- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Viriosy Ebôlà: nahafaty olona 59 tao Ginea ary manatona an'i Conakry

Sokajy: Afrika Mainty, Ginea, Fahasalamàna, Mediam-bahoaka, Siansa, Vaovao Mafana, Vonjy Voina

(Fanamarihana avy amin'ny mpandika: Lahatsoratra fandrakofana manokana ny valanaretina Ebôlà tamin'ny 2014 izy ity. Ny rohy tsy nasiana fanamarihana dia mitondra mankamina lahatsoratra amin'ny teny Anglisy)

Ebola virus virion via wikimedia Commons - Public Health Image Library, #10816- public domain [1]

Selan'ny viriosy Ebôlà tao amin'ny wikimedia Commons – Sary an'ny Tahirimbokin'ny Fahasalamam-Bahoaka, #10816- sehatra ho an'ny daholobe

Raha kely indrindra dia 59 no olona matin'ny fiparitahan'ny valanaretina Ebôlà tao Ginea ary tranga ahiahiana vitsivitsy hita any akaikin'i Conakry renivohitra no mahatonga hieritreritra fa mety efa niparitaka ao amin'ny renivohitra gineàna ilay aretina. Barbara Krief no manome ny fanavaozana farany [2] [fr]:

Au moins huit agents de santé ont été tués à ce jour. En collaboration avec le ministère guinéen de la Santé, l'Unicef a rapidement livré dans les zones les plus affectées cinq tonnes de médicaments et d'équipements médicaux tels que des gants, nattes plastiques, couvertures, protège-nez, et des solutions de réhydratation orale et intraveineuse pour protéger le personnel médical et traiter les malades

Raha kely dia vao ireo mpiasan'ny fahasalamana maty androany. Niarahana niasa tamin'ny ministeran'ny fahasalamàna ao Ginea, fanafody dimy taonina sy fitaovana fitsaboana toy ny fonon-tànana, fitafy plastika, bodofotsy, tampinorona, ary ranom-panafody ho famerenana ny fahaverezan-drano (fisotro sy fampiditra anaty lalandrà) no naterin'ny UNICEF haingana tany amin'ireo faritra tena mizaka ny aretina mba hiarovana ireo mpiasan'ny fahasalamàna sy hikarakaràna ny marary.

Ito misy lahatsary manome torohay momba ny fiarovantena tsy ho tratry ny viriosy Ebôlà :

Ny ady ataon'i Afrika Andrefana hanakànana ny Ebôlà (#StopEbola) [3]