Amin'ny maha-Salvadoreana ahy, marika fiainana azo antoka i Etazonia ho ahy saingy rava izany ankehitriny

Asakanton'i Pamela Chavez, avy amin'ny sarimihetsika fohy nosoratany Caracol Cruzando, nahazoana alàlana.
Navoaka voalohany tao amin'ny Central American News ity lahatsoratra ity.
Nifindra avy ao El Salvador nankany Washington DC ilay namako akaiky indrindra, 12 taona, izay niasa tao amin'ny Ambasady Amerikana ny rainy. Nifanena tsindraindray izahay rehefa lehibe ary nisy fotoana niresaka momba ny fifindramonina.
Amin'ny maha olom-pirenena amerikana azy, nihevitra ny fifindramonina ho fiarovam-pirenena izy, kanefa araka ny fomba fijeriko tamin'ny fahazazako taorian'ny vanim-potoanan'ny ady tany El Salvador, izay niharan'ny ady ankolaka nandritra ny Ady Mangatsiaka, noheverina hatrany ho olana zon'olombelona ny fifindramonina nankany Etazonia. Nahazo ny satan'ny fifindramonina, zom-pirenena, karatra maintso ary Sata Fiarovana Vonjimaika (TPS) ireo ao amin'ny fianakaviako.
Raha ny tena fijeriko azy, nampanantena fiainana azo antoka ny fifindramonina mankany Etazonia. Izany no notadiaviko rehefa tonga teto Etazonia aho tamin'ny taona 2019 nahazo visa ho an'ny mpianatra. Niova anefa nanomboka teo ny fomba fijeriko.
Nanomboka tamin'ny hakiviana izay nanitikitika ny saiko matetika noho izaho mpifindra monina any Etazonia ny nihavian'ny fanontaniako. Zavatra mangina izay tsy firesako firy. Nitombo io fahatsapana io noho ny fameperan'ny Amerikana ny dia tsy misy farany sy ny fanovana miovaova tamin'ny rafitry ny fifindramonina Amerikana ary ny fomba ifandraisan'ireo politika ireo amin'ireo sisintany voasakana any amin'ny firenena maro hafa noho ny COVID-19.
Any Etazonia, nanambara ny sampan-draharahan'ny Fampiharan-dalànan'ny fifindramonina sy ny fadintseranana ary avy eo nanaisotra ny lalàna milaza fa ny mpianatra vahiny dia tsy maintsy miala ny firenena raha tsy manatrika kilasy. Tany am-piandohan'ity fahavaratra ity, nanome baiko ny birao hanaiky ny Fanemorana ny Fandraisana ny Fidiran'ny Ankizy (DACA) ny Fitsarana Tampony. Nahemotra ny famoahana ny Karatra Maitso ka nahatonga ireo mponina maharitra mety ho voaroaka. Tandindonin-doza amin'ny mety ho fahataperan'ny visa mialoha ny ahafahan'izy ireo mody ny mpizahatany raikitra any Etazonia noho ny fanakatonana ny sisintaniny. Mitovy amin'izany ary angamba mampiahiahy kokoa ny filazana fa mila vatsy famonjena 1,2 lavitrisa dolara amerikana avy amin'ny governemanta ny Sampan-draharaha misahana ny Zom-pirenena sy ny Fifindramonina any Etazonia (USCIS) mba tsy handroahany mpiasa miisa 13 400. Tsy resahana intsony amin'izany ny karazana politika mikendry ny hanakanana ireo mpitsoa-ponenana sy ny fandroahana ireo olona tsy manana taratasy.
Nakaton'ny fireneko ao El Salvador ny seranam-piaramanidina hatramin'ny nanambarana ny baiko fihibohana ny volana Martsa. Sarotra ny toe-draharaha ho an'ireo tafahitsoka any Etazonia toa ahy. Sidina roa ihany tamin'ny volana Jolay no natolotry ny Avianca, ilay oriasam-pitaterana an'habakabaka hany mikarakara sidina fiverenana. Mila miantso ny masoivoho , miandry amam-bolana, ary mividy tapakila raha misy toerana amin'ireo sidina vitsivitsy miala any Etazonia raha mba te ho tafiditra ao anaty lisitry ny governemanta Salvadoreana ho an'ireo olom-pirenena izay mahazo alàlana hiditra ny sisintany mihidy ao El Salvador.
Hitako fa henjana ny toe-draharaha. Manery ny olona hiala ny firenena ny fitantanan'i Trump rehefa tsy nahavita nanatontosa ny dingana izy ireo, ary mandritra izany fotoana izany, maro ireo tafahitsoka any an-toerana tsy misy fahafaha-mamelon-tena noho ny lalàna rehetra mifehy ny fiainana andavan'andron'ireo mpifindra monina.
Ohatra, azoko lazaina fa sady ahafahako miaina milamina amin'ny maha-queer ahy no sady ahafahako mampiroborobo ny fianarako ihany koa ny visa ho an'ny mpianatra F1 azoko. Na izany aza, ho lany ny fe-potoana an'io visa io alohan'ny hisokafan'ny seranam-piaramanidina ao El Salvador. Nameno taratasy mba hanovako ny visa-ko ho visa ho an'ny mpitsidika aho rehefa avy nikaroka lalina sy nandinika ny pejin'ny tranonkala USCIS . Na dia voamarina aza fa afaka mijanona ara-dalàna aho mandritra ny fe-potoan'ny dingana dia tsy haharay filazana momba ny fangatahana nataoko aho raha tsy afaka 2 volana sy tapany ka hatramin'ny efa-bolana ary mety mbola ho ela kokoa noho izany aza. Sady tsy afaka miasa na mianatra anefa amin'izany. Vokatr'izany, tsy maintsy mitady vola hanampiana ahy ny fianakaviako.
Tsy vaovao ireo toe-javatra ireo. Heverina matetika ho olana tsy mety voavaha ireo mpifindra monina, mampitaintaina ny fiainany. Raha ny hevitro, raha tsy namerina nijery ny fahazoan-dalana amin'ny fijanonan'ny mpianatra vahiny ao amin'ny firenena ny ICE izay vao tonga saina ny olom-pirenena amerikana maro fa mampijaly ny rafitry ny fifindramonina any Etazonia.
Na izany aza, na dia te-hiteny aza aho fa lozabe ny filalaovan'ny fitantanan'i Trump ny lalàna mifehy ny fifindramonina ao anatin'ny tontolon'ny valan'aretina dia efa nampijaly izany teo aloha. Ny tena zava-misy, azo ovaina ny lalànan'ny fifindramonina na ianao vao eo am-pahatongavna na efa monina ao amin'ny firenena na eo efa an-dalam-pahataperana ny visa-nao. Mametraka anay anaty ahiahy izany fahefana izany. Vao mainka nampiharihary ny zava-misy ny COVID-19.
Tsy vaovao amin'ny resaka ataonay, mpifindra monina, mangingina ity lohahevitra ity noho ny tahotra hiheverana anay ho tsy mahay mankasitraka. Miresaka izany izahay rehefa any amin'ny fiaraha-misakafo hariva, na miaraka amin'ny sampan-draharahan'ny oniversite iraisam-pirenena, ary indraindray miaraka amin'ireo namanay amerikana izay tsy mahatakatra ny resaka momba ny rafitry ny fifindramonina amerikana. Vao haingana, nanomboka niova ny adihevitra momba ireo resaka ireo izay nampiseho fa tsy tian'i Etazonia honina eto izahay ary nisy fiantraikany lalina tamin'ny fanapahan-kevitray sy ny fomba fisainanay izany.
Nahatsikaritra aho fa afaka manova mora foana ny fanantenanao, ny fahafahanao ary ny fiarovana anao ny rafitry ny fifindramonina any Etazonia na inona na inona sarangam-pifindramonina misy anao. Na dia efa fantatro aza ny fomba hiatrehako ny raritsaina vokatry ny famerana ny maha-mpifindra monina ahy dia mbola nanohina ahy ihany izany rehefa miatrika sakana vaovao aho toy ny hoe mandany volana maro tsy an'asa sady tsy misy tohana ara-bola satria miandry ny fahatongavan'ny taratasy aho. Mbola fadiranovana kokoa ny fahatsiarovan-tena ho irery ao anatin'io fisalasalana io – tsy hoe ny fahitana fotsiny fa nitsahatra ny fikasanao rehetra fa ny fahitanao ihany koa fa manana ny fahefana tanteraka ny governemanta izay nianteheranao ary mampihatra izany tsy ara-drariny.
Farany, toa safidy azo iainana tsara ny fiainana maharitra any avaratra, na dia tsy maharitra aza izany rehefa nandositra an'i El Salvador ireo fianakaviako mpitsoa-ponenana noho ny ady ary nanolotra fahafahana hianatra any Etazonia ny sekoliko tany El Salvador. Na izany aza tsy nanantena aho fa hanova ny fiainako ny fampiharan'i Trump ny fomba fijeriny. Raha ny fahitako azy, mifanamby tanteraka amin'ny fomba fijery efa hatry ny ela ny tsindry ataon'ny fitantanan'i Trump izay hiheverana an'i Etazonia ho toerana iray azo antoka sy ahitana tombontsoa. Manontany tena aho ankehitriny raha manana ny toerako eto amin'ity firenena ity. Tsy isalasalana fa mahatonga ahy hieritreritra fa tsy marina izany ny lalàna sy ny fitsipika ary ny fanovana tsy ara-drariny.
Lahatsoratra anaty sokajy Ny Tetezana - The Bridge, manasongadina soratra, eritreritra, fanehoankevitra ary fanadihadiana tsy nalaina tàhaka avy amin'ny fomba fijerin'ny tsirairay ao anatin'ny fikambanana Global Voices. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Atombohy ny resaka
Lahatsoratra anaty sokajy Ny Tetezana - The Bridge, manasongadina soratra, eritreritra, fanehoankevitra ary fanadihadiana tsy nalaina tàhaka avy amin'ny fomba fijerin'ny tsirairay ao anatin'ny fikambanana Global Voices. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...