- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fantaro i Veer Keram, mpikatroky ny fiteny Gondi

Sokajy: Media-sôsialy, Mediam-bahoaka, Teratany, Teny aziatika an-tserasera, Rising Voices

Mpikatroky ny fiteny Gondi Veer Keram, sary natolotr'i Veer Keram.

Taorian'ny fahombiazan'ny fanentanana media sosialy [1] nankalazana ny fimaroam-piteny an-tserasera manerana an'i Azia tamin'ny taon-dasa dia mbola mitohy amin'ity taona 2020 ity ny tetikasa fiaraha-miasa. Hifandimby ireo mpikatroky ny teny sy mpanandrateny hitantana ny kaonty Twitter @AsiaLangsOnline [2] isa-kerinandro hizara ny zava-niainany, ny fahaiza-manaony ary ny zavatra nianarany avy tamin'ny asa famelomana aina indray ny fampiroboroboana ny fampiasana ny fitenin-drazany miaraka amin'ny fifantohana manokana amin'ny anjara asan'ny aterineto. Niarahan'ny Rising Voices [3], ny Digital Empowerment Foundation [4], ary ny O Foundation [5] niasa ny fanentanana.

Isa-kerinandro dia hamaly fanontaniana maromaro momba azy ny mpampiantrano tsirairay ary hanome fomba fijery fohy momba ny fiteniny. Miaraka amin'i Veer Keram (@veerkeram750 [6]) ny fanontaniana sy valiny etoana izay manolotra ny zavatra horesahiny mandritra ny herinandro amin'ny maha-mpampiantrano azy.

Rising Voices: lazalazao anay ny momba anao azafady.

Veer Keram (VK): My name is Veer Keram, and I belong to the Gond tribe [7]. I was born and brought up in Madhya Pradesh [8], in central India. I've graduated with a degree in law from Rani Durgavati University, in Jabalpur, Madhya Pradesh. With Gondi being my mother language, I have always had a keen interest in it. I've been in the field interacting with people who speak Gondi, trying to gather information about the language as well as the speakers. I am currently a part of the Endangered Language Documentation Project [9] which aims at promoting the use of Gondi language.

Veer Keram (VK): Veer Keram no anarako ary avy amin'ny foko Gond aho. Teraka ary notezaina tao Madhya Pradesh, any afovoan'i India aho. Nahazo diplaoma momba ny lalàna tao amin'ny Oniversiten'i Rani Durgavati, any Jabalpur, Madhya Pradesh aho. Tena mahaliana ahy ny fiteny Gondi amin'ny maha fitenindrazako azy. Teny an-kianja aho nifandray tamin'ireo olona miteny Gondi, niezaka nanangom-baovao momba ilay fiteny ary koa ireo mpampiasa ny fiteny. Mandray anjara amin'ny Tetikasa misahana ny Fanadihadiana ny Fiteny Tandindonin-doza aho amin'izao fotoana izao izay mikendry ny hampiroborobo ny fampiasana ny fiteny Gondi.

RV: Manao ahoana ny fiteninareo ao amin'ny aterineto sy ivelan'ny aterineto?

VK: Gondi [10] is a South Central Dravidian language [11] spoken by about 2 million people belonging to the Gond tribe. Although it is the language of Gondi people, only one fifth of them actually use it, thereby making it vulnerable to extinction [12]. Former Madhya Pradesh Chief Minister Kamal Nath [13] had decided to include Gondi in the primary education curriculum [14] of the state's tribal dominated districts, but the plan has not been put into action until now. The rapid decline observed in the number of Gondi speakers is a matter of grave concern.

VK: Fiteny Dravidiana [11] Afovoany Atsimo ampiasan'ny olona miisa 2 tapitrisa eo ho eo ao amin'ny foko Gond ny Gondi [10] . Na dia fitenin'ny Gondi aza izany, ny ampahadimin'izy ireo ihany no tena mampiasa azy, ka mahatonga azy ho marefo amin'ny fanjavonana [12]. Nanapa-kevitra ny hampiditra ny Gondi ao amin'ny fandaharam-pampianarana fototra [14] any amin'ireo distrika betsaka foko ao amin'ny fanjakana ny Lehiben'ny Minisitra Madhya Pradesh teo aloha, Kamal Nath [13] saingy tsy mbola notanterahana ny drafitra hatramin'izao. Tena olana goavana ny fihenana haingana hita tamin'ny isan'ny mpampiasa ny fiteny Gondi.

RV: Lohahevitra manao ahoana avy no kasainao ifantohana mandritra ny herinandro hitantananao ny kaonty Twitter @AsiaLangsOnline?

VK: During the week that I'll manage the @AsiaLangsOnline twitter account, I plan to focus primarily on the importance of language and why language conservation is the need of the hour in order to protect our identity as well as our culture and our traditional knowledge.

VK: Mandritra ny herinandro hitantanako ny kaonty twitter @AsiaLangsOnline, mikasa ny hifantoka manokana amin'ny maha-zava-dehibe ny fiteny aho ary ny antony ilana amin'izao ora izao ny fitehirizana ny fiteny mba hiarovana ny mari-panondroana anay sy ny kolontsainay ary ny fahalalana nentin-drazana ihany koa.

RV: Inona no tena antony manosika anao amin'ny fikatrohana antserasera amin'ny fiteninao? Inona no fanantenanao sy ny nofinofinao ho an'ny fiteninao ?

VK: Drawing inspiration from Dr Abhay Sagar Minz, assistant professor at Dr Shyama Prasad Mukherjee University, Ranchi, I wish to work towards protecting tribal languages and our rich cultural heritage with the same energy and vigor he displays.

Having said this, I have great hopes and dreams for my language in the future. Language is the vehicle that maintains our identity through generations. It is language that transmits the elements of our culture and traditional knowledge from one generation to the next. I wish for the Gondi language to become mandatory at the primary education level so that the coming generations remain attached to their roots from the very start. I also wish for it to gain recognition in the eighth schedule of our Constitution [15], which lists India's official languages. Members of the Gond community shall take immense pride in their language and culture.

VK: Naka aingam-panahy avy amin'i Dr Abhay Sagar Minz, mpampianatra mpanampy ao amin'ny Oniversite Dr Shyama Prasad Mukherjee, Ranchi, maniry aho ny hiasa amin'ny fiarovana ny fitenim-poko sy ny vakoka ara-kolontsaina manankarena miaraka amin'ny fahavitrihana sy ny tanjaka izay nasehony.

Araka izany teniko izany dia manana fanantenana sy nofinofy lehibe aho ho an'ny fiteniko amin'ny hoavy. Ny fiteny no fiara mitazona ny mari-panindroana anay hatramin'ny taranaka fara mandimby. Ny fiteny no mampita ny singa amin'ny kolontsainay sy ny fahalalana nentin-drazana manomboka amin'ny taranaka iray mankany amin'ny taranaka manaraka. Maniry ny fiteny Gondi aho mba ho lasa tsy maintsy ampiasaina any amin'ny fampianarana ambaratonga fototra hahafahan'ireo taranaka hoavy mifikitra amin'ny fihaviany hatrany am-boalohany. Maniry ihany koa aho mba hahazoany fankatoavana ao amin'ny fandaharana fahavalo ao amin'ny Lalàmpanorenanay [15], izay mitanisa ireo fiteny ofisialy ao India. Tokony hirehareha amin'ny fiteniny sy ny kolontsainy Ireo mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonina Gond.