- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fantsona YouTube malaza manome torohay ny hoe ahoana izany mainty any Japana

Sokajy: Azia Atsinanana, Japana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Foko sy Fiaviana, Hevitra, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Sarimihetsika, Tsidika, Vaovao Tsara, Vehivavy sy Miralenta, Zavakanto & Kolontsaina
The Black Experience Japan

Ruth (ankavia) sy Grace (ankavanana) mponin'i Fukuaka. Pikantsary avy amin'ny “There's Life Beyond the White Supremacy Narrative [1]” ao amin'ny fantsona YouTube ofisialy Black in Japan.

Manasongadina antsafa ahitana mainty hoditra ampolony mponina any Japana ny fantsona YouTube malaza [2] sy ny tranonkala The Black Experience Japan [3].

Navoakan'i Laranzo “Ranzo” Dacres [4], Jamaikana monina any Japana, tamin'ny taona 2017 niantsafa tamin'ny karazan'olona avy amin'ny fiaviana sy saranga maro, manomboka amin'ilay lehilahy iray “nahita izay nilainy indrindra tany Japana”  [5]ka hatramin'i Tsietsi Monare [6], mpahay meteo sady mpilaza ny toetrandro ao amin'ny NHK, fampielezan-tsary sy feo nasionaly ao Japana, ny The Black Experience Japan

Ao amin'ity rakitsary avy amin'ny iray amin'ny fizaran-tantara MFiles, Tsietsi, meteôrôlôgy Afrikana Tatsimo sady mpilaza ny vaovaon'ny toetrandro ao amin'ny NHK World Japan, mizara amintsika ny fandratoana (asa) niaingàny avy tany Afrika Atsimo mandra-pahatonga azy ho ao amin'ny fantsom-baovao japoney

Nahazo ny fiaingàna ny tranonkala sy ny fantsona [2] YouTube tamin'ny taona 2017 taorian'ny fanombohan'ny fandaharan-torohain'i Ranzo mitondra ny lohateny hoe “The Truth About Being Black in Japan [14]” [Ny marina amin'ny hoe izany mainty ao Japana], izay hamaliany ny fanontaniana mahazatra azony momba ny fiainana andavanandro ao Japana.

Manana iraka maningana [15] hatramin'ny nanombohany ny The Black Experience Japan:

We still have a burning desire to share a plethora of experiences (and all things black in Japan) in an effort to paint a more accurate picture of life in Japan for the black individual.

Mbola mirehidrehitra ato anatinay ny faniriana hizara zava-niainana tsy tambo isaina (sy ny zavatra rehetra mainty eto Japana) hiezahana handoko sary marina kokoa amin'ny fiainana eto Japana ho an'ny olona mainty hoditra.

Hita ao amin'ny tranonkala The Black Experience Japan ihany koa ny raki-peo aely mivantana [16], ny tsenan-kevitra [17] ifampizaran'ny mpikambana torohevitra fandratoana na fiainana eto Japana amin'ny ankapobeny, sy ny rohy mankany amin'ny fampihatra finday ahitana lisitry olona mainty hoditra manana fihariana manerana an'i Azia [18].

Ao amin'ity lahatsary ity [1], Ruth, avy any Kenya, sy Grace, avy ao Tanzania, samy mponina ao Fukuaka miresaka ny fomba nahatongavany taty Japana, manao ahoana izany miasa ao amin'ny trano fisotrosotroana amin'ny endrika japoney nentim-paharazana na izakaya, ny fifehezana ny fiteny Japoney ambaratonga ambony, ary ahoana ny hampisehoan'i Japana fa “misy fiainana mihoatra noho ny fitantarana araka ny fiamboniana faratampony fotsy hoditra.”