 1.000 hafa narary ny manampahefana misahana ny fahasalamana tany an-toerana. Ny fahafatesan'ny tanora fa tsy ireo olona marefo ny tena nampiahiahy tamin'ity gripa ity. Nitandrina ny mponina eny an-dalambe tao an-drenivohitra mba hialana amin'ilay viriosy raha niandry hahita hoe ve miely ny aretina ny hafa.

Nahatonga ny fikatonan'ny mozea [3] [es] sy ny sekoly ny valanaretina ary eo koa ny fanafoanana ireo hetsika ara-kolontsaina [4] [es] ary eny fa na dia ny lalao baolina kitra maro nandritra ny faran'ny herinandro aza.

Namintina ny fanehoan-kevitry [5] ny Meksikana nandritra ity valanaretina ity i Defeña Salerosa ao amin'ny bilaogy Esta Maraña de Contradicciones [es]:

Los que piensan que todo esto es una medida gubernamental para tapar algo “chupacabras style”-“cortina de humo”, y ese algo quien sabe qué podría ser: amenazas del narcotráfico, chanchullos bursátiles, etc. Los que creen ciertamente que estamos llegando a una pandemia. Los que consideran exageradas y extremas las medidas del sector salud y el gabinete presidencial. Los que están asustadísimos y no quieren salir de casa y de hacerlo, porta tapabocas o bufandas (sí, con este pinche calor ví a dos con ¡bufandas!). Los que ya sienten escosor y mucosidad en sus vías repiratorias. Los que se rompen la cabeza buscando el comentario/frase más sarcástico y jocoso del asunto.

Ao ireo izay mihevitra fa izany no fepetra noraisin'ny governemanta hanaronana zavatra “toy ny chupacabras” – “setroka efijery”, sy ny zavatra izay, iza no mahalala hoe inona: fandrahonanana amin'ny fanondranana zava-mahadomelina, ny fisolokiana amin'ny tsenam-bola, sns. Misy ireo mieritreritra fa tratran'ny areti-mandringana isika. Ao ireo izay mihevitra fa ampitomboina ary hatao tafahoatra ny fepetra avy amin'ny sehatry ny fahasalamana sy ny kabinetran'ny filoham-pirenena. Ao ireo izay matahotra mafy ary tsy te hivoaka ny trano, ary mampiasa arotava sy folara izy ireo (eny, nahita olona roa nanao folara aho amin'ity hafanana ity!) Ao ireo izay efa mahatsapa fa sempotra any amin'ny lalan-drivotra. Ao ireo izay miezaka mafy mitady hevitra/fehezan-teny maneso sy mahatsikaiky indrindra momba ilay raharaha.

Avy ao Mexico, Daniel Hernandez ao amin'ny bilaogy Intersections dia manome fanavaozam-baovao matetika ao amin'ny bilaoginy [6] sy ny zava-misy eny an-dalamben'i Mexico  zoma alina:

But what are things like on the street right now? People are out and about, only every other pedestrian is wearing a surgical mask. Some arty party events tonight have been canceled, but otherwise, D.F. life as normal, if just a bit more surreal than usual.

Fa manao ahoana ny zavatra eny an-dalambe ankehitriny? Mivoaka ny olona, ​​mpandeha an-tongotra iray amin'ny roa ihany no manao sarontava. Nofoanana ny hetsika ara-kolontsaina sasany anio alina, fa ankoatra izany, toy ny andavanandro ihany ny fiainana, na somary mihoatra noho ny mahazatra aza.

Naneho hevitra momba ny lahatsoratr'i Hernandez tamin'ny fahatongavany tany an-tsekoly ny zoma maraina ilay mpisera Flickr Victoria [7], mpampianatra ao Mexico:

As I walked in, I immediately noticed that i I didn't see any students.

Then they told me, oh, it's because of the outbreak of influenza, and then I vaguely remembered recieving at text message from UNONOTICIAS at midnight.

Then I hung out and listened to all my Mexican colleagues talk about how this is the first time this has ever happened, and speculate about how bad the situation truly might be, for these measures to be taken. Then I went home, on the metro, with my blue face mask on.

Rehefa niditra aho dia nahatsikaritra avy hatrany fa tsy nahita mpianatra.

Dia hoy izy ireo tamiko, oh, noho ny fiparitahan'ny gripa izany, ary avy eo tadidiko fa nahazo hafatra an-telefaonina avy amin'ny UNONOTICIAS aho tamin'ny misasakalina.

Avy eo nijanona tao aho nihaino ireo mpiara-miasa amiko Meksikana rehetra niresaka momba ny hoe sambany nisy an'izany ary naminavina hoe tena ratsy tokoa ve ny toe-draharaha ka nahatonga ny fandraisana ireo fepetra ireo. Avy eo nody aho, nandeha metro, niaraka tamin'ny sarotava manga.

Nanome torohevitra momba ny fomba fifindran'ny gripa ny bilaogera sasany, toy an'i Ana Maria Salazar izay nanoratra [8] fa na dia eo aza ny anaran'ny gripa dia tsy mifindra amin'olona amin'ny fihinana kisoa akory izany.

Nikasa ny hanao vaksiny miady amin'ny gripa amin'ny mpiasan'ny fahasalamana ny governemanta, saingy tsy misy ho an'ny besinimaro izany. Amin'izao fotoana izao, mandrisika ny olona hanasa tanana matetika izy ireo ary hanarona ny vavany rehefa mikohaka na mievina, ankoatra ny fepetra hafa.