- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Pakistan: Maty voatifitra tao amin'ny efitrano fitsarana ny lehilahy iray voampanga ho manevateva an'Andriamanitra. Noderaina ho maherifo ilay namono azy

Sokajy: Azia Atsimo, Pakistana, Fahalalahàna miteny, Fampandrosoana, Fitantanam-pitondrana, Fivavahana, Foko sy Fiaviana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona
Photo by Donald Tong from Pexels. Used under a Pexels License. [1]

Sary avy amin'i Donald Tong [1]/Pexels. Nampiasana Lisansa Pexels [2].

Lehilahy iray 57 taona no maty voatifitra [3] tao amin'ny efitrano fitsarana Peshawar rehefa notsaraina noho ny fanevatevana ny 29 Jolay. Nosamborina avy hatrany ilay mpamono, 24 taona – tsy fantatra mazava hoe ahoana no fomba nahatafidirany tao amin'ny fitsarana niaraka tamin'ny fitaovam-piadiana.

Teratany Pakistaney-Amerikana [4] i Tahir Ahmad Naseem izay namoaka horonantsary an-tserasera milaza fa karazana mpaminany izy. Tamin'ny taona 2018, nosamborin'ny polisy tao Peshawar [5] izy ary voampanga tamin'ny fanevatevana maro taorian'ny nametrahan'ny mpianatra madrassa fitoriana azy.

Nasehon'ny mpianatra tamin'ny manampahefana ny resaka an-tserasera miafina izay nitenenan'i Naseem fa mpaminany Islamo izy, izay manitsakitsaka ireo lalàna Pakistaney amin'ny fanevatevana [6].

Mino ny Miozolomana fa Mpaminany Muhammad [7] no irak'Andriamanitra farany ary heloka amin'ny finoana ny filazana rehetra aty aoriana momba ny faminaniana.

Niatrika [9] ny fanamelohana ho faty i Naseem tamin'ny fitsarana noho ny “fandotoana ny Anara-masin'ny Mpaminany Muhammad”.

Nilaza ilay mpisera Twitter @bohutkhoob:

Voatifitra androany tao amin'ny fitsarana i Tahir Ahmad Naseem. Zatovo iray no niampanga azy tamin'ny fanevatevana 2 taona lasa izay, nitatitra ny resaka nifanaovan'izy ireo tao anaty sehatra an-tserasera ary avy eo nitory azy tany amin'ny polisy any an-toerana.

Fotoana fohy taorian'io tranga io, namoaka ny findainy, naka sary sy lahatsarin'ilay niharam-boina ireo olona tao amin'ny efitrano fitsarana. Niely tamin'ny tambajotra sosialy Pakistaney ny lahatsary [11] iray mampiseho ny vatamangatsiakan'i Tahir mandry eo amin'ny dabilio. Mampiseho ilay mpamono tao amin'ny paositry ny polisy ny lahatsary [12] iray niparitaka be hafa izay nilazan'ity farany fa niseho tamin'ny nofiny ny Mpaminany Muhammad ary niteny taminy hamono an'i Naseem.

Nizara ny sarin'i Tahir nitsirara maty tao anaty efitrano fitsarana taorian'ny nitifirana azy ilay mpanao gazety Naila Inayat:

Lehilahy niatrika fitsarana noho ny fanevatevana voatifitra tao anaty efitrano fitsarana tao Peshawar. Nilaza ilay mpitifitra fa ‘niaro ny finoana Islamo’ no antony namonoany ilay voampanga. Voampanga tamin'ny taona 2018 i Tahir Ahmed noho ny filazany ny tenany ho mpaminany. Nilaza tamin'ny fitsarana izy fa tratry ny aretina ara-tsaina ary tsy fantany ny vokatr'izany.

Tamin'ny voalohany, nilaza ny olona sasany fa mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonina Ahmadiyya [16] i Naseem, izay niatrika fanenjehana sy fanentanana fankahalana hatramin'ny Fanitsiana ny Lalàmpanorenana izay nanambara fa tsy Miozolomana ny mpikambana ao aminy tamin'ny taona 1974. Nisioka ny mpitondra tenin'ny vondrom-piarahamonina Ahmadiyya fa efa an-taonany maro izay i Naseem no niala tao amin'io vondrona io:

Tranga mampalahelo androany izay nahitana ny lehilahy iray maty voatifitra teo anoloan'ny mpitsara tany Peshawar. Nolazaina fa Ahmadi izy, izay tsy marina. Teraka Ahmadi izy fa nandao ny vondrom-piarahamonina taona maro lasa izay.

Tamin'ny 31 Jolay, olona an'arivony no nanao fihetsiketsehana tao Peshawar [18] ho fanohanana ilay namono. Nilanja sora-baventy izy ireo nidera ilay fihetsika ary nangataka ny famotsorana azy tao am-ponja, ary nilaza izy ireo fa “ela loatra ny governemanta” amin'ny fanenjehana ireo raharaha fanevatevana.

Nisioka horonantsary momba ilay fihetsiketsehana natao ho fanohanana ilay mpamono i Ihsan Tipu, mpanao gazety manao tatitra ao amin'ny faritanin'i Khyber Pakhtunkhwa ho an'ny The New York Times:

An'arivony no nanao fihetsiketsehana tamin'ny zoma tao Peshawar haneho firaisankina amin'ny lehilahy iray izay namono an'i Tahir Ahmad Naseem, teratany Amerikana, voampanga ho niteny ratsy tao anaty efitrano fitsarana tao Peshawar.

Nidera ampahibemaso ilay mpamono ireo olo-malaza Pakistaney toa ny mpilalao sarimihetsika Shahroz Sabzwari [21] ary nalaza be ihany koa ny tenirohy tamin'ny fanohanana azy. Nisioka ho fanohanan'i Khalid ny mpitondra ambony ao amin'ny Jamiat Ulama-e-Islam – Fazl (JUI-F) [22], Mufti Kifayatullah:

Ity no voalohany nahitantsika ny rariny teo amin'ny tribonaly tamin'ny tantaran'ny firenena.

​​Naka sary selfie niaraka taminy ireo mpisolovava sy ireo polisy rehefa nentina tany am-ponja ilay namono.

Nisioka i Ihsan Tipu:

Naka selfie niaraka tamin'i Faisal na Khalid izay namono an'i Tahir Ahmad Naseem tao amin'ny efitrano fitsarana tamin'ny herinandro teo noho ny fiampangana fanevatevana ny andiana polisy tao Peshawar.

Mampiseho ny halalin'ny olana momba ny fanevatevana ao Pakistan izany: ny pejy Facebook an'ity olo-malaza ao amin'ny sampan'ny antoko mpitondra ao amin'ny firenena ao amin'ny faritany Sindh ity dia nanova ny sariny tao amin'ny pejy ho sarin'ilay mpamono izay nitifitra ilay olona voalaza fa nanevateva tao amin'ny fitsarana tany Peshawar androany

Tsy vao sambany no nitranga tany Pakistan ny tranga tahaka ity. Tamin'ny 4 Janoary 2011, maty voatifitry ny iray tamin'ny mpiambina azy ny governoran'i Punjab Salman Taseer [29] tao Islamabad taorian'ny nanehoany ny fomba fijeriny miiba momba ny lalànan'ny fanevatevana [30].

Na dia mbola tsy nisy aza ny olona novonoina tamin'ny fomba ofisialy teo ambanin'ny lalànan'ny fanevatevana [31] tao Pakistan dia fara fahakeliny, olona miisa 77 no novonoina tsy nandalo fitsarana hatramin'ny taona 1990 nifandraika tamin'ireo fiampangana ireo, araka ny tarehimarika nomen'ny Al Jazeera [9]. Hatramin'ny taona 1987, olona maherin'ny 1.500 no voampanga [11] tamin'ny fanevatevana tao Pakistan, hoy [32] ny New York Times.

Ao amin'ny fiarahamonina misara-bazana ao Pakistan, ekena ny fomba fijerin'ny ekstremista toy izany, raha tsy milaza ny heviny kosa ireo tsy miombon-kevitra noho ny tahotra fandrahonana, indrindra amin'ny aterineto.

Mbola maro anefa no nanameloka ampahibemaso ilay famonoana:

Mpanao heloka bevava maharikoriko toa an'i Mumtaz Qadri ary mendrika sazy mafy i Khalid, ilay lehilahy namono olona tsy salama saina izay voampanga tamin'ny fanevatevana tao amin'ny fitsarana tany Peshawar omaly. Atsaharo ny fiderana ny mpamono olona azafady; tsy misy olona manan-jo hamono.

Ohatra iray hafa mampiseho ny lalànan'ny fanevatevana ao Pakistan ho mandrisika ireo milisy hanao fandrahonana na hamono ireo voampanga ilay namono an'i Tahir Ahmad, izay voalaza fa manana aretin-tsaina, tao amin'ny Fitsarana Peshawar androany maraina.

Ny fomba nanajana fatratra ilay mpamono an'ilay mpanevateva tao Peshawar ho maherifo, Ghazi na Ilm-ud-Din hafa na Qadri. Izany no mitranga rehefa avadikao ho fitaovam-piadiana ny fivavahana nandritra ny am-polony taona maro. Ny tsanganan-dahatsoratro [Taratasy avy eto Pakistan].

Ny matoandahatsoratra tao amin'ny vavahadin-tserasera ProperGaanda nanao hoe [38] :

It is high time Pakistanis stop hailing the murderer as a hero and recognize him for what he was. That will be the first step in cultivating an atmosphere wherein potential extrajudicial murderers think twice before breaking the law and imposing their judgements on whether or not a human has the right to live.

Fotoana izao hampitsaharan'ny Pakistaney ny fiderana mpamono olona ho maherifo ary mankatoa ny nataony. Izany no dingana voalohany amin'ny fambolena rivo-piainana izay mety ahitana ireo mpamono olona tsy mandalo fitsarana handinika tsara alohan'ny hanitsakitsahany ny lalàna sy hampiharany ny fitsarany raha toa mbola manan-jo hiaina na tsia ny olombelona.