Famelabelaran-kevitra: Ny fomba hisorohan'ny vondrom-piarahamonina indizeny ny fandisoam-baovao amin'ny alàlan'ny fanamarinam-baovao amin'ny fitenindrazan'izy ireo

Nampiantrano ny famelabelaran-kevitra mandritra ny fihaonambe virtoaly RightsCon ny tetikasa Rising Voices ato amin'ny Global Voices sy ny Media and Information Literacy Experts Network (MILEN) (Tambajotran'ny Manam-pahaizana misahana ny Fampitam-baovao sy ny Serasera).

Alarobia 29 Jolay amin'ny 10:15 alina ora UTC

How indigenous communities are combating misinformation by creating fact-checked resources in their native languages

Ny fomba iadian'ny fokonolona indizeny ny fandisoam-baovao amin'ny alàlan'ny fanamarinam-baovao amin'ny fitenindrazan'izy ireo

Niantraika tamin'ny vondrom-piarahamonina indizeny manerana an'i Amerika Latina tamin'ny fomba tsy mifandanja ny COVID-19. Vao mainka mora azon'ny valan'aretina ireo vondrom-piarahamonina noho ny fotodrafitrasa ara-pahasalamana marefo sy ny tsy fisian'ny tolotra fototra. Iharan'ny fanodikodinam-baovao sy ny fandisoam-baovao momba ny viriosy sy ny vokatr'izany ihany koa anefa ireo vondrom-piarahamonina ireo. Betsaka ny tetikasa fanamarinam-baovao no mamokatra fitaovana ho an'ny mpihaino teny espaniôla ary vitsy raha misy ny fampitam-baovao sy ny loharanom-baovao misy amin'ny fiteny hafa izay ampiasaina manerana ny faritra. Ankoatra izay, tsy afaka miditra loatra amin'ny Aterineto izay hahafahan'izy ireo mahazo loharanom-baovao hafa ny vondrom-piarahamonina indizeny amin'ny ankapobeny.

Soa ihany fa misy ankehitriny ny ezaka natao hamahana ity toe-javatra ity amin'ny alàlan'ny filazam-baovao sy ny fanambarana amin'ny fitenin'ny vondrom-piarahamonina maro manerana an'i Amerika Latina. Nifanandrify tamin'ny fanekena izany fa mihamaro hatrany ny vondrom-piarahamonina indizeny no miditra amin'ny sehatry ny tambajotra  sosialy sy ny fampiasa fampitana hafatra izay mety hahitan'izy ireo ny fanodikodinam-baovao sy ny fandisoam-baovao, indrindra fa any amin'ny faritra an-tanàndehibe sy ny manodidina ny renivohitra.

Hampivondrona ireo akademika indizeny, mpikaroka ary mpanao gazety avy any Bolivia, Colombia, Ekoadaoro ary Pero izay niasa nahaleotena ity famelabelaran-kevitra ity ary hizara ny traikefany sy ny fahalalany momba ny maha-zava-dehibe ny famoronana ny vaovao voamarina ao anatin'ny tetikasa fanamarinam-baovao amin'ny fitenin-drazan'izy ireo Awajún, Aymara, Kichwa, Wayuunaiki ary Quechua. Tsy hoe hiresaka fotsiny momba ny zava-misy ankehitriny izy ireo mikasika ny fivezivezen'ny vaovao ao amin'ny vondrom-piarahamonina misy azy ireo fa hamaritra ihany koa  ireo fanamby tsy manam-paharoa izay mipoitra rehefa miady amin'ny vaovao diso, anisan'izany ny fananganana fitokisana amin'ny mpihaino, ny fisafidianana endrika sy feo araka ny tokony ho izy ary ny fanapahana hevitra amin'ny fomba hizarana amin'ny fomba mahomby indrindra ny vaovao sy ireo fantsona andefasana izany.

Ireto avy ireo mpandray anjara fitenenana:

  • Yanua Atamain, talen'ny CiberAmazonas sady mpiara-miasa any amin'ny faritra ho an'ny OjoPúblico (awajún, Perú)
  • Gladys Camacho Rios, vondrom-piarahamonina Quechua ao Kalallusta, Bolivia, Oniversiten'i Texas-Austin (quechua, Bolivia)
  • Alliwa Pazmiño, Mpanao Gazety – Ecuador Chequea (kichwa, Ekoadaoro)
  • Mileydis Polanco, Mpampita vaovao, Tambajotran'ny Mpampita Vaovao ao Putchimaajana (wayuu, Kolombia)
  • Ruben Hilari-Quispe, Profesora sady mpikaroka, Jaqi Aru y Public University of El Alto (aymara, Bolivia)

Marihina fa natao tamin'ny fiteny Espaniôla ny fivoriana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.