- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fantaro ireo artista manao amboradara ny hetsika Belarus

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Belarosia, Fanampenam-bava, Fanoherana, Fifidianana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Tantara, Vaovao Mafana, Zavakanto & Kolontsaina, Zon'olombelona

Fifanandrinana ifanaovan'ny polisy misahana ny rotaka sy ny mpanao fihetsiketsehana, vita amboradara avy amin'ny endrika nentim-paharazana Belarosiana nataon'i Rufina Bazlova. Sary (c): Rufina Bazlova, nahazoana alalana.

Amin'ny tsipalotra voalohany, toa tsy misy voambolana roa mifanalavita tahaka ny amboardara sy ny hetsi-panoherana. Saingy ao Belarus, izay ifandrafian'ny fanoherana amin'ny fihazonan'i Alexander Lukashenka ny fahefana taorian'ny fifidianana ho filoham-pirenena tamin'ny 9 aogositra, tsy hoe miely amin'ny media sosialy ihany ny revolisiona — fa atao amboradara ihany koa.

Ny vokatra ofisialy tamin'izany fifidianana ho filoham-pirenena izany, izay nambara tamin'ny 10 aogositra, dia nanome an'i Lukashenka mihoatra ny 80 isanjato amin'ny latsabato [1], raha latsaka ny 10 isanjato kosa no azon'i  Sviatlana Tsikhanouskaya [2] mpitarika ny fanoherana voarafitra indray. Tsy neken'i Tsikhanouskaya [3], izay mihiaka fisian'ny halabato bevata, nanonona ny fanarahamaso mahaleotena nataon'ny mpikatroka, izany voka-pifidianana izany ary notakiana ny hanaovana fifampidinihana ofisialy tamin'i Lukashenka. Saingy efa vita ny fifidianana ho an'ny governemanta ao Minsk, ary tsy ilaina intsony ny fifampiresahana. Ankoatra izany, notapahana manerana ny firenena ny aterineto hatramin'ny 9 aogositra. Midika izany fa sahitana ny ankamaroan'ny Belarosiana vao mahita ny fandehan'ny fihetsiketseham-panoherana manerana ny firenena amin'izao fotoana, izay ampiasan'ny polisy herisetra amin'ny mpanao fihetsiketsehana. Mihoatra ny 5 000 no nosamborina ary voalaza fa iray no maty [4].

Hatramin'ny nahatongavan'i Lukashenka teo amin'ny fahefana tamin'ny taona 1994, tsy mbola nanatontosa fifidianana malalaka sy ara-drariny velively ity firenena Eoropeana tatsinanana manakaiky ny 10 tapitrisa ity. Na dia nahavory olona maro dia maro aza ireny fihetsiketseham-panoherana ireny tao anatin'ny taona vitsivitsy, niteraka setriny mitovitovy hatrany ny fifidianana teo aloha tao Belarus, narahan'ny famoretana sy ny fisamborana faobe. Voafafa ao amin'ny tsikalakalam-pieritreretam-bahoaka vokatr'izany izay soritra fihetsiketsehana ao amin'ny tsiaro ara-tantara.

Amboradaran'i Rufina Bazlova manoritsoritra fiaraben'ny polisy sy vondron'olona mpanao fihetsiketsehana. Saripika (c): Rufina Bazlova, nahazoana alalana.

Izany no nahatonga ny artista Belarosiana iray nanapa-kevitra handrakitra ho mandrakizay ny fihetsiketseam-panoherana Aogositra 2020 amin'ny alalan'ny amboradara. Nianatra zavakanto tao amin'ny Repoblika Tsheky i Rufina Bazlova, izay monina ao Prague, ary nifidy fomba fiteny manokana akaikin'ny fon'ny Belarosiana maro: amboradara mena ambony lamba fotsy. Nandritra ny taona maro taorian'ny fahaleovantena, ao anaty vakoka belarosiana lehibe ny amboradara, nampiasaina hampahafantarana ny firenena amin'ny dokam-pizahantany.

Saingy manana loko politika ihany koa izy io. Nandritra ny fahaleovantena Belarus taorian'ny nirodanan'ny Ampira Rosiana, nampiasain-dry zareo ny saina fotsy sy mena ho fanevan-dry zareo. Mampitamberina any amin'ny Firaisambe Poloney-Lithoanianina izay nikambanan'i Belarus izany, saingy fotoana fohy monja no nahaveloman'io: voatelina tao anatin'ny Firaisambe Sovietika indray ny fanjakana tamin'ny taona 1919. Hany ka rehefa rava ny Firaisambe Sovietika tamin'ny taona 1991, dia io indray no lasa sain'ny fahaleovantena Belarus ary nametraka ny mari-panondroana Belarosiana miavaka amin'i Rosia. Saingy tamin'ny taona 1995, namerina ny saina mena sy maitso tamin'ny andron'i Belarus Sovietka indray i Lukashenka (na dia tsy nisy maritoa sy antsimbilona intsony aza izany), avy amin'izany no mahatonga ny saina mena sy fotsy ho sariohatra fifaharana manoloana ny fitondrana ao aminy.

Mitohy mandraka androany io sariohatra io. Matetika izy io no hita amin'ny fihetsiketseham-panoherana misy amin'izao fotoana, izay ampiasana azy ho sariohatra fanoherana ny fitondrana amin'izao fotoana, hoy ny fanazavan'i Max Ščur, mpanoratra iray amin'ny fiteny Belarosiana sady mpikatroka monina ao Prague, renivohitra Tsheky:

What we are witnessing now in Minsk and Belarus is a democratic revolution, civic society is being born. Belarusian cultural identity is complicated, but right now it's all about democratic values and an active anti-regime position. It's a “civic”, not “ethnic” model of society in progress

Ny zavatra hitantsika ao Minsk sy Belarus amin'izao fotoana izao dia revolisiona demaokratika, eo am-pahaterahana ny fikambanana sivika. Mifaningotsingotra ny mari-panondroana ara-kolontsaina belarosiana, saingy ny amin'izao fotoana izao dia resaka soatoavina demaokratika sy fahavitrihana manohitra ny fitondrana avokoa aloha. Maodely “sivika” io fa tsy “ethnika” amin'ny fiarahamonina andalam-pivoarana io.

Mitovy hevitra amin'izany i Ales Plotka, mpihira sady mpikatroka sivika avy ao Belarus fa monina ao Prague ihany koa. Nolazainy anefa fa somary manahirana ihany ny satan'ilay saina:

The white-red-white flag is a common symbol of resistance against this unfair government. It was associated with the traditional opposition in the past, and demonised by Lukashenko ideologists, but is now used country-wide by all sorts of people. There is no official ban on it, as it is really a historical flag, known for over seven centuries. Sometimes people carrying it are attacked, usually by the police. During events celebrating the anniversary of the independent Belarusan Democratic Republic [1918-1919], it was widely used, and people leaving the area were temporarily arrested for carrying it. But today, the more it is used and recognised, the less often people carrying it are attacked.

Sariohatra fifaharana anoherana ity governemanta tsy ara-drariny ity ny saina fotsy sy mena. Nampiarahana tamin'ny fanoherana izy io taloha, ary noharatsiratsian'ny mpiray fotokevitra amin'i Lukashenko, saingy ampiasain'ny karazan'olona rehetra manerana ny firenena izy amin'izao fotoana izao. Tsy misy ny fandraràna ofisialy azy io, satria tena saina mana-tantara izy io, fantatra mihoatra ny taonjato fito. Matetika izay olona mitondra azy io dia tafihan'ny polisy hatrany. Be ny nampiasa azy tamin'ny fankalazana ny tsingerintaonan'ny fahaleovantena repoblika demaokratika belarosiana [1918-1919], ary nosamborina vonjimaika izay olona nitondra azy ka nivoaka ny toerana. Saingy amin'izao fotoana izao, mihabetsaka ny olona mampiasa sy mankatoa azy, ary mihavitsy olona olona voatafika tamin'ny fitondrana azy.

Avy amin'izany no mahatonga ny asan'i Bazlova ho manana herin-tsariohatra politika manana hery. Hita ao amin'ny safidiny hanao amboradara izany, toy ny nataon'ny DJ roa izay nisovoka tao amin'ny lanonana pro-Lukashenka iray tamin'ny filalaovana tampoka ny hiran'ilay mpihira rock sovietika farany antsoina hoe Viktor Tsoi [6] amin'ny filàna fiovana, izay lasa karazana hira faneva ampiasain'ny mpanohitra hamoriam-bahoaka anoherana an'i Lukashenka.

Amboradara ho fanomezam-boninahitra an'i Kirill Halanov sy i Vladislav Sokolovsky, DJ Belarosiana roa nilalao ny hira fanevan'ny fanoheran'i Viktor Tsoi mitondra ny lohateny hoe “Peremen” tao amin'ny lanonana pro-Lukashenka iray. Saripika (c): Rufina Bazlova. Nahazoana alalana.

Nilaza izay nampazoto azy tamin'ny asany i Bazlova, Belarosiana saingy monina ao amin'ny Repoblika Tsheky hatramin'ny taona 2008:

Je to jednoduché – reaguji na to, co se děje v Bělorusku. Vycházím přímo z toho, co vidím ve správach a síti telegram. Běloruský ornament je v nějakém smyslu zakódovaná historie národa. Navíc červená barva na bílém lnu je symbolem života. Jak možná víte, původní vlajka Běloruské Lidové republiky vzniklé v r. 1918 měla červený pruh na bílém pozadí. Lukašenko z nějakého důvodu se nevrátil ke kořenům a rozhodl se pro novou variantu – současnou oficiální červeno-zelenou vlajku, která však taky má na sobě tradiční běloruský ornament.

12 taona no niainako teto amin'ny Repoblika Tsheky, nifindra teto aho hianatra tamin'ny taona 2008, nianatra fandravahana tao Plzen sy fanoritan-tsehatra (scenography) tao Prague. Tena tsotra: maneho hevitra amin'izay mitranga any Belarus aho. Nanana aingam-panahy mivantana avy amin'izay hitako amin'ny vaovao sy amin'ny fantsona Telegram. Karazana kaody ny fandravahana Belarosiana ho an'ny tantaram-pirenenay. Ara-tarazo, sariohatra fiainana ny loko mena ambonin'ny lamba. Mety ho fantatrao angamba, manana tsipika mena ambonin'ny tokotany fotsy ny saina orizinalin'ny sainan'ny Repoblika Demaokratikan'i Belarus tamin'ny taona 1918. Tsy niverina tamin'ny saina orizinaly noho ny antony samihafa i Lukashenka ary nanapa-kevitra ny hiaraka amin'ilay endrika vaovao: saina mena sy maitso izay nampiditra fandravahana ara-tarazo koa eo ankilany.

Amboradara nataon'i Rufina Bazlova manoritsoritra ny fihetsiketseham-panoherana ho fanohanana ireo mpanao fihetsiketsehana ao Prague, 9 Aogositra. Saripika (c): Rufina Bazlova, nahazoana alalana

Nohazavainy ihany koa ny fanabàrany ny tantara an-tsary amin'ny amboradara ho amin'ny endrika zavakanto maneho hevitra:

To není moje první práce s vyprávěním příběhu prostřednictvím výšivek. Již před několika lety jsem vyšívala komiks Ženokol. Přestože taky pracuji v jiných technikách letošní národní probuzení si naprosto vyžádalo techniku lidové výšivky. Události posledních měsíců je naše velká historie, Bělorusko se změnilo, probudilo se, přicházejí velké změny které musí být zapsané do vyšívkového kódu! Mám v plánu vytvořit rozsáhlejší komiks o letošních volbach. Ale není to nejrzchlejší technika, takže to ještě nějakou dobu potrvá.

Tsy ity no asako voalohany izay mifantoka amin'ny filazana ny eritreritra mitantara amin'ny alalan'ny amboradara. Taona vitsivitsy lasa aho izay nanao amboradara ny tantara an-tsary iray antsoina hoe Ženokol. Na dia mampiasa teknika artistika isankarazany aza aho, dia mitaky ny teknikam-pirenena amin'ny amboradara fotsiny izao ny fifohazam-pirenena tamin'ity taona ity. Maneho sombiny amin'ny tantaranay mahafinaritra ny zava-nitranga tao anatin'ny volana vitsivitsy, niova i Belarus, niarina, ho avy ni fiovana lehibe izay tsy maintsy hosoratana amin'ny kaodin'ny amboradara! Mikasa aho ny hanangana tantara antsary lavalava momba ny fifidianana [filoham-pirenena] tamin'ity taona ity. Saingy tsy ity no teknika haingana indrindra, ka tsy maintsy mandany fotoana kely.

Ny amboradaran'i Rufina Bazlova dia mety ho hita ihany koa ao amin'ny Instagram [7]