- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Spiderman manao sarontava sady mamalifaly ny ambanivohitr'i Melbourne anaty fihibohana

Sokajy: Oseania, Aostralia, Mediam-bahoaka, Saripika, Tsidika, Vaovao Tsara, COVID-19
Spiderman jogging in East St Kilda [1]

Spiderman manao hazakazaka any St Kilda Atsinanana, distrikan'i Melbourne. Saripikan'i Asher Wolf, nahazoana alalana

Tena mahafinaritra ny mahita tara-masoandro ao Melbourne rehefa niaina tao anatin'ny ririnina nihiboka noho ny COVID-19 nandritra ny enim-bolana. Toa nitondra izany tokoa i Spiderman tato ho ato nandritra ny valanaretina coronavirus.

St Kilda dia faritra ambanivohitra amoron-dranomasina ary matetika ahitana mpitsangatsangana mibaby kitapo sy mpitsidika hafa avy amin'izao tontolo izao. Nandray anjara betsaka [2] tamin'ny fiainan'ny mpanoratra ny toerana, indrindra noho ny klioba Ligin'ny Football Aostraliana izay nanomboka tao.

Tsy ampoizina ny toerana ahitantsika ny maherifontsika satria vitsy ny trano be mijoalajoala. Izay angamba no nahatonga an'i Spiderman nanao hazakazaka. Ny zanakalahin'i Jack Latimore ao an-toerana no tsara vintana nahita azy tsy vao indray mandeha:

Misaotra an'ilay lehilahy manao hazakazaka manodidina an'i St Kilda miaraka amin'ny akanjo SpiderMan. Nampifalifaly ny tontolo andron'ny zanako efa intelo izao ianao. Niantsoantso azy ny zanako androany: SpiderMan! Misy olana angaha ?!

Mponina iray hafa, mpikatroka Asher Wolf, malaza ao amin'ny tambajotra sosialy. Avy amin'ny iray amin'ireo siokany tamin'ny volana Jona 2020 ny sary etsy ambonin'ity lahatsoratra ity. Nalaina tao amin'ny Lalana Carlisle, Balaclava, any St Kilda Atsinanana. Namaly ny siokan'i Jack izy ary nilaza ihany koa fa nihaona taminy talohan'ny tsy fahazoana mivezivezy amin'ny 8 ora alina:

Ho fahatsiarovana, nifanena indray mandeha tamin'i Spiderman aho teny an-dalana tamin'ny 2 ora maraina

Izaho: “fa maninona?”
Izy: “satria mila mino ny olona fa misy zavatra tsara eto amin'izao tontolo izao

Efa nitondra sarontava i Spiderman talohan'ny tsy maintsy nitondrana izany rehefa mivoaka any ivelan'ny trano. Tsy nahalala izy fa afaka tsy manao sarontava rehefa manao hazakazaka sy mitaingina bisikileta mandritra ny adiny iray farafaha-betsany isan'andro ao anatin'ny dimy kilometatra miala ny tranonao .

Nandefa ity sary ity miaraka amin'ny seranan'i St Kilda tazana aoriana ny herinandro mialoha an'izay ilay mpaka sary Leigh Henningham:

Spiderman mitondra sarontava eny amorondranomasin'i St Kilda androany. Sary avy amin'i Leigh Henningha.

Gaga i Jack Begbie fa mitandrina fatratra izy:

Andraso aloha, sarontava roa ve no hanaovany ?

Nandritra izany fotoana izany, nizara ity sarin'i Luna Park [22] tena tiako ity ao St Kilda i Bridget Hanna ao amin'ny Mozea Victoria:

Apetaho ny sarontava ry Melbourne !

Navoakan'i @CapturingMelbourne herinandro talohan'izay tao amin'ny Instagram ity sary modely ity:

View this post on Instagram

Heya folks! ? Time for an appreciation post. This little mock up is dedicated to all of the healthcare workers – not only in Australia, but around the world – that are tirelessly working day and night to stop the spread. Using Melbourne’s iconic Luna Park (abiding by Melbourne’s recent mandatory mask rules ?), I thought this was a great opportunity to echo this message through our online community. During such unprecedented times, mask up, and continue to follow the rules. Do it for your community, your healthcare workers, and your fellow Australian. Spread this image far and wide! Let’s stand together against COVID-19 ???? [28]

A post shared by Capturing Melbourne [29] (@capturingmelbourne) on

Salama daholo! ? Fotoana izao handefasana hafatra fisaorana. Natokana ho an'ny mpiasan'ny fahasalamana rehetra, tsy ao Aostralia ihany fa manerana izao tontolo izao ity sary modely ity, izay miasa mafy andro aman'alina mba hampitsaharana ny fiparitahan'ny coronavirus. Tamin'ny fampiasana ny toerana malaza ao Melbourne Luna Park (manaraka ny fitsipika vao haingana ao Melbourne izay tsy maintsy hitondrana sarontava), heveriko fa fotoana iray lehibe izany ahafahana manaparitaka ity hafatra ity amin'ny alàlan'ny vondrom-piarahamonina an-tserasera. Mandritra izany fotoana izany izay tsy mbola nisy toa azy teo aloha dia apetaho ny sarontava ary araho ny fitsipika. Ataovy izany ho an'ny vondrom-piarahamonina misy anao, ny mpiasan'ny fahasalamanao ary ny Aostraliana namanao. Aparitaho hatraiza hatraiza ity sary ity! Andao hiara-hiady amin'ny COVID-19 !

Nahazo sary ny morontsirak'i St Kilda sy ny fiantsonan-tsambo tamin'ny fotoana tsara indrindra i Serge Thomann, mpanolo-tsainan'ny tanàndehibe tao Port Phillip teo aloha:

View this post on Instagram

No comments needed. Life in lockdown, one hour walk a day. So great to live in a beautiful village. #stkilda #stkildabeach #sunset [30]

A post shared by Serge Thomann [31] (@sergethomann) on

Tsy ilaina fanehoan-kevitra. Fiainana anaty fihibohana, manao dia an-tongotra adiny iray isan'andro. Tena tsara ny miaina ao anaty tanànakely mahafinaritra.

Nanatevin-daharana ireo izay niezaka nankahery ny olona ny Foibe Aostraliana ho an'ny Zavakanto Maoderina (ACCA):

FILAZANA: ‘Never alone’ (Tsy irery ianao), avy amin'i Kent Morris, tetikasa vaovao azo jerena hatramin'ny 30 Aogositra. Vakio bebe kokoa eto: https://t.co/cOgrMGA197 [32] pic.twitter.com/b4EEDQzGUs [33]

Araka ny tranonkalan'izy [35] ireo :

We are honoured to present Kent Morris’ Never alone, which reflects his interest in countering the lack of Indigenous cultural representation in the built environment.”

The work’s location, on a busy St Kilda intersection, is positioned halfway between the Ngargee Tree or Corroboree Tree, near St Kilda Junction and Cleve Gardens – two significant gathering places for First Nations people.

Faly izahay manolotra ny Never alone an'i Kent Morris, izay maneho ny fahalianany amin'ny fanoherana ny tsy fahitana ny fanehoana ny kolontsainan'ny indizeny amin'ny tontolo naorina. ”

Ny toerana hiasana izay eo amin'ny fihaonan-dalana St Kilda be mifamezivezy dia eo amin'ny lalana manelanelana ny hazo Ngargee na ny hazo Corroboree, akaikin'ny St Kilda Junction sy Cleve Gardens – toerana roa lehibe fihaonana ho an'ny vahoakan'ny Firenena Voalohany.

Farany, lahatsary ho an'ny ankizy avy amin'ny fantsona YouTube Kids Fun Toys:

Fisaorana manokana ho an'ny vondrona Facebook Friends of St Kilda (yoūruk) [36] noho ny hevitra sy sary maro.