Na dia eo aza ny fitomboan'isan'ny [1] tratran'ny COVID-19 ao amin'ny firenena, dia zary efa mahazatra ny mahita ny mpanohana ireo antoko politika lehibe roa — ny mitondra amin'izao fotoana People's National Movement [2] (PNM) sy ny ao amin'ny faoherana United National Congress [3] (UNC) — mivory manodidina ireo kamiao mitabataban-kirahira mandehandeha manavatsava ireo toerana be mpifidy.
Raha mety ho liana handre izay paikadin'ny kandidà manoloana ny COVID-19 ny mpifidy, tsy nisy ny nanantena ilay tolotra sahaza ny hoavy, navoakan'ny UNC, amin'ny “fananganana dome manodidina an'i T&T” ho “fiarovana ny firenentsika tsy hidiran'ireo tsy ara-dalàna avy any ivelany sy ny asany.” Ny hevitra dia ny handroso doka manome antsipiriany ny drafi-pamalian'ny antoko amin'ny COVID-19.
NIfampizarana betsaka ao amin'ny media sosialy, lazain'ilay doka fa raha voafidy ny antoko dia “ho afa-miasa ao anatin'ny iray volana ilay tapabaolina ary ho afa-miasa tanteraka ao anatin'ny enimbolana”:
Haingana ny setriny — sady mampihomehy. Tao anatin'ny fotoana fohy, nironana tao an-toerana ny farangon-teny — #KamlaDome2020 [4] —:
The illegal outsiders trying to get in #KamlaDome2020 [5] pic.twitter.com/reXqyEzJcX [6]
— MizztaKe?? (@Notwithoutkhyla) August 5, 2020 [7]
Ireo avy any ivelany tsy ara-dalàna miezaka ny hiditra ao [KamlaDome2020]
#KamlaDome2020 [5]
Me forgetting we have a dome: pic.twitter.com/DqrKDgfw0T [8]
— aggressive protagonist (@skhazell) August 4, 2020 [9]
Izaho manadino fa manana tapabaolina
Mpisera Twitter maro no manala azy [10] amin'ny fanontaniana ny tenany hoe ahoana marina moa izany no hananganana ilay tapabaolina:
Construction companies trying to figure out how to build the dome #KamlaDome2020 [5] pic.twitter.com/Jzv7DiNQUG [11]
— Nickolas Roberts (@nickwrld1997) August 4, 2020 [12]
Orinasam-pananganana eo am-pieritreretana hoe ahoana ny hananganana ilay tapabaolina
So Shuri from Black Panther getting the contract to construct that dome awa #KamlaDome2020 [5]
— Deep (@Griffs44) August 4, 2020 [13]
So Shuri avy ao amin'ny Black Panther nahazo ny fifanarahana hanangana ilay tapabaolina
Mpisera Facebook antsoina hoe Quweina Roberts, milelaka ny takolany, mahatsapa fa ho hirika hisian'ny fampiasana olona vaovao ny tapabaolina vaovao:
A whole new set of jobs to be created. Dome operator, Dome inspector, Dome janitor, Dome developer, Dome manager, Dome attendant, Dome support officers etc. #KamlaDome2020 [5]
— Quweina Roberts (@Quweina) August 4, 2020 [14]
Andian'asa vaovao iray manontolo no miforona, Mpandraharahan'ny “dome”, mpanaramason'ny “dome”, mpiandry ny “dome”, developeran'ny “dome”, mpitantana ny “dome”, mpandray olona ao amin'ny “dome”, manampahefana fanohanana ny “dome” sns
Fotoana vitsy monja [15] no nandrasana dia azon'ny The Simpsons koa ny anjaran'ny tao an-toerana:
Kamla – have you seen the Simpsons? CMO – Say no more#KamlaDome2020 [5] pic.twitter.com/m141eXahUW [16]
— ? Ꮢ Λ Ι (@RaiKhanMusic) August 4, 2020 [17]
Kamla – hitanao ve ny the Simpson? Aoka moa e! aza miteny fanampiny intsony
Nisy sarimihetsika hafa ihany koa nanaraka:
The Dukes of Tobago, Watson and Winston will finally have home field advantage when they lead the troops into Venezuela East/Gulf of Paria West, in the Battle for Helms Deep. #KamlaDome2020 [5] pic.twitter.com/10ooQIMf6b [18]
— Republic of Anthony (@BissieSmalls) August 4, 2020 [19]
Nahazo tany ho tombony tao an-tanindrazana ny andriamasinavalon'i Tobago, Watson sy Winston, rehefa nitaika ny andiatafika nankao Venezoelà Atsinanana/Helodranon'i Paria Andrefana, tao amin'ny Ady hahazoana an'i Helms Lalina ry zareo.
Mandritra izany fotoana izany, mpisera Twitter iray mbola mieritreritra amin'ny karazan-tsehatra rehetra mety hitranga izay mety ho lasa tsy mety rehefa voaorina ny tapabaolina:
When current gone August 11th..and we mc steam up like fish broth #KamlaDome2020 [5] pic.twitter.com/2DvgaydzCB [20]
— ?Black Kryptonian (@Dao_D8z) August 4, 2020 [21]
Rehefa tonga ny 11 aogositra… ary mamoa-tsetroka tahaka ny trondro nahandro isika
Men trying to seduce the female security guard to open up de hatch after yuh break de Dome Curfew.. #KamlaDome2020 [5] pic.twitter.com/DpMTK81kkF [22]
— ?Black Kryptonian (@Dao_D8z) August 4, 2020 [23]
Ireo lehilahy miezaka mambabo fom-behivavy mpiambina mba hanokatra ny sarona rehefa mandika ny tsy fahazoana mivoaka ny “dome” ianao
Manahy ny amin'ny fahasalamany ny mpisera Twitter maro:
We need air filters in the dome for the Sahara dust tho #kamladome2020 [24]
— Shaquille Oatmeal (@Nick_Wildman91) August 4, 2020 [25]
Mila fanivanan-drivotra izahay hiatrehana ny vovok'i Sahara
#COVID19 [26] #KamlaDome2020 [5] pic.twitter.com/2qfrk8pml5 [27]
— Nickolas Roberts (@nickwrld1997) August 4, 2020 [28]
Efa eo ampiheverana ihany koa ny fiakaran'ny hafanana:
I’m just hoping the Dome would have some AMAZING A/C yes because the way the sun set up these days; I’ll be unable to can. #Kamladome2020 [29] ???
— fry_plantain (@fry_plantain) August 4, 2020 [30]
Manantena fotsiny aho fa hanana A/C (JIRO) MAHATALANJONA ny tapabaolina satria raha ny fomba filentehan'ny masoandro tao ho ao izay aloha; tena tsy ho afaka fotsiny izao aho
Misy ihany koa ireo zava-mitovy mampitokelaka [31] nataon'ny Filohan'i Etazonia Donald Trump rehefa miresaka ny fananganana rindrina amin'ny sisitany ifanolorana amin'i Meksika, nahatonga ny mpisera Twitter iray handrabiraby:
Who paying for the dome? Venezuela? #kamladome2020 [24]
— v. (@valissarae) August 4, 2020 [32]
Iza no handoa ny vola fananganana ny tapabaolina? Venezoelà?
Maro ireo manam-panontaniana — fanontaniana maro dia maro:
How they gonna try to spin this dome statement? 360° radar coverage? Satellites? An actual done made of drones to watch us all? ? #KamlaDome2020 [5] pic.twitter.com/IFaMBiL1PD [33]
— Caleb (@d1_dadu) August 4, 2020 [34]
Ahoana ny fomba itenenan-dry zareo ity resaka “dome” ity? Fandrakofana radar 360°? Zanabolana? Ilay tena izy rafetin'ny tatelimby (drone) hijery antsika rehetra?
UNC leaders explaining to the nation how de Dome go build with Wakandan vibranium #KamlaDome2020 [5] pic.twitter.com/w5i8erJihD [35]
— ?Black Kryptonian (@Dao_D8z) August 4, 2020 [36]
Mpitarika ny UNC eo ampanazavana amin'ny firenena ny fomba hananganana ny tapabaolina amin'ny Wakandan vibranium
Rehefa tsikaritry ny UNC fa lasa esoeso manerana ny firenena ilay resaka “dome”, dia novain-dry zareo ny fomba fanoratana ny doka, ary nilaza [37] avy eo ny mpanohana azy fa nodisoina ny dikany fa tena “dome radar” ilay izy.
Raha misy ireo mpisera Twitter vitsivitsy niomana [38] hanao resaka matotra [39] momba ilay resaka tapabaolina, dia tsy afa-mampandeha azy fotsiny izay ny maro an'isa:
It will forever live on as the #KamlaDome2020 [5] in our hearts https://t.co/XRLsbkLpZ4 [40]
— Adrian John (@AdrianXVIII) August 4, 2020 [41]
Ho velona mandrakizay tahaka ny [dome kamla 2020] ao am-ponay ity