- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Korea Atsimo: Mpitsikilo, Bitsika ary Sangy

Sokajy: Fahalalahàna miteny, Fanarahamaso, Fandrahonana-lalàna, Fiainana Manokana, Hehy, Mediam-bahoaka

(Fanamarihana: lahatsoratra fandrakofana lohahevitra iray manokana nataon'ny Global Voices tamin'ny taona 2014 – Ny rohy tsy misy fanamarihana manokana dia mitondra ho amin'ny lahatsoratra amin'ny fiteny anglisy)

Koreans protesting the 2012 election manipulation scandal and clampdown on labour groups on 28 December 2013. Tweeted by Twitter user @zwarin [1]

Koreana manohitra ny tantara ratsin'ny fanodinkodinana voka-pifidianana tamin'ny 2012 sy ny famoretana atao amin'ireo fikambanan'ny mpiasa tao Seoul ny 28 Septambra 2013. Bitsika nalefan'i @zwarin

Saika azo raisina eny rehetra eny [2] ny Wifi eto. Isan'ny iray haingana indrindra ny hafainganam-pandehan'ny aterineto [3] ao amin'ity firenena ity raha oharina amin'ny erantany. Ny renivohiny no nantsoina hoe “renivohitry ny onja mpampita [4]” (bandwidth) erantany. Araka izany dia tsy mahagaga raha hita miantrano eny anaty vovonana an-tserasera ireo adihevitra tena mivaivay indrindra momba ny pôlitika, ny toekarena ary ny kolontsaina ao Korea Atsimo.

Saingy naborak'ireo [5]mpitoroka fa ny governemanta no tena milalao tsy tapaka an'io habaka io.

Tena nampivanàka ireo Koreàna ny halehiben'ny tantara ratsin'ny fanodinkodinana voka-pifidianana tamin'ny 2012 sy ny fitsabahan'ireo sampam-pitsikilovana sangany ao Korea Atsimo.

Nanomboka teo, nisy ny famoretana natao an'ireo fikambanana mpiasa [6] [mg], nampangain'ny governemanta ireo mpitsikera ho mpomba an'i Korea Avaratra [7][mg], ary ny tontolo iainana ankapobeny ao amin'ny firenena dia tsy mitsahatra ny mitombo mankany amin'ny filàna vaniny amin'ireo mpanao gazety [8].

Efa taona iray mahery izao, nanao hetsipanoherana ny fanodinkodinana vokapifidianana sy ny fitsabatsabahana manohintohina ny fahalalahana maneho hevitra an-tserasera ry zareo Koreàna Tatsimo, ao anatiny  [6][mg] sy ivelan'ny [9] firenena.

Tantara ratsin'ny fanodinkodinana vokapifidianana
Nandritra ny fifidianana izay ho filoha, natao tamin'ny 2012, nandefa bitsika 1,2 tapitrisa ny National Intelligence Service, ilay sampam-pitsikilovana sangany indrindra ao amin'ny firenena, ary ny Fibaikoana ny Ady anaty Aterineto an'ny Minisiteran'ny Fiarovana kosa nandefa bitsika 23 tapitrisa mba hampitongilanana ny fironan'ny daholobe ho amin'ny tombontsoan'ny governemanta [10]. Tsy hoe fotsiny namely ireo kandidà mpanohitra ireny hafatra ireny, fa koa notondroina ho ‘mpomba an'i Korea Avaratra’ ireo rehetra manakiana ny governemanta,

Ny làlan-kodiavina
An'aliny ireo nanohy ny hetsipanoherana ary marobe ireo mpitoroka feno fahasahiana [5] no nanao ampamoaka goavana mifandraika amin'ny halehiben'ny fanodinkodinana vokapifidianana sy ny fanaovana ramatahora. Kanefa, toa mbola maizina hatrany ny làlan-kodiavina.

Azo lazaina ho nivoaka tsy naratra tamin'ilay tantara ratsin'ny fanodinkodinana vokapifidianana ny sasany tamin'ireo mpisehatra fototra; misy ny fanarahamaso vao mainka mihamafy atao amin'ireo sehatra an-tserasera, ka isan'ireny ireo lalao an-tserasera, [11]ny tranonkala miresaka mozika sy kolontsaina; ary ny famoretana misy amin'izao fotoana izao atao an'ireo fikambanan'ny mpiasa, ireo feo mpanohitra, ary izay rehetra vondrona mpampahalala vaovao mitsikera ny governemanta.

Fandrakofana

2014
*20 Jan South Korea Accused of Rewriting History in High School Textbook [12]
*02 Jan South Korean Authorities Discredit Dissenting Voices as ‘Not-Real’ News [8]

2013
28 Des SARIPIKA: Koreana Tatsimo 100.000 Manohitra Fanodinkodinana Valim-pifidianana, Fanampenam-bava Sendika [6] [mg]
24 Des Korea Atsimo: Tsy Fahombiazana Tsy Mba Fanadino Ny Fandravàna Nataon'ireo Mpitandro Filaminana Miisa 4000 [13] [mg]
21 Des SARIPIKA: Fanoherana Ny Fanodikodinana Ny Hevi-Bahoaka Tamin'ny Fifidianana Filoham-Pirenena Koreana Tatsimo Natao Tao New York, Paris, Londona [14] [mg]
20 Des ‘Tsy Ao Tsara Isika !’ Afisy Mivezivezy Any Amin'ny Anjerimanontolo Koreana Tatsimo [15] [mg]
18 Des Manakana Fihetsiketsehana Any Etazonia Ry ‘Dadabe Daban-Dasantsy’ Avy Any Korea Atsimo [16] [mg]
9 Dec The Man Who Helped Reveal South Korea's Election Manipulation Online [5]
28 Nov Korea Atsimo : Voampanga Ho ‘Mpomba ny Tavaratra’ Ny Pretra Katolika iray Nitsikera Ny Governemanta [7] [mg]
25 Nov Nandefa Bitsika 24,2 Tapitrisa ny Masoivoho Fitsikilovana Sy Ny Tafika Mba Hanodikodinana Ny Fifidianana Any Korea Atsimo [17] [mg]
23 Nov Mandrisika Ireo Vavahadin-tserasera Lehibe Hifehy ny Vavany Ve i Korea Atsimo? [18] [mg]
*30 Oct South Korea Wants to Regulate Online Gaming Like Drugs and Alcohol [11]
24 Sep Korea Atsimo: Tsipahan'ny Mpitondra Katolika Ny Sampan-dRaharaha Fitsikilovana [19] [mg]
*11 Sep South Korean Film Questioning Warship Sinking Pulled from Theaters [20]
*23 Aug Special Probe into South Korean Spy Agency's Electioneering Falls Flat [21]
*05 Jul Protests Erupt in South Korea Over Spy Agency's Electioneering [22]
01 Feb Nandray Am-po Ny Fitsikerana Azy Ny Sampam-pitsikilovana Ao Korea Atsimo .. ka Nitory [23] [mg]
14 Jan Mihatakataka Amin'ilay Mpiantsehatra Mafana Fo Ara-politika Ny Tele Koreana Tatsimo [24] [mg]

2012
*19 Nov Confessions of Paid Political Trolls in South Korea [25]

Loharano