Ny ady ataon'i Afrika Andrefana hanakànana ny Ebôlà (#StopEbola)

(Fanamarihana avy amin'ny mpandika: Lahatsoratra fandrakofana manokana ny valanaretina Ebôlà tamin'ny 2014 izy ity. Ny toromarika fisorohana lazaina ato anatiny anefa dia mifandraika sy ampiharina ho fisorohana ny valanaretina COVID-19. Ny rohy tsy nasiana fanamarihana dia mitondra mankamina lahatsoratra amin'ny teny Anglisy)

A resident walks past a mural about the dangers of the Ebola Virus painted on a wall off Tubman Boulevard in Monrovia, Liberia. September 18, 2014. Photo by United Nations Development Programme on Flickr. CC BY-NC-ND 2.0

Mponina iray mandalo eo amin'ny sary an-drindrina iray momba ny loza ateraky ny viriosy Ebôlà, sary eo amin'ny Tubman Boulevard ao Monrovia, Liberia. 18 Septambra 2014. Sary an'ny Fandaharanasan'ny Firenena Mikambana misahana ny Fampandrosoana tao amin'ny Flickr. CC BY-NC-ND 2.0

Hatreto dia aina manodidina ny 5.000 no lavon'ilay valanaretina ratsy indrindra teo amin'ny tantara, ary 10.000 raha kely no voalaza fa mitondra ny otrikaretina manerana an'i Afrika Andrefana.

Efa nandritra ny volana maro, ireo manampahefana mpisehatra erantany, miaraka amin'ireo eny an-toerana, no  mitolona hifehy ny fiparitahan'ilay valanaretina mahafaty, fa mbola mampisalasala be ny vokatra azo. Tamin'ny Jolay, rehefa tonga tao Lagos, tanàna be olona ao Nizerià, ilay valanaretina,  nihetsika malaky ireo manampahefana tao amin'ny firenena ary nahita fahombiazana tamin'ny famongorana ilay areti-mandoza.

Fa nahatratra ny faratampony ilay valanaretina tany Ginea, Liberià ary Siera Leone, toerana izay zara raha misy fitaovana ho entina hiatrehana ilay aretina ny rafitra natao hiahiana ny fahasalamàna any aminy noho ny fahakelezan'ny fampiasambola natokana ho an'ny fahasalamàna sy ny fanabeazana ary ireo taona marobe nisian'ny ady an-trano. Nizaka kiana ireo firenena manankarena sy ny Fikambanana Erantany Misahana ny Fahasalamàna (OMS) noho ny tsy nitondran'izy ireo fanohanana alohaloha kokoa ho entina manakana ilay valanaretina nialohan'ny tsy nahafehezana azy.

Mali dia miady mafy amin'izao fotoana izao mba hifehy ilay valanaretina taorian'ny nanamafisana ny fisian'ny tranga voalohany amin'ny Ebôlà tao aminy.  Ny Repoblika Demaokratikan'i Kôngô koa dia miaina fiparitahan'ny valanaretna Ebôlà, saingy ny viriosy nipoiran'ilay any an-toerana dia tsy misy ifandraisany mihitsy amin'ilay tomponantoka niavian'ny valanaretina ao Afrika Andrefana.

Zavamisy vs anganongano

Tsy misy fitsaboana azo atao amin'ny aretina Ebôlà, fa efa misy ireo vaksiny an-dalam-pandinihana. Mifindra amin'ny alàlan'ny fifaneraserana mivantana ilay viriosy, amin'ny rà misy aretina na tsiranoka hafa avy amin'ny vatana marary, ary ny vatan'ireo maty vao haingana noho ilay valanaretina no tena mora mamindra indrindra. Na eo aza ny mety hieritreretan'ny sasany azy, tsy ny moka no mitondra ny Ebôlà. Fanentanana ataon'ireo tomponandraikitry ny fahasalamàna ny fanasàna matetika ny tànana, fisorohana ny fifandraisana mivantana amin'ny olona mararin'ny Ebôlà na izay fitaovana nokitihan'ny olona iray tratry ny aretina Ebôlà, ary ny fitadiavana fitsaboana avy hatrany raha vao mahita soritraretina no aroso ho fomba tsara indrindra hiarovana ny tena.

Miparitaka be ny vaovao diso momba ny Ebôlà. Matetika ireo sisampaty no voahilikilika sy tsaratsaraina, na efa sitrana tamin'ilay aretina aza, ary atao ratsy fitondra noho ny zom-pirenen'izy ireny fotsiny ireo olona avy any amin'ireo firenena nisy ilay aretina kanefa tsy nararin'ny Ebôlà akory. Any Sierra Leone, Hannah Foullah dia mampiasa ny Facebook mba hiadiana amin'ireo fitsaratsaram-poana mifandray amin'ny aretina Ebôlà, amin'ny alàlan'ilay fanentanana  “Hatsaràna ho an'ny Firenena: 100% Sierra Leoniàna aho, Fa tsy Viriosy.”

Ny governemanta sy ireo trano famoahambaovao no nampangaina ho nisahotaka tamin'ny fomba tsy tomponandraikitra nanoloana ilay aretina. Nisy ireo politisiàna sasantsasany tany Etazonia nanosoka hevitra hametrahana fandraràna faobe ho an'ireo sidina sy fivezivezena avy any amin'ireo firenena afrikàna tandrefana, na dia vao mainka toa hanaratsy ny toedraharaha aza izany.

Ho entina manabe ny vahoaka momba ny tena zavamisy manodidina ilay viriosy, efa betsaka ireo fanentanana an-dalam-piketrehana any amin'ireo firenena tratr'ilay aretina ary manerana an'i Afrika.

Saingy manahy ireo sasany amin'ny mpanaramaso hoe tsy ampy ny hetsika atao hanakànana ny fiparitahan'ny Ebôlà. Aza miala amin'ny Global Voices raha te-hahazo fandrakofana misimisy kokoa momba ny fiparitahan'ny valanaretina Ebôlà.

Raha mila fanampimbaovao misimisy kokoa momba ilay viriosy, amin'ny teny Anglisy, tsidiho ny tranonkalan'ny OMS sy ny US Centers for Disease Control. Raha amin'ny teny Frantsay, tsidiho ny tranonkalan'ny Ministeran'ny raharaha sôsialy, Fahasalamàna ary ny Zon'ny Vehivavy ao Frantsa.

Bitsika mampiasa ny tenifototra

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.