Nodimandry ny praiminisitr'i Barbados teo aloha, Owen Arthur
Nodimandry tamin'ny 27 jolay 2020 teo amin'ny faha-70 taonany ny praiminisitr'i Barbados teo aloha, Owen Seymour Arthur.
Fariparitan'ireo mpitondra ao Karaiba namany ho “rezionalista mavitrika” izay “mankamamy tanteraka ny fireneny” izy. Nanambara telo andro fisaonana i Barbados ho fanehoa-panajana azy.
Ho tsaroana i Arthur amin'ny maha-mpitarika manana fahalalàna ara-toekarena ikoizana amin'ny fahaiza-mandrefy ny tontolo ara-ketra ao amin'ireo nosy andalam-pandrosoana tahaka an'i Barbados, sy ny fiavahany eo amin'ny fahendrena sy ny fisiam-panintonana ara-politika, ara-piarahamonina ary ara-toekarena.
Nitarika ny Antokon'ny Mpiasa ao Barbados izy tamin'ny maha-praiminisitra fahadimy ny firenena azy nanomboka tamin'ny taona 1994 ka hatramin'ny taona 2008, nanompo tao amin'ny Lapan'ny Solotena izy hisolo tena ny paroasin'i St. Petera toerana nahalehibe azy.
Nandalo ny fanabeazana ambaratonga faharoa tao amin'ny Harrison College, sekoly malaza i Arthur, ary nandeha hianatra toekarena sy tantaram-pirenena tao amin'ny Oniversiten'i Antilles (UWI) toby Cave Hill tao Barbados. Avy eo izy nahazo ny Diplaoman'ny Master amin'ny Toekarena tao amin'ny toby UWI tao Mona, Jamaika.
Hita ho tonga amin'ny fotoanany indrindra ho an'i Barbados ny endrika fitarihan'olona nentin'i Arthur tamin'ny fahaiza-miteny sy mora takatra avy hatrany. Nahita fahombiazana ny ezaka nataony hamelona indray ny toekaren'ny firenena efa nitotongana: nandritra ny fotoana nitondrany, nihena hatramin'ny atsasany ny tahan'ny tsy fananana asa tao Barbados, niainga avy amin'ny 20 isanjato ka tonga hatrany akaikin'ny sivy isanjato teo anelanelan'ny taona 1994 ka hatramin'ny taona 2000. Matetika no voatonona ny famirapiratany sy ny nisian'izany tsy misy fikendrena ho amin'ny tombotsoa manokana sy amin'ny mahamora amin'ny olona ny manatona azy.
Nahazo fankatoavana iraisampirenena manandanja ihany koa izy amin'ny maha-mpitarika voalohany azy avy eto Karaiba nanao fitsidihana amin'ny fomba ofisialy amin'ny maha-vahiny manankaja azy tamin'ny fivoriambe iraisampirenena faha-90 kaoferansa momba ny asa [sy mpiasa] tamin'ny taona 2002. Nandritra izany lanonana izany i Arthur no namoaka fiampangana mirehidrehitra amin'ny fifandraisan'ny fenitry ny asa amin'ny varotra, ary nihaika ny Birao Iraisampirenena Misahana ny Asa (ILO=BIT) hanao ho vaindohan-draharaha ny fampiharana ny fenitry ny asa na amin'ny firenena mandroso na amin'ny firenena andalam-pandrosoana.
Rehefa niraradraraka ireo teny fanajana azy tamin'ny fandrenesam-baovao ny nahafatesany, dia lasa mazava tsara ny endrika maro maha-olompanjakana [homme d'Etat] an'i Owen Arthur.
Nandritra ny taona maro izy no notendrena tamin'ny vaomiera sy fakan-kevitra maro dia maro, ka ao anatin'izany ny Iraka avy amin'ny Commonwealth Mpanaramaso ny fifidianana ankapobeny sy ny fifidianam-paritra any Guyane. Efa nanompo ihany koa izy amin'ny mahafilohan'ny Vondronasa Ministerialin'ny Commonwealth amin'ny firenena madinika ary efa niara-nitondra tamin'ny tsenan-kevitra manerantany mifantoka amin'ny Initiative on Harmful Tax Competition [Fisantarana Andraikitra amin'ny Hetram-Pifaninanana Manimba] an'ny Fikambanana ho amin'ny Fiaraha-Miasa ara-Toekarena sy Fampandrosoana (OCDE).
Noderain'i Mia Mottley, Praiminisitr'i Barbados amin'izao fotoana, ny asa tsy ahitana faharerahana nataon'i Arthur, nanamarika fa “tsy mety tototry ny asa eo am-pelatanana na oviana na oviana” izy ary noderainy ny fanitsiana ara-toekarena nataony ho “lova lehibe indrindra napetrany teto an-toerana”.
Iray amin'ny voamarika indrindra ny volavola nataon'i Arthur nandritra ny fanentanam-pifidianana tamin'ny taona 2003 hanatontosa fitsapa-kevi-bahoaka manerana ny firenena hametraka fanitsiana ny lalampanorenan'i Barbados, hetsika mizotra amin'ny fanoloana ny mpanjakatokana britanika ho prezidà ho lohan'ny fanjakana.
Miantraika manokana amin'ny tsirairay ny faharanita-tsain'i Owen Arthur sy ny maha-sariaka azy tsy hita noanoa izay tsy manampaharoa. Ao amin'ny Facebook, mahatsiahy i Tony Hoyos namany:
I was always in awe of how brilliant my old school chum had become, with not only a profound grasp of macroeconomics, particularly as applied to our developing nation, but also by his common touch and genuine caring for every Barbadian. Many of us will likely remember unexpectedly meeting Owen at a supermarket pushing his own cart.
Talanjona hatrany aho amin'ny famirapiratan'ity mpiara-mianatra tamiko taloha ity, tsy amin'ny fahalalàny lalina ny makrôekonomia ihany, indrindra rehefa amin'ny fampiharana azy amin'ny firenentsika andalam-pandrosoana, fa amin'ny fahaizany miara-miaina sy ny fitsinjovany ny Barbadiana tsirairay ihany koa. Maro amintsika no hahatsiaro ny fifanenantsika tampoka aminy any amin'ny tranombarotra lehibe manosika ny saretikeliny.
Marsha Caddle, izay niasa niaraka tamin'i Owen “amin'ny fanandramana hamaha ny olan'ny trosa raiki-tapisaka amin'i Barbados sy ny faritra”, no miteny:
There is no economist working today in this region of the world who has not drawn on the wisdom, rigour and intellectual fearlessness of the Rt. Hon. Owen Seymour Arthur. And there is no Caribbean regionalist who does not feel gratitude for the integration vision that he brought to life, and on which we can now build.
Tsy misy ekônômista miasa eto amin'ity faritra ity amin'izao fotoana izao ka tsy niantso ny fahendrena, ny fahenterana (hentitra) ary ny faharanitan-tsain'i Rt. Hon. Owen Seymour Arthur. Ary tsy misy reziônalista Karaibeana tsy mahatsiaro mankasitraka amin'ny vinam-piatiana novelominy, ary azontsika aorina amin'izao fotoana izao
Izany indrindra, nandray anjara tamin'ny famolavolana ny (vatofototra) fanavaozana indray fanorenana ny fiatiam-paritra i Owen Arthur, fandaisana anjara tsy hita pesipesenina ho an'ny vondrom-piarahamonina Karaibeana. Amin'izao fahalasanany izao, namoy ilay sariohatra marina tokoa amin'ny fitiavan-tanindrazana sy ny hambompo Karaibeana i Barbados sy ny faritra amin'ny ankapobeny.
Namela vady antsoina hoe Julie sy kamboty roavavy izy.