- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mpanao fihetsiketsehana “Manila Pride” mamaly bontana sy mitantara ny fijaliana iaretana rehefa ahiboky ny polisy

Sokajy: Azia Atsinanana, Filipina, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Tanora, Vehivavy sy Miralenta, Zon'ny Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana (LGBT), Zon'olombelona
[1]

Ireo mpanao hetsika Fireharehana (Pride), feno fihantsiana, tao anatin'ny paositry ny pôlisy tao Manila. Sary avy ao amin'ny pejy Facebook Altermidya – People's Alternative Media Network, nahazoana alàlana.

Ny 26 Jona, nisy hetsika Fireharehana iray nokarakaraina tao Manila, Filipina mba hanoherana ny fampandalovana ilay tolodalàna hiadiana amin'ny heloka bevava sy ny fandraisana an-tànana ataon'ny governemanta ny [2]olan'ny COVID-19. Nisambotra [3] olona 20 ny pôlisy, ary niampanga azy ireny ho nanohitra sy tsy nankatoa manampahefana, nivorivory tsy nahazo alàlana ary nanitsakitsaka ny Andininy Faha 11332 amin'ny Lalànan'ny Repoblika, ilay lalàna momba ny Tatitra mahakasika ireo Areti-mifindra. Ny 30 Jona, navotsotra izy ireo [4] mandra-piandry ny fanadihadiana fanampiny.

Carla Nicoyco, poeta sady mpikambana iray ao anatin'ilay vondrona Bahaghari mpikatroka ho an'ny zon'ireo LGBTQ+, nizara tamin'ny Global Voices tamin'ny alàlan'ny Facebook Messenger izay zavatra niainany nandritra ilay hetsipanoherana, ny fisamborana ary ny fanibohana azy. Voalohany indrindra, nohazavainy ny antony nikarakaran-dry zareo hetsipanoherana Pride iray tao Mendiola, toerana iray akaikin'ny lapan'ny filohampirenena:

Inoanay fa ao anatin'ny tena maha-izy azy, ny Pride dia hetsipanoherana, ary ho izay hatrany; ny hoe Rehareha dia midika tolona / valy bontana. Ary dia izay no antony nanaovany diabe nankao Mendiola hitondra ny fitakian'ireo olona mba hananany zo ara-pahasalamana, fanampiana ara-toekarena ary demaokrasia.

Afaka hita ao anatin'ity bitsika ity ireo sary tamin'ilay hetsipanoherana:

VAOVAO MAFANA. Naparitaky ny pôlisy ny Diabe Pride iray tao Mendiola, Manila ny Zoma 26 Jona 2020 teo ary nosamboriny ireo mpikatroka LGBTQ+

Mihoatra ny 10 ankehitriny ireo mpikatroka no voatazona ao amin'ny Paositry ny Pôlisy ao  Manila. Sary natolotr'i Bayan Muna
(eo amin'ny sary: ireo mpanao hetsipanoherana manofahofa ny saina miloko avana aorian'ireo sakana polisy manao tohivakana. Manao arotava avokoa ny tsirairay ary vehivavy iray manandratra ambony ny takelaka mivaky hoe “Aoka izay ny filàna vaniny atao amin'ireo ankizy LGBT+”. Eo akaikiny, misy iray amin'ireo mpanao hetsika no toa mifandramatra amina pôlisy iray.
#PrideMonth [5] #PrideMonth2020 [6] pic.twitter.com/yXfqSOIyP7 [7]

Nahazo tehaka nirefodrefotra ny fanapahankevitra hanao ilay famoriana olona tao Mendiola, satria sambany hatramin'ny nisian'ny fepetra ara-pahasalamana no nisy vondrona iray sahy nanao hetsipanoherana teo akaikin'ny lapan'ny filohampirenena hatramin'ny Martsa nanombohana nametraka ny tsy maintsy hihibohana vokatry ny valanaretina  COVID-19.

ICYMI: Na teo aza ny fanajàna ny elanelana sy ny maha-lany andro an'ilay Bayanihan Heal As One Act, dia mbola nopaingorin'ny polisy ihany ny 20 tamin'ireo mpkambana sy mpiaradia amin'ny vondrona LGBTQ+  @Bahaghari_Natl [9] nandritra ny Diabe #Pride [10] tao Mendiola, vao maraina be tamin'ity androany ity pic.twitter.com/IreX4MMX14 [11]

Nampitain'ny Bahaghari ny antson'ireo vondrona marobe manohitra ilay Volavolan-dalàna momba ny Asa Fampihorohoroana noho ilay izy miaty andininy maro mety hamadika ho heloka bevava [13] ireo endrika maron'ny fanoherana. Notefotefohany ihany koa ny governemantan'ny filoha Rodrigo Duterte noho ny fandraisany an-tanana ho toy ny ‘raharaha miaramila’ [14] ny fiatrehana ilay valanaretina raha ny fitsinjaràna fanampiana ho an'ireo olona nafindra toerana no tokony hifantohana.

Carla Nicoyco nanampy hoe:

Toy ny hoe ny 2020 no farany ho an'izao tontolo izao. Tahotra sy horohoron-tsaina, fankahalàna ary herisetra no nanamarika azy. Ambony kokoa ny tsivalankazo tratrarina amin'izao fotoana izao satria isika miaina valanaretina iray eo ambany fiahianà governemanta iray tsy mahavita azy sy tsy misy ilàna azy sy tsy mahafantatra afa-tsy ny mandray an-tànana amin'ny fomba miaramila izay olana rehetra miseho. Ny Fireharehàna tamin'ity taona ity, 51 taona taorian'ny Stonewall, dia vao mainka manome ohatra fa ny vondrompiarahamonin'ireo LGBTQ+ dia mbola tsy malalaka raha tarafina amin'ireo fisamborana an-kerisetra sy fitazonana natao ny Pride 20.

[15]

Ireo mpanao hetsika Fireharehana tao anatin'ny paositry ny pôlisy tao Manila. Sary avy ao amin'ny pejy Facebook Bahaghari, nahazoana alàlana

Avy eo notantarainy ny zavatra niaretany niaraka tamin'ireo namany tao anatin'ny paositry ny pôlisy tao Manila:

Azonay lazaina fa diso fanantenana izahay saingy tsy gaga tamin'ny herisetra nataon'ny pôlisy tamin'ny Pride 20. Nandritra ny nitazonana anay, notazoninany ny toetra mailo sy tsy nanaiky ho resy. Efa ho andro dimy, niainanay izao karazana fampijaliana rehetra izao, niainga tamin'ny ady fampahorian-tsaina ka hatramin'ny sotasota ara-nofo. Natao tamin'ny toerana nisaraka ireo lehilahy sy vehivavy voatàna, ka zoro iray ihany no nomena ho anay tany.

Nifoka sigara ireo manampahefana na dia feno soratra “Tsy azo ifohana” aza teny rehetra teny; tetezin-dry zareo itsahany ny kidoro nandrianay rehefa mandalo ny faritra misy anay izy ireo; tsy nahita izay tara-masoandro izahay, satria tena ara-bakiteny ny hoe teo aminà zoro iray tsy niova tao amin'ilay birao no nisy anay nandritra ny fotoana rehetra; nandraman-dry zareo ny nitondra pelaka iray nihataka teo mba ho alaina am-bavany; nandraman-dry zareo ny nanakana vehivavy iray ‘trans’ (nanova fananahana) tsy hijanona miaraka amin'ireo vehivavy rehetra voatàna; ary indray alina, nilaozan'ny manampahefana iray nijery sarimihtesika vetaveta sy nilalao ny filahiany tao amin'ilay toerana nametrahana ireo vehivavy.

Naneho fisaorana izy ho an'ny fanohanana goavana nataon'ireo vondrona marobe sy olontsotra, nandritra ny nitazonana an-dry zareo, izay ninoany fa singa iray nisy lanjany tamin'ny famotsorana an-dry zareo:

Ireny rehetra ireny no niaretanay efa ho andro dimy be izao, ary tsy tafavoaka velona tao izahay raha tsy nisy ireo fikambanana isankarazany sy ireo olontsotra , teto sy avy any ivelany, izay nitondra fanampiana ara-tsaina sy ara-pitaovana ho anay.

Farany, nofintininy taminà hafatra iray makotroka mitodika any amin'ny vondrompiarahanonina LGBTQ+:

Niaina niafina tanaty aloka sy tahotra isika pelaka. Miaina ao anaty tontolo iray tsy maniry ny hisiantsika isika. Toy ireo sehatra hafa iharan'ny famoretana ao anatin'ny fiarahamonina, niainantsika ny fanararaotana, ny tsy rariny, ary ny herisetra nihatra tamin'ny tenantsika mivantana. Alahelo no nolanjaintsika teny anivon'ny tontolo nefa fantatsika fa misy iray tsaratsara kokoa. Saingy eto isika. Midrikina isika manohitra ny sedra rehetra. Fanoherana ny androm-piainantsika. Eto isika handrava ireo rafitra mpamoritra, hanova ny zavatra tsy azontsika ekena. Isika mijoro miaraka amin'ireo rahalahy sy anabavy manerana ny tany. Tsy maintsy mijoro manohitra ny fitondran'i Duterte, ary ireo fasista hafa manerana ity izao tontolo izao ity, ireo bibidia mpanao tsirambina ireo. Jereo any anaty masony izy ireny ary mijoroa ho mpiaro ity fanovàna (revôlisiôna) ity miaraka amin'ireo herivelona rehetra mpilofo fatratra.

Taorian'ny namotsorana ireo mpanao hetsipanoherana “Pride 20″, nametraka [16] setrim-pitoriana an'ireo pôlisy ry zareo noho ireo fisamborana tsy nanaraka ny lalàna, ny ratra ara-batana ary ireo fomba fitondra feno fanivaivàna.