Mpianatra nitarika hetsi-bahoaka anoherana ny jadona teo amin'ny Tsangambaton'ny Demaokrasia ao Thailandy

Mpanao fihetsiketsehana mivory eo amin'ilay Tsangambaton'ny Demaokrasia manatantara. Saripika avy amin'i Prachatai.

Ny lahatsoratra etoana dia avy amin'i Prachatai, tranonkalambaovao mahaleotena iray ao Thailandy, nahitsy sy navoakan'i Global Voices indray araka ny fifanarahana fifampizarana votoaty.

Nanomana fihetsiketsehana ankalamanjana teo amin'ny Tsangambaton'ny Demaokrasia ny vondron'ny mpianatra Free Youth Movement (Hetsiky ny Tanora Afaka) ny takarivan'ny asabotsy (18 Jolay) ho fanoherana ny governemanta ary ho fiantsoana ny handravana ny parlemanta sy ny fanitsiana ny lalampanorenana, ary ny hampitsaharan'ny manampahefana ihany koa ny fanelingelenany ny olompirenena mampihatra ny fahalalahana maneho hevitra.

Mialoha ny hanombohan'ny hetsika tamin'ny dimy ora hariva, nampiana tavim-boninkazo ny zaridaina manodidina ny Tsangambaton'ny Demaokrasia, ka nameno ny toerana tokony hitsahana. Nisy andiana polisy manao fanamiana ihany koa nijoro ambadika ny fefy manodidina ny tsangambato.

VAKIO BEBE KOKOA ny momba ny krizy politika ao Thailandys,ny fisandratan'ny governemanta tohanan'ny miaramila, ary ny fanonganam-panjakana tamin'ny taona 2014

Nahitana andiana polisy mpanaramaso teo akaikin'ny tsangambato manodidina ny amin'ny 6:30 p.m. (hariva) raha nahatsikaritra fiara mpitondra tafondron-drano mizotra mankany amin'ny toeram-pihetsehana ihany koa ny mpanangom-baovaon'ny Prachatai iray tany ho any amin'ny fito ora hariva tany.

Maro dia maro ireo mpiantsoroka nalefa manodidina ny faritra, sy napetraka tao anatin'ny Sekoly Satriwithaya. Nisy fotoana nandritra ny takariva, nihiakiaka ihany koa ny mpanao fihetsiketsehana fa mahita mpiantsoroka tamin'ny rihana ambony amin'ny sekoly iray ry zareo.

Nifandona ny mpiantsoroka sy ny mpanao fihetsiketsehana tamin'ny takariva raha nisy vondrona iray niezaka ny hanaisotra ny fefy vy napetraka manodidina ny toeram-pihetsiketsehana.

Tamin'ny 9:20 p.m. (alina), nisy mpiantsoroka nanao fanamiana sivily nikasa ny hisintona mpanao fihetsiketsehana roa, izay lazainy fa fanivaivana ny fitondram-panjaka tokana ny sora-baventin-dry zareo, saingy nanakana azy ireo ny mpanao fihetsiketsehana hafa ary nanery ireo mpiantsoroka ireo hiala ny toerana.

mpiantsoroka manao fanamiana nijoro ambadika ny fefy manodidina ny Tsangambato. Saripikan'ny Prachatai.

Nandritra ny hetsi-panoherana, nifandimby nikabary ny solontenan'ny mpianatra, ao anatin'izany ny filohan'ny Student Union of Thailand (SUT na Sendikàn'ny Mpianatra Thailandy) Juthatip Sirikhan, ny mpianatra mpikatroka Parit Chiwarak, ary ny mpianatra mpikatroka Jatupat “Pai Dao Din” Boonpattaraksa, ary tahaka izany ihany koa ny mpianatra iray avy amin'ny King Mongkut's Institute of Technology Ladkrabang, izay nilaza fa ny fanonganam-panjakana tamin'ny taona 2014 mitaratra ny tsy fisian'ny solontenam-bahoaka no nanimba ny fampanjakana ny lalàna sy ny firobooboam-pirenena.

Nanatevin-daharana ny hetsika ihany koa i Panupong Jadnok, iray amin'ireo mpikatroka avy amin'ny vondrona Fitarihan-Tanora Tatsinanana izay nijoro hanohitra teo anoloan'ny DVaree Diva Central Rayong Hotel nandritra ny nanaovan'ny Praiminisitra  Gen Prayut Chan-o-cha fitsidihana tamin'ny 15 jolay.

Another summons was delivered to my house today. If you think that you can use these summonses to stop me, you think wrong. People like me are born only once and die only once. I was just holding up a sign saying ‘“Don’t let your guard down, dad’ and you can’t take it. If you can’t take it, then you shouldn’t be prime minister and should just resign.

Nisy fiantsoana iray hafa ihany koa nentina tao an-tanoko androany. Diso hevitra ianareo raha mihevitra fa afa-mampiasa ireo fampiantsoana ireo ianareo hampitsaharana ahy. Indray mandeha ihany no teraka ny olona tahaka ahy ary maty indray mandeha monja. Nitezona sora-baventy fotsiny aho milaza hoe “mailo dada ary tsy afa-maka ity ianao. Rehefa tsy afa-maka ity ianao dia tsy tokony ho praiminisitra ary tokony hiala.

Nikabary ihany koa i Anon Nampa mpisolovavan'ny zon'olombelona, nitarika ny mpanao fihetsiketsehana hihiaka fanohanana ireo mpialokaloka ara-politika na maty na velona, ireo gadra voaheloka amin'ny lalànan'ny lèse-majesté, ary i Tiwagorn Withiton, ilay mpisera Facebook namoaka ny sarin'ny tenany miakanjo ilay T-shirt malaza vetivety hoe “very ny finoako ny fitondram-panjaka tokana” ary noterena hampidirina any amin'ny hopitaly fitsaboana marary saina tamin'ny herinandro. Nilaza i Anon:

We are calling for the dissolution of parliament because this government came from an unfair election. After the election, the Future Forward Party was dissolved. We are calling for state officials to stop threatening citizens, to not be a slave to dictatorship, and to draft a new constitution, because no constitution anywhere gives a dictator the power to appoint 250 senators to vote for himself to be prime minister. That is shameless.

Miantso ny fandravana ny parlemanta izahay satria teraka avy amin'ny fifidianana tsy ara-drariny ity governemanta ity. Taorian'ny fifidianana, nofoanana ny Antoko Mankany amin'ny Ampitso. Miantso ny manampahefam-panjakana izahay hampiato ny fandrahonana ny olompirenena, tsy ho andevon'ny jadona, ary handrafitra lalampanorenana vaovao, satria tsy lalampanorenana any ankafa hanome fahefana mpanao didijadona hanendry senatera miisa 250 hifidy azy ho praiminisitra. Mahamenatra izany.

Tamin'ny 7 ora hariva ny mpikarakara nangataka tamin'ny mpanao fihetsiketsehana hamelona ny jiro fanazavan'ny telefonina ary hampitodika izany mankany amin'ny Tsangambaton'ny Demaokrasia. Araka ny mpikarakara, naharitra 112 segondra io lahasa iray io.

Tamin'ny 8:45 p.m. (alina), namaky fanambaràna ny solontenan'ny Hetsika Tanora Afaka, izay namoahana ireto fitakiana telo manaraka ireto:

-The dissolution of the Palang Pracharat-led parliament which has failed to handle the Covid-19 situation;
-An end to harassment by the authorities of people who are exercising their freedom of expression;
-The replacement of the current constitution, which favors the regime, with a new one which is meant for the benefit of the people.

Ny fandravana ny parlemanta tarihan'ny Palang Pracharat izay tsy nahavita nitantana ny toe-draharahan'ny Covid-19;
Famaranana ny fanorisorenan'ny manampahefana ireo olona mampihatra ny fahalalahany miteny;
Fanoloana ny lalampanorenana amin'izao fotoana, izay manome vahana ny mpitondra, amin'ny iray vaovao izay ho amin'ny tombontsoam-bahoaka.

Nilaza ihany koa ry zareo fa omeny roa herinandro ny governemanta hamaliana ny fitakian-dry zareo, na raha tsy izany dia ho ataony mafy kokoa ny hetsika.

Mpanao fihetsiketsehana namelona ny jiron-telefonina sy nitazona azy ireny mitodika any amin'ny Tsangambaton'ny Demaokrasia. Saipikan'ny Prachatai.

Nanatevin-daharana ny hetsika ihany koa ny vonjdrom-pianatra Spring Movement (hetsika lohataona), nitondra afisy “ombay mitady” miloko vony sy ny anaran'ireo lasibatra fampanjavonana ankaterena, toa an'i Somchai Neelapaijit, Haji Sulong Tomina, Surachai Sae Dan, ary Siam Theerawut.

Teo akaikin'ny faribolan'ny Tsangambaton'ny Demaokrasia, anoloan'ny McDonald’s sy ny Sekoly Satriwithaya, no niorenan'ny hetsika ary olona manodidina ny 500 no teo tamin'ny voalohany fa nahatratra manodidina ny 2000 avy eo. Nironana tao amin'ny Twitter ny farangon-teny #เยาวชนปลดแอก (#TanoraAfaka) sy #respectdemocracyTH, noho ny fampiasana azy ireo hifampizarana torohay momba ny hetsi-panoherana.

Manodidina ny tamin'ny 9:30 p.m. (alina), nisy roalahy hita nihazakazaka nanavatsava ny vahoaka ary niezaka ny handrava ny tranolain'ny mpikarakara, izay niteraka fikorontanana teo amin'ny mpanao fihetsiketsehana mialoha ny nahafahan'ny mpiambina nifehy ny toe-draharaha ka namoaka ireo roalahy ireo ivelan'ny faritra.

Efa nanambara mialoha ny mpikarakara fa hijanona eo amin'ny Tsangambaton'ny Demaokrasia ry zareo mandra-pahatonga ny amin'ny valo ora maraina alahady (19 jolay). Na izany aza dia nanapa-kevitra ny hamarana ny hetsika ry zareo amin'ny sasakalina noho ny antony ara-piarovana.

Afisy “ombay mitady” tazonin'ny vondrona mpikambana ao amin'ny Hetsika Lohataona. Saripikan'i Prachatai.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.