- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Sarimiaina hanoherana ireo hevi-diso momba ny valanaretina Ebôlà

Sokajy: Afrika Mainty, Ginea, Liberia, Sierra Leone, Fahasalamàna, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Voina

(Fanamarihana avy amin'ny mpandika: Lahatsoratra fandrakofana manokana ny valanaretina Ebôlà tamin'ny 2014 izy ity. Ny rohy tsy nasiana fanamarihana dia mitondra mankamina lahatsoratra amin'ny teny Anglisy)

Niaraka niasa ny United Methodist Communications, Chocolate Moose Media ary iheed mba hamokatra  sarimiaina iray ho alefa any Afrika Andrefana [1] ho entina miady amin'ireo hevi-diso momba ny fomba fifindràn'ny valanaretina Ebôlà, ary ho entina misoroka ilay aretina. Ny  United Methodist Communications no namatsy vola tamin'ny ampahany ny famoronana ilay sarimiaina, notontosain'ny Chocolate Moose Media, izay navoaka taminà fiteny marobe, toy ny anglisy, frantsay ary fiteny hafa maro avy ao Afrika Andrefana. Firenena folo no nifandrimbona mba hamoaka ilay sarimiaina : Kanadà, Ginea, India, Côte d’Ivoire, Liberià, Nizerià, Afrika Atsimo, Sierra Leone, Soisa ary Etazonia.

Ny ady ataon'i Afrika Andrefana hanakànana ny Ebôlà (#StopEbola) [2]