Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Mampihomehy an'izao tontolo izao ilay fandefasana ny matson'ireo voron-drano ‘penguins” ao Aostralia

Phillip Island, Penguin Parade August 2019

Nosy Phillip, Matson'ny Penguin Aogositra 2019 – Sary natolotra ampitiavana avy amin'ny mpampiasa Flickr Larry Koester (CC BY 2.0)

Vaovao vitsivitsy natao hampifalifaly saina ao Aostralia sy manerana ny tany mandritra ny fotoana fihibohana sy ireo fepetra famerana ny fivezivezena nifandray tamin'ny COVID-19. Nanazava ny tranonkala mpisera dia, mpandray vahiny ary mpampiala voly “Time Out Melbourne”:

Fomba fanao mandritra ny dia fivahinianana ho an'ireo mpivahiny ao Melbourne – ny mandeha ora roa hatrany amin'ny Nosy Phillip ary mijery ilay andiana “penguins’ lehibe indrindra sy mahate-ho tia ary mpihinjakinjaka mahatalanjona ao  Aostralia.

[…]Tsara vintana isika, nataon'ny “Phillip Island Nature Parks” tsara antoka ny hahafahantsika mahita ireto zavaboahary bitika ireto avy any an-trano.

Manana heviny marobe ilay teny fanevan-dry zareo ‘It’s a peng-win’. Peng dia afaka adika hoe: vorona iray anaty anganon-dry zareo shinoa; fanafohezana ny penguin; na tenin-jatovo jamaikàna hilazana ny “marijuana” avo karazana.

Tsindrian-daona hijery azy ireo ny olona avy amin'izao tontolo izao. Iray tamin'ireny ny masoivohon'i Aostralia ao Chypre:

Nanantena hanjohy avy any Londona i Lisa Simpson:

Jag Bani, gazety iray ao India amin'ny fiteny Punjabi, nizara ity ho an'ireo mpanjohy azy ao amin'ny Twitter:

Aostralia: olona 770.000 avy amin'ny lafivalon'ny tany mijery ‘Matson'ny Penguins’ an-tambajotra

Manome fanehoankevitra misosasosa ilay mpanolotra, manazava ireo endri-javatra toy ny hoe ireo no penguins bitika indrindra amin'ny karazany. Fantatra ihany koa amin'ny maha-penguins mpihinjakinjaka azy. Afaka mametraka fanontaniana ihany koa ao anatin'ilay fandefasana.  An'arivony maro ireo noterem-panahy. Lohahevitra iray nalaza ilay fidoladolàna.

Tamin'ny May, ilay mpanolotra fandaharana momba ny fanantanjahantena ao amin'ny BBC, Andrew Cotter, no namorona ity hafatra ity:

Na manao ahoana na manao ahoana, fotoana fiakaran'ny ranomasina no nanapihana ny sary ery ambony rehefa mitody eo amin'ilay toerana fijerena azy any amin'ireo valan-javaboary ao amin'ny Nosy Phillip ireny penguins ireny. Nandritra ny fandefasana mivantana tamin'ny filentehan'ny masoandro faharoa, tamin'ny 06:00 ora hariva EST na 07:00 UTC. Mikatona amin'izao fotoana izao ilay ivontoerana fandraisana mpitsidika noho ny fihibohana mihatra ao amin'ny fanjakan'i Victoria.

Mihoatra ny iray tapitrisa ireo mpijery nanaraka nandritra ireo alina roa voalohany. 602 ireo penguins niampita ny torapasika tamin'ilay alina faharoa. Eny, misy olona manao ho asa ny fanisàna an-dry zareo.

Livestream of Phillip Island Penguin parade

Matson'ny penguins ao amin'ny Nosy Phillip – Sarin'ny mpanoratra tao amin'ilay fampitàna tamin'ny 26 Aogositra 2020

Dieny mbola azo jerena ilay izy, azonao atao ny mijery azy ao amin'ny  YouTube na Facebook.

Azonao atao koa ny mijjery ireo fandraketana ilay hetsika:

Misy ihany koa andiana penguins any amin'ny faritra iray ao anatin'i Melbourne, ao St Kilda Pier, toerana iray tena ankafizin'i Spiderman, mpihazakazaka avy ao an-toerana. Mikatona ihany koa mandritra ny fihibohana ilay toerana ahafahan'ny daholobe mitazana azy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.