- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nepal: Fampirantiana voalohany ireo zavakanto virtoaly maoderina, amin'ny endrika 360 degre

Sokajy: Azia Atsimo, Nepal, Hevitra, Mediam-bahoaka, Zavakanto & Kolontsaina, COVID-19

(Raha tsy asiana fanamarihana manokana dia mankany amin'ny lahatsoratra anglisy ny rohy rehetra)

Pikantsary avy amin'ny pejin'ny Tranombakoky ny Zavakanto Nepaley.

Tsidiho ny fandrakofana manokana ataon'ny Global Voices momba ny Fiantraika erantanin'ny COVID-19 [1].

Tao Nepal, tsy ny sehatry ny fahasalamàna [2] monja ihany no voa tamin'ny fiparitahan'ny COVID-19 [3] izay nitranga eran'izao tontolo izao, fa nampiato ihany koa ireo hetsika ara-kolontsaina rehetra.

Nanomboka ny 2 Jona, nitarin'i [4] Nepal ireo fepetran'ny fihibohana tao aminy, nikatona daholo ireo trano fijerena sarimihetsika sy filalaovana tantara an-tsehatra. Na izany aza anefa, ho an'ireo mpankafy zavakanto voatery nandany ny fotoanany tany an-tokantrano, azony natao avy any amin'ny toeram-piadanany ao an-trano ny nitrandraka ilay fampirantiana virtoaly voalohany ny zavakanto [5]  tao Nepal.

View this post on Instagram

First MONA exhibition – never thought it would happen in such unimaginable times. But creativity flourishes more when times are difficult. Here are the best expressions of life during Corona in Nepal. Hope you all reflect and enjoy !! #museumofnepaliart #tangentialstress #firstexhibition #onlineart #kathmanduguesthouse [6]

A post shared by Museum of Nepali Art [7] (@museum_of_nepali_art) on

Nepaley 19 artista manandaza no nanatontosa azy, tanaty fampirantiana virtoaly nomeny anarana hoe “Tangential Stress” no naranty ireo asakanto, tao amin'ny Museum of Nepali Art (MoNA) [8]. Ara-pamaritana, ny dikany dia hoe hery iray [9] mihetsika manaraka zotra marindrano amin'ny ankapobeny, miteraka fiforiporetana sy fivoitrana havoana. Ny dika voalohany tamin'ireo asakanto ao anatin'ilay fehezana dia afaka hita ao amin'ny tahirin'ny MoNA ao amin'ny Tranom-Bahiny ao Kathmandu.

Asongadin'ny ‘Tangential Stress’ ireo asa vitan'ireo Nepaley sangany, toa an'i Batsa Gopal Baidya, Erina Tamrakar, Rajani Singkhwal, Manish Lal Shrestha, sy ireo maro hafa. Azo atao ny mahita ny lisitra feno misy an'ireo artista mpandray anjara ato [10].

View this post on Instagram

First MONA exhibition – never thought it would happen in such unimaginable times. But creativity flourishes more when times are difficult. Here the best expressions of life during Corona in Nepal. Hope you all reflect and enjoy !! #museumofnepaliart #tangentialstress #firstexhibition #onlineart #kathmanduguesthouse [11]

A post shared by Museum of Nepali Art [7] (@museum_of_nepali_art) on

(soratra etsy amin'ny sary): Fampirantiana voalohany ataon'ny MONA – tsy noeritreretiko velively hoe ao anatina vanimpotoana iray tena tsy ampoizina no hisian'ity. Saingy mandritra ireo fotoana sarotra no vao mainka mivelatra kokoa ny fahaizamamorona. Ity no fomba mendrika indrindra nanehoana ny fiainana nandritra ny fotoanan'ny corona teto Nepal. Antenaiko fa hitondra anareo hisaintsaina io, ary hiaina fotoana mahafinaritra ianareo !!

Hoy i Rajan Sakya [9], tale sady mpandrindra ny MoNA:

Ny ankamaroan'ny olona [niatrika rarintsaina vokatry ny COVID-19] dia nitelina sy nahalefitra ireny angovo tsy hita maso ireny, niatrika izany sy niaina nifanaraka taminy. Ho an'ny olona marobe dia tamin'ny fomba maro samihafa ireny angovo ireny no nifafy: ny sasany nahazo lanja, ny hafa nihena, ny sasany nanao fanatanjahantena, ny hafa nifotetaka tao ambony sezany, ny hafa sasany nampiseho fitiavantena, raha ny sasantsasany indray tonga mba hanampy ny hafa, ary ry zareo ireto kosa, ireo “Artista Nepaley”, dia naneho ny fihetsehampony tamin'ny alàlan'ny loko, tsipitsipika ary talenta hafa.

io fampirantiana nomena lohateny hoe “Tangential Stress” io dia ny fara-tampony amin'ny fihetsehampo, amin'ny fanantenana fa tsy hieboebo sy hitompo teny fantatra isika, hankafy tsara ny natiora sy ny fisiantsika ka izany, amin'ny farany, no hampianatra antsika hanetry tena

View this post on Instagram

Why did it take a pandemic to make us realize who the real life heroes are ?? People have been blindly idolizing celebrities and influencers with a few thousand social media followers. The superficiality of it all !!! Medics don’t even have time to be on social media … they are busy doing the “real work.” . . “This painting is a portrayal of a real-life female doctor who shouldered the responsibility of saving lives. A mother of a 6-month-old child leaves the safety of her house and her love for her newborn, to save someone else’s. What do we call this kind of selflessness? The artist, Pramila Bajracharya dedicates this painting to all the fearless health workers who risk their life for someone else’s.” . . Covid 19 has made us realize to NOT idolize people who are working only to boost themselves all the time …but to give more RESPECT to those selfless souls serving humanity … . . Do look at the first online MONA exhibition presenting Covid lockdown expressions from Nepal’s top contemporary artists. . . insta – @museum_of_nepali_art FB – Museum of Nepali Art visit www.mona.com.np for 360 virtual tour !!! ……Thank you !!! #museumofnepaliart #tangentialstress #firstexhibition #onlineart #kathmanduguesthouse [12]

A post shared by Museum of Nepali Art [7] (@museum_of_nepali_art) on

Fa nahoana no niandry ny fisian'ilay valanaretina isika vao nahatsapa hoe iza marina no tena maherifontsika ?? Nanompo sy niankohoka an-jambany tamin'ireo olomalaza sy mpitarikevitra manana mpanjohy an'arivony vitsivitsy ety anaty tambajotra sôsialy ny olona. Fitiavana ankosotra re izany !!! Tsy nananan'ireo mpiasan'ny fahasalamana akory na dia ny fotoana hidirany anaty tambajotra sôsialy aza… fa na vavy na lahy dia samy sahirana nanatontosa ny “tena asa” ry zareo ireny.

“Ity hosodoko ity no fanehoana ny tena fiainan'ny vehivavy iray mpitsabo izay nibaby ny andraikitra hanavotra aina maro. Renin-jaza iray vao enina volana mandao ny fitoniana sy ny tokantranony ary ny fitiavan'ilay zanany kely vao teraka mba hamonjy ireo zanaky ny hafa. Inona no hiantsoana izany karazana fandavantena izany? Ilay artista, Pramila Bajracharya, dia nanolotra io hosodoko io ho an'ireo rehetra mpiasan'ny fahasalamana, na vavy na lahy, izay mivarotra ny ain'izy ireo hanavotana ny an'ny hafa.”

Ny COVID-19 dia nahafahantsika nanalavitra ny fiankohofana sy fanompoana an-jambany an'ireo olona manao fampahafantarana ny tenany isak'izay mihetsika… nahafahantsika koa nanome HAJA misimisy kokoa ho an'ireo fanahy be famindrampo miasa ho an'ny maha-olona… Mandritra ny vanimpotoana fihibohana ateraky ny COVID-19, aza misalasala mandeha mitsidika ilay fampirantiana anaty aterineto ataon'ny MONA, izay maneho ny asa famoronan'ireo Nepaley artista goavana amin'izao vaninandro izao.

Ao anatin'ny sasinteny [13] ho an'ilay fampirantiana, manoratra ny Dr. John Clarke, mpandrindra ny  Tranombakoka ho an'ny Zavakanto Himalayana & sy avy ao Azia Atsimo-Atsinanana ary ny Tranombakoka Victoria & Albert ao UK:

Ny sandan'ilay viriosy sy ny fihibohana ho an'ny olona ao Nepal dia miverimberina anaty asa marobe, nefa matetika koa no asongadina ny endrika maha-erantany an'ilay valanaretina.

Iray tamin'ireo mpanakanto nandray anjara i Ranju Yadav, niteraka ny zanany faharoa tamin'ny volana Oktôbra lasa teo, ary niady irery hiaro ny tenany sy ny zanany tsy ho voan'ny coronavirus.  Hoy izy [14]:

[…] an-tapitrisa ireo vehivavy mitondra vohoka, tahaka ahy, no tsy maintsy miatrika akaiky ny ady amin'ny Corona Virus [sic] amin'ny alàlan'ny fiarovana sy ny fikarakarana ny kibon-dry zareo manokana.

Amin'ny maha- mpanakanto mitondra vohoka, io hevitra voalaza etsy ambony io no ataoko sary ao anatin'ny asakantoko “Mithila”. Miaro ilay zanany mbola ao am-bohoka ilay vehivavy bevohoka, amin'ny alàlan'ny fametrahany ny tanany eo amin'ny kibony. Sahiny ny tsy manao sarontava noho izy mila mifoka rivotra ho an'olona roa [sic] ho azy sy ho an'ilay zanany. […]

Rahoviana ireo mpijery no hivoaka indray hijiery ireo habaka ara-kolontsaina, toerana fampirantiana, ary teatira? Tsy misy manana ny valin'io fanontaniana io aloha. Saingy ao anatin'izao fotoana mampisalasala izao, potsitra iray monja dia mahita ireo Nepaley artista ireo ianao.