- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Karaiba : Momba ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety

Sokajy: Amerika Latina, Karaiba, Goiana, Kiobà, Trinite sy Tobago, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Fifindràmonina, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Hehy, Hevitra, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Teknolojia, Zon'olombelona

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny May 2009)

Rehefa 3 May dia ankalazaina erantany ny Andro Iraisampirenena ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety [1]- nambaran'ny Fivoriamben'ny Firenena Mikambana [2] ho fanamafisana ny fahatsapantena momba ny lanjan'ny  fahalalahan'ny asa fanaovana agazety [3]. Betsaka ireo bilaogera avy ao Karaiba [4] nanipika tany anaty lahatsoratr'izy ireo ny maha-zavadehibe io hetsika io …

Signifyin’ Guyana [5] (amin'ny teny anglisy, toy ireo bilaogy rehetra tanisaina ato) dia nanandrana ny nandefa antso iray hanaovana hetsika:

Na dia ho andro iray monja aza (androany [6]) betsaka ireo olona miandrandra hoe mba hitodika any amin'ireo toerana anagadrana mpiasàn'ireo mpiasan'ny media ny mason'izao tontolo izao, ary isan'izany ireo bilaogera, mazàna aza dia vonoina mihitsy satria niampanga ny tsy rariny.

Notohizany tamin'ny fitanisàna ireo firenena izay manimbazimba ny fahalalahan'ny fanehoana hevitra sy “loza mitatao ho an'ny mpanao gazety”, ary nampiany hoe:

Amina degre kely fotsiny, saingy tena miavaka ihany koa amin'ny resaka fameperana ny fahalalahana maneho hevitra, izany no mitranga amin'izao fotoana izao ao Goiàna. Raha ny hitako ao Goiàna dia toedraharaha iray tsy dia misy ifandraisany loatra amin'ny fameperana ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety.
Azo atao tsara tsotra izao ny manondro ny Filoha Jagdeo ho toy ny sangany amin'ny fanitsakitsahana ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety. Fanta-poko, fanta-pirenena ireo fandrahonany ny gazety sahy manakiana ny governemanta ao Goiàna…saingy mihoatra lavitra noho ny ataon'ny Filoha, misy koa ireo fepetra sasantsasany apetraky ny tompon'ny trano famoahana gazety no tena mbola maneritery lavitra ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety ao Goiàna.

Kianin'ilay lahatsoratra [7] ihany koa ny fitondrantena sasantsasany ataon'ireo mpanao gazety tsy mampiseho ny maha-tomponandraikitra azy ireny:

Ity no mba sosokevitro momba izay tokony hataontsika hanohanana marina ireo mpiasan'ny media (ary ao Goiàna koa) izay voakendan'ireo fitondràna tsy refesi-mandidy eran-izao tontolo izao ny fahalalahany. Aza mividy ary aza mamaky ny Kaieteur News sy The Guyana Times– ary satria efa eo ihany isika, atsofohy ho ao koa ny Guyana Chronicle, na dia ho herinandro iray monja aza. Fa ny mifanohitra amin'izay, ndeha isika hiditra ato [6] mba hampitambatra ny feo [ntsika] amin'ireo antso hanaovana hetsika.

Any avaratra kokoa ao amin'ilay vondronosy, ireo Kiobàna bilaogera Uncommon Sense [8] sy Along the Malecon [9] dia mahamarika esoeso amin'io fankalazana io, noho ny nisamborana olona roa mpanohitra tao atsinanan'i Kiobà :

Nosamborin'ireo manampahefana kiobàna tamin'nyh Alarobia teo i Rolando Rodríguez Lobaina sy ny rahalahiny Néstor, mpitarika ny Hetsiky ny Tanora Kiobàna ho an'ny Demaokrasia ao Baracoa…izay manana tanjona ho fanampiana ireo kiobàna mpifonja mba hahazoan'izy ireny indray ny fahafahana.

Na namoaka fanavaozambaovao aza i Uncommon Sense [8] taty aoriana kely nanamafisany ny “famotsorana an-dry Rodriguez mirahalahy tamin'ity faran'ny herinandro ity”, i Along the Malecon [9] nanohy hoe:

Lazain'ireo mpiaro ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety fa tsy ilaina ny manaraka fianarana manokana mba hanaovana ny asan'ny mpanao gazety. Ny azo antoka aloha, dia marobe tsy hita anoharana ny isan'ireo mpanao gazety any am-ponja ao Kiobà. Nisy 125 ireo mpanao gazety tany am-ponja eran'izao tontolo izao tamin'ny 2008; araka ny  voalazan'ny Kaomity Mpiaro ny Mpaanao Gazety [10], na CPJ. Raha atambatra, 20 % amin'izy ireny dia Kiobàna avokoa. Naboraky ny CPJ ihany koa, ao anatin’io tatitra io [11],  nivoaka tamin'ny 30 Aprily, fa Kiobà dia iray amin'ireo firenena folo eto ambonin'ny tany fatra-mpamoritra bilaogera.

Antilles [12], ilay tranonkalan'ny gazetiboky “Caribbean Review of Books“, dia manohana ny PEN [13] , ilay hetsiky ny fikambanan'ireo mpanoratra mba hanombohana fanentanana iray ho an'ny Fahalalahan'ny Asa Fanoratana any amin'ireo Firenena ao Amerika [14], izay “mikendry ny hanasongadina ny fanenjehana ireo mpanoratra sy mpanao gazety ary ny olan'ny tsimatimanota ao amin'ilay faritra, mikendry koa hanome tohana mivantana ho an'ireo mpiray asa tra-pahasahiranana sy mba hamorona fisarihantsaina ho amin'ireo fironana mankamin'ny famoretana ary ny sivana mananontanona ny zon'ireo mpanoratra”:

Aty Karaiba, toy ny any rehetra any, ilainay ireo mpanoratra – tsy hoe fotsiny ny mpanao gazety, fa koa ireo mpanoratra tantara an-tsehatra, ireo poeta, ireo mpahay momba ny tantara, ireo mpanakiana – mba hametraka ireny fanontaniana manelingelina ireny, hamboraka ireo raharaha tsy mampahazo aina ary ny hanaitra anay hibanjina ny zavamisy tena iankinan'ny aina izay inian'ireo mpanao politika atao izay tsy hiraharahianay azy.

Farany, ao Trinidad & Tobago, ny Media Watch [15] dia namoaka fanambaràna an-gazety iray avy amin'ny Media Association of Trinidad and Tobago [16] (Fikambanan'ireo media ao Trinidad &Tobago), raha ny  The Secret Blog of Patrick “Patos” Manning [17] kosa indray, izay mikendry ny hisolo tena ireo media voatampim-bavan'ny [18] Praiminisitra, namoaka ampahany tamin'ny lahatsoratra iray manao resaka tsy loa-body avy amin'ny zavatra farany navoakany tao amin'ny Twitter [19] :

Ry mpanao gazety eto T&T, amin'ny fankalazana ny andron'ny 3 May, Andro Erantany ho an'ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovana Gazety, manantena aho fa ho tsaroanareo ny fomba niainanareo am-pilaminana teto.