- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Costa Rica : Fampirantiana seza, afisy, jiro

Sokajy: Amerika Latina, Arzantina, Costa Rica, Mediam-bahoaka, Zavakanto & Kolontsaina

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Jona 2009)

Angona seza, afisy sy jiro marobe mahafinaritra no naranty tamin'ny Jona 2009 tao amin'ny  Tranombakoky ny Zavakanto Maoderina sy ny Famoronana Endrika [ amin'ny fiteny espaniôla] [1] ao   San José, Costa Rica. Hita tao anatin'ireo zavakanto espaniôla niisa 300 ireo ny asan'ireo anarana goavan'ny tantaran'ny zavakanto eorôpeàna, niaraka tamin'ny asan'ireo artista espaniôla nisy ny sonian'i Picasso, Gaudí, Miró, Dalí, Tusquets, Mariscal, Moneo sy Hayón, ankoatra ireo maro hafa. Nahasarika ny sain'ireo bilaogera tao Costa Rica ity fampirantiana mifindrafindra toerana ity, nomena anarana hoe  “Famoronana 300% Espaniôla”.

Tao amin'ny bilaoginy Arquitecturas [esp.] momba ny taotrano i Dario Alvarez dia niteny momba ilay fampirantiana [2]:

España exporta su valor artístico en decoración. Las piezas más selectas y representativas del diseño español de los últimos 100 años se exhiben en Costa Rica cuando la muestra ‘300% Spanish Design’ abra sus puertas en el Museo de Arte y Diseño Contemporáneo (MADC) de este país.

Manondrana ny talenta artistikany amin'ny resaka fanaingoana i Espaina. Ireo asa tena miavaka ary tena faran'izay tsara kalitao amin'ny fanomezana endrika espaniôla tato anatin'ny zato taona farany no aranty ao Costa-Rica, ao amin'ny fampirantiana  ‘Famoronana 300% Espaniôla’ atao ao amin'ny Museum of Art and Contemporary Design (MADC).

Jose Pablo sy Manuel avy ao amin'ny bilaogy Sorry Zorrito indray liana fatratra hahalala ny momba ity fampirantiana ity [3]:

¿Por qué sillas, lámparas y carteles?

Debe de ser muy difícil exponer el arte y el diseño de un país tan rico en ambos campos utilizando solo 3 objetos, es por eso que esta exposición decide tratar con elementos cotidianos y humildes que ayudan a las personas día a día con sus quehaceres. Según Juli Capella son objetos que logran reivindicarse con un uso humanista y social del diseño al servicio de la persona.

Nahoana no seza, jiro sy afisy?

Tena sarotra be mihitsy angamba ny hamoaka ny zavakanto sy ny famoronana endrika ananan'ny firenena iray tena manankarena amin'ireo sehatra roa ireo raha toa ka ireo zavatra telo ireo monja no ampiasaina. Nosafidian'ilay fampirantiana ny hampiseho ireo zavatra ampiasaina amin'ny fiainana andavanandro. Ho an'i Juli Capella (mpiandraikitra ao amin'ilay fampirantiana), afaka mitaky ny hampifanarahana ny fampiasàna ny fanomezana endrika (design) hifanaraka amin'ny maha-olona sy ny ara-tsosialy ireo zavatra ireo, ho an'ny isambatan'olona.

Io fampirantiana mandehandeha io dia efa nandalo tao Saitama, Lisbonne, Athènes, Shanghai, Pékin, Fortaleza, Sao Paulo sy Bogotá. Ary ny volana Aogositra 2009 dia tao Meksika izy.

Tao Costa Rica, naranty tany amin'ireo efitranona tranombakoka rehetra izy hatramin'ny 12 Jolay. Ny iray tamin'ireo mpanohana ara-bola, ny Orinasam-panjakana ho an'ny hetsika ara-kolontsaina any ivelany [4] (SEACEX, fanafohezana avy amin'ny teny espaniôla) dia manolotra fitsidihana virtoaly  [5]miaraka amina sary sy fampahafantarana ireo entana rehetra. Fanampin'izay, azo arahana ihany koa ao amin'ny Twitter [6] ilay tranombakoka.