- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Netflix, nampidita ilay sarimihetsika lavabe angoley voalohany

Sokajy: Angola, Mediam-bahoaka, Sarimihetsika, Vaovao Tsara
[1]

Dokambarotra Netflix [2] ho an'ilay sarimihetsika Santana, ho alefa voalohany amin'ny 28 Aogositra.

Manomboka amin'ny 28 Aogositra, hisy vokatra angoley hiditra voalohany ao anatin'ny katalaogin'ny Netflix. Tsy inona izany fa ilay sarimihetsika lavabe “Dias Santana”, niarahana nanatontosa tamin'i Afrika Atsimo.

Araka ny nambaran'ny vavahadin-tserasera Observador [7] dia ny Giant Sables Media ao Angola sy ny Zen HQ Films ao Afrika Atsimo no namokatra ilay sarimihetsika .

Ilay sarimihetsika, nalefa nandritra ny Fetibe Cannes [8] tamin'ny 2015, dia mitantara ny tantaran'ireo mpirahalahy, jeneraly ny iray, ary pôlisy ny iray, izay nahavita namantatra ny mombamomba ireo namono ny ray aman-drenin-dry zareo, efa taompolo maro tany aloha tany.

Navoakan'ilay Angoley mpamokatra io sarimihetsika io, Jeremias Didalewa, tao amin'ny momba azy ao amin'ny Instagram  [9]ny fisaorana tamin'ny nahavitàna fifanarahana tamin'ilay sehatra (Netflix):

“Malta”, namana sy mpiray tanindrazana. Nahavita fifanarahana tamin'ny Netflix isika. Ho hitantsika ao amin'ny Netflix ilay sarimihetsika angoley voalohany “DIAS SANTANA” .

Sarimihetsika iray izay 80% tamin'ny famokarana dia angoley, ary 20% dia afrikàna tatsimo. Tantaran'ny fianakaviana angoley iray, izay nanomboka tao Angôlà ary nifarana tany Afrika Atsimo, ahitàna mpilalao avy ao amin'ny firenena sy avy any ivelany.

Iray volana taorian'ny nahavitan'ilay sarimihetsika voalohany [10] avy ao Môzambika nisoratra tao anatin'ny katalaogin'ny Netflix ihany koa, tonga ny fanombohan'ny sarimihetsika angoley.