- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tampon-tendrombohitra rava ao amin'ilay toerana fitrandrahana vatosoa (jade) ao Myanmar, nefa feno fianakaviana monina ihany na dia mampidi-doza aza

Sokajy: Azia Atsinanana, Myanmar (Birmania), Fampandrosoana, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna, Tontolo_iainana
[1]

Fianakaviana am-polony no mbola monina eo ampototr'ilay toerana nisy fihotsahana nahafaty olona maro tamin'ny volana lasa, ao amin'ilay faritra fitrandrahana ‘jade’ ao Hpakant, fanjakan'i Kachin. Sary an'i Zaw Zaw / The Irrawaddy

Ity lahatsoratra [1] nosoratan'i Nan Lwin Hnin Pwint sy Zaw Zaw ity dia avy amin'ny The Irrawaddy, tranonkalam-baovao tsy miankina ao Myanmar, navoaka sy naverina nokirain'i Global Voices ho ampahany amin'ny fifanarahana mifampizara votoaty.

Taorian'ilay fihotsahana tany [2] nahafaty mpitrandraka 200 teo ho eo tao amin'ny toerana fitrandrahana vatosoa (jade) ao Hpakant, fanjakana Kachin, tamin'ny volana lasa, dia namoaka fampitandremana ireo manampahefana ao an-toerana ho an'ireo tokantrano rehetra manakaiky ilay toerana fitrandrahana nihotsaka, nanentana azy ireo hihisaka haingana araka izay azony atao.

Saingy nisy tokantrano 77 nanao zinona ilay fampitandremana ary nijanona teo amin'ilay faritra. Izy ireo no manome ny vohitra atao hoe Hka Kyan, izay miteronterona eo an-tampon'ilay tehezan-tendrombohitra nitrangan'ilay fihotsahana tamin'ny 2 Jolay, eo akaikin'ilay toerana fitrandrahana vatosoa fahiny ao amin'ny vohitr'i Waikhar ao Hpakant.

Araka ny voalazan'ireo nanatri-maso, bongan-tany manana haavo efa ho 30 metatra no nidoboka ao anatin'ny farihy iray niforona eo ambany eo avy amin'ireo rano nameno loaka be iray efa tsy nampiasaina intsony. Onja vaventy iray naterak'ilay fihotsahana no nitety ireo tehezan-tendrombohitra teo amin'ny manodidina, nifaoka ireo mpitrandraka tsy ara-dalàna niasa teny. Tany aloha, dia nanatri-maso ny sasany tamin'ireny fihotsahana ireny ny The Irrawaddy, tao amin'ilay toerana fitrandrahana ‘jade’ izay vokatr'ilay fihotsahana tany am-boalohany.

Folo taona lasa izay, faritra rakotra havoana sy hazo i Hka Kyan sy ny manodidina azy. Saingy ankehitriny, miboridana tsy misy hazo ilay faritra ary toy ireny faritra eny amin'ny volana ireny miaraka amin'ireo tehezany miboridana mahatratra 300 metatra.

[1]

Na eo aza ny loza mety hitranga ateraky ny fihotsahana bebe kokoa, mbola maro ireo mponina no monina ao amin'ilay faritra fitrandrahana ‘jade’ ao Hpakant, fanjakana Kachin. Sary an'i Zaw Zaw / The Irrawaddy.

Nanao fanadihadiana iray taorian'ilay loza mahatsiravina, ireo manampahefana mitantana amin'ny ankapobeny ny tananan'i Hpakant  ary nangataka tamin'ireo tokantrano 77 ao Hka Kyan mba hihataka haingana araka izay azo atao, tamin'ny fampitandremana hoe mety ho ravan'ny fihotsahan'ny tany ny tranon-dry zareo.

Hatreo dia miaina anaty horohoro sy tebiteby ireo mponina taorian'ny namoizan-dry zareo ireo 200 mpiray vodirindrina taminy tao anatin'ny alina iray monja. Nambaran-dry zareo tamin'ny The Irrawaddy fa mandry tsy lavo loha ry zareo, matahotra sao ho voafaoka anaty fihotsahan'ny tany raha avy ny orana amin'ny alina.

Na izany aza, tsy vitan-dry zareo ny hifindra any aminà toerana hafa na hividy trano vaovao any an-kafa. Antenain-dry zareo mba handray andraikitra ny fanjakana sy ireo orinasa mpitrandraka ka hamindra toerana azy ireo ara-potoana.

[1]

Nilaza ireo mponina ao amin'ny toerana fitrandrahana ‘jade’ ao Hpakant, fanjakana KAchin, fa tsy vitan-dry zareo ny hifindra toerana na eo aza ny loza mahatsiravina nateraky ny fihotsahan'ny tany tao amin'ny vondrompiarahamonina misy azy tamin'ny Jolay lasa teo. Sary an'i Zaw Zaw / The Irrawaddy.

[1]

Ny asa fitrandrahana ‘jade’ nanova an'i Hka Kyan sy ny manodidina azy, izay fahiny dia faritra rakotra ala. Sary an'i Zaw Zaw / The Irrawaddy.

[1]

Namoizana mpitrandraka niisa 200 tao an-toerana ilay loza mahatsiravin'ny fihotsahan'ny tany tamin'ny Jolay. Sary an'i Zaw Zaw / The Irrawaddy