(Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Desambra 2009)
Fisehoan-javatra tsy fahita firy araka ny famaritan'ny jeology sasany, nitrangana horohorontany miisa 30 ny distrika avaratr'i Malawi ao Karonga tao anatin'ny telo herinandro ka farafahakeliny olona miisa 5 no maty, ary maherin'ny 200 no naratra ary olona maherin'ny 3000 no tsy manan-kialofana. Nilaza ny vaovao farany fa nisy horohorontany iray hafa namely an'i Karonga ny alahady 27 Desambra 2009 ary mbola misy maro hafa no hitranga.
Maro ny fangatahana fanampiana ho an'ireo niharam-boina tao amin'ny distrika fitrandrahana uranium hatramin'ny nanambaran'ny filohan'i Malawi Bingu wa Mutharika an'i Karonga ho faritra tratran'ny voina manerana ny firenena.
Mailaka ireo bilaogera nizara ny fanehoan-kevitr'izy ireo. Fanontaniana mipetraka ao an-tsain'ny ankamaroan'ny Malawita ny antony mahatonga ilay horohorontany. Ao amin'ny lahatsoratra iray mitantara ny antsipirihany mitondra ny lohateny hoe The missing Pieces of the Karonga Earthquake Puzzle (Ny zava-mahagaga momba ny horohorontany tao Karonga), nametraka sy namaly ilay fanontaniana i Muza Gondwe:
The first quake struck on the evening of Sunday 6thgovernment and Red Cross are providing assistance to the victims of the earthquake but equally the government should also provide answers as to what happened? Do people understand what causes earthquakes: do they deem it an act of God, punishment from angry ancestors, or a sign of the end of days?
December, then a larger quake the next morning, followed by a series of aftershocks in the Karonga District of Northern Malawi. The ground was shaking as far as Mzuzu 150km away with the biggest quake measuring 5.9 on the Richter scale. My parents who live in Rumphi between Mzuzu and Karonga, ran out of the house during each tremor wondering whether this was final days. Twelve tremors were felt across three days. Homes and buildings have been damaged, one fatality when a child died after a wall fell on him.
Ny harivan'ny alahady faha- 6 no namely ny horohorontany voalohany. Nanome fanampiana ho an'ireo traboina tamin'ilay horohorontany ny governemanta sy ny Vokovoko Mena kanefa tsy tokony hanome fanazavana mikasika ny zava-nitranga ihany koa ve ny governemanta ? Fantatry ny olona ve ny antony mahatonga ny horohorontany: heverin'izy ireo ho asan'Andriamanitra ve izany sa sazy avy amin'ny hatezeran'ireo razana, sa marika fara-andro?
Desambra, avy eo nisy horohorontany naharitra ela kokoa ny ampitso maraina, ary narahan'ny horohorontany nifanesy tany amin'ny Distrikan'i Karonga Avaratr'i Malawi. Nihovitrovitra ny tany hatrany Mzuzu tany amin'ny 150km nahatsapana horohorontany mahery vaika mirefy 5,9 tamin'ny maridrefy Richter. Nihazakazaka nivoaka ny trano isaky ny mihovitra ny tany ny ray aman-dreniko mipetraka ao Rumphi eo anelanelan'i Mzuzu sy Karonga sady nanontany tena hoe andro farany ve izao. Horohorontany miisa roa ambin'ny folo no re nandritra ny telo andro. Simba ny tranon'olon-tsotra sy ny trano lehibe, maty ny zaza iray rehefa nianjeran'ny rindrina.
Raha niezaka nanazava araka ny fomba fijery ara-jeolojia i Muza, i Ndagha kosa nizara ny fahasosorany tamin'ny tsy firaharahian'ny antoko politika ao Malawi izay nambarany fa mety nihazakazaka nakany Karonga raha toa ka fotoanan'ny fanentanam-pifidianana izany.
Is it that the parties do not have the money to give out to the victims or the area is not campaign friendly? I remember that earlier in the campaign period for 2009 elections, politicians competed against each other by out-giving money to Ndirande market fire “victims” in Blantyre.
You may wish to note that no one was reported dead or even injured yet the victims got over 5 million Kwacha in total. Compare that with Karonga when only 2.5 million Kwacha was given by Dr Bingu wa Mutharika!
Come on parties, be responsible and demonstrate that you are who you claim. This is when your electorate reallyneeds you.
Moa ve tsy manam-bola omena ireo niharam-boina ny antoko sa tsy fotoanan'ny fanentanana fifidianana ho an'ny faritra izao ? Tadidiko fa tamin'ny fiandohan'ny fampielezan-kevitra tamin'ny fifidianana tamin'ity 2009 ity, nifaninana ny mpanao politika nanome vola ho an'ireo niharam-boina tamin'ny fahamaizan'ny tsena Ndirande tany Blantyre.
Raha voamarikareo dia tsy nisy olona voalaza fa maty na naratra nefa nahazo vola mitotaly mihoatra ny 5 tapitrisa Kwacha ireo niharam-boina. Ampitahao amin'ny zava-nitranga tao Karonga izany raha tsy nisy afatsy 2 tapitrisa Kwacha monja no nomen'i Dr Bingu wa Mutharika!
Raiso ny adraikitrareo ry mpanao politika ary asehoy fa tena toy ilay lazainareo momba ny tenanareo mihitsy ianareo. Izany no tena ilain'ny mpifidy avy aminareo.
Mandritra izany fotoana izany, nandiso ny tsaho niely ny Minisiteran'ny Loharanon-karena Voajanahary, Angovo ary ny Tontolo Iainana fa vokatry ny asa fitrandrahana tao Kayerekera izay any amin'ny 35 km miala ny foiben'ny distrika ny horohorontany tao Karonga. Nilaza ny minisitera fa ankalamanjana ny toeram-pitrandrahana uranium ary tsy misy asa any ambanin'ny tany ka tsy misy ifandraisany amin'ny horohorontany noho izany.
Taloha kelin'ny horohorontany tany avaratr'i Malawi, nandalo olana ara-toekarena efatra lehibe i Malawi mikasika ny solika, ny fanakalozana ny tsenam-bola vahiny, ny herinaratra ary ny rano. Nahatonga ilay bilaogera i Austin Madinga nanontany tena izany raha mba nandray lesona tamin'ny zava-nitranga ny mpitondra ao Malawi :
We have water shortages in Blantyre, power and fuel shortages country wide and a general lack of foreign exchange. Left unchecked these can have debilitating effects on our economic growth. Various players have promised to resolve or ease the current pressures but when? The question I keep asking myself is will Malawians will come out of all these events any smarter?
Manana tsy fahampian-drano isika any Blantyre, ny fahatapahan'ny herinaratra sy ny tsy fahampian'ny solika manerana ny firenena ary ny tsy fahampian'ny [fifanakalozana amin'ny tsenam-]bola vahiny. Mety hisy fiantraikany miiba amin'ny fivoaran'ny toe-karena izany raha tsy misy ny vahaolana. Mpisehatra samihafa no nampanantena ny hamaha na hanamaivana ny olana ankehitriny kanefa rahoviana ? Ny fanontaniako amin'ny tenako hatrany dia hoe ho tafavoaka amin'ireny olana ireny amin'ny fomba hendry kokoa ve ny Malawita ?
Momba ny krizin'ny solika, niezaka nametraka ny toe-draharaha tamin'ny fomba fijery ara-tantara ilay mpanao gazety Richard Chirombo tamin'ny fanamarihana fa raikitra tany Mozambika ny sambon'i Malawi noho ny fihenan'ny fampiasana ny seranan'i Beira.
MALAWI has for the past ten years registered a sharp decline in the use of Beira Port in Mozambique, according to traffic statistics sourced from the port’s authority.
A report from Cornelder de Mozambique, the company that won a 25 year-long concession from the Government of Mozambique in 1998 to run the port, points to a sharp decline in the use of the port by Malawian exporters and importers.
It says, for instance, that, while the country’s imports and exports traffic amounted to 570 million metric tonnes in 1998- and went on to reach a 1, 3 million metric tonnes peak in traffic in 2002- Malawi has failed to beat its own record peak of 2006.
Tato anatin'ny folo taona, araka ny antontanisa momba ny fifamoivoizana navoakan'ny seranan-tsambo dia nahitana fihenana ny fampiasan’ i MALAWI ny seranana Beira any Mozambika.
Araka ny tatitra avy amin'ny Cornelder de Mozambique, nilaza ny orinasa nomen'ny Governemanta Mozambikana hitantana ny seranan-tsambo mandritra ny 25 taona tamin'ny taona 1998 fa nihena ny fampiasan'ny Malawita mpanafatra sy mpanondrana entana ny seranan-tsambo.
Nilaza ity orinasa ity, ohatra, fa nahatratra 570 tapitrisa taonina tamin'ny 1998 ny fanafarana sy ny fanondranana entana tao amin'ny firenena – ary nahatratra 1,3 tapitrisa taonina tamin'ny taona 2002- tsy nahavita nihoatra ny fanondranany sy ny fanafarany entana betsaka indrindra tamin'ny taona 2006 i Malawi.
Nifanome tsiny ny mpanafatra solika sy ny governemantan'i Malawi sy Mozambika noho ny krizin-tsolika izay nianjady tamin'i Malawi nandritra ny efatra herinandro nifanesy ary tamin'ny volana Novambra sy Desambra.