- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tohizan'i Kambôdza ny fanakanana ny hetsika fanomezam-boninahitra an'i Kem Ley mpamakafaka politika novonoina

Sokajy: Azia Atsinanana, Kambodza, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Tantara, Zon'olombelona
[1]

Moanina sy tanora mpikatroka Kambodziana manodidina ny 20 no nosakanan'ny polisy tsy hanao lanonana ara-pivavahana Bodista teo akaikin'ny tobin-tsolika izay namonoana ilay mpamakafaka politika tamin'ny 10 Jolay 2016. Sary tao amin'ny pejy Facebook-n'ny Foibe Kambodziana ho an'ny Zon'olombelona.

Nosakanan'ny [2] polisy sy ny manampahefana tany Kambodza tsy hanao hetsika fahatsiarovana ny tsingerintaona fahefatra nahafatesan'i Kem Ley mpamakafaka politika ny olona sy vondrona vitsivitsy.

Novonoina [3] teo amin'ny tobin-tsolika iray tamin'ny 10 Jolay 2016 i Kem Ley. Betsaka no niahiahy fa nisy ifandraisany tamin'ny asany amin'ny maha mpitsikera sy mpamakafaka politika azy ity famonoana ity. Novonoina andro vitsivitsy izy taorian'ny nanaovany antsafa tao amin'ny onjampeo momba ny tatitra [4] nataon'ny Global Witness milaza ny antsipirihany momba ny kolikoly teo ambany fitondran'ny governemantan'i Hun Sen, izay nitondra ny firenena nanomboka hatramin'ny 1985.

Nilaza ilay lehilahy voampanga ho namono fa novonoiny i Kem Ley satria ananany vola ity farany. Saingy nisalasala [5] momba ny famotorana sy ny fitsarana ireo vondron'ny fiarahamonim-pirenena ary nanamafy fa mbola tsy notanana ho tompon'antoka ireo nahavanon-doza.

Isa-taona ny tsirairay sy vondrona isan-karazany nikarakara hetsika hanamarihana ity tsingerintaona ity hatramin'ny taona 2016 raha nandefa polisy marobe hanakorontanana [6] ireo hetsika ireo sy handrahonana ireo mpandray anjara kosa ny manampahefana.

Tsy nisy hafa tamin'zany ny nitranga tamin'ity taona ity.

Androany maraina, 8 Jolay 2020, tanora sy moanina manodidina ny 20 no tsy navela raha nikasa ny hivory tao amin'ny tobim-pivarotana solika Bokor Caltex tany Phnom Penh hanamarika ny fahatsiarovana ny fahaefa-taona nahafatesan'i Dr. Kem Ley izay maty notifirin'ny lehilahy iray nitàm-basy tamin'ny antoandrobenanahary.

Ny 8 Jolay, vondrona moanina sy tanora mpikatroka no nosakanan'ny polisy tsy hanao fotoam-pahatsiarovana teo amin'ny tobin-tsolika izay namonoana ilay mpamakafaka politika. Noterena kosa izy ireo hanao ny fotoam-bavaka [9] teny amin'ny lalan'ny mpandeha an-tongotra miala ny 100 metatra ny toerana.

Nisy tovolahy iray nanao T-shirt misy ny sarin'i Kem Ley nosamborina tamin'io andro io.

Tanora nanao T-shirt misy sarin'i Dr Kem Ley misy hafatra hoe “Dr. Kem Ley no olo-malazan'ny Fahalalaham-pitenenana” no nentina tany amin'ny biraon'ny polisy distrikan'i Chamkar Morn.

Ny ampitson'io dia nisy andian-jatovo mpitarika nosakanan'ny mpitandro ny filaminana tsy handeha hamonjy ny tranon'ny fianakavian'i Kem Ley ao Takeo.

Andiana moanina sy mpikatroka hafa no nosakanana ny 10 Jolay. Saingy mbola nanohy nanome voninahitra ilay mpamakafaka politika foana ny mpanohana azy tamin'ny alàlan'ny diabe nandeha kilometatra maromaro.

Kem Ley, mbola enjehin'ny manam-pahefana ihany ilay lehilahy miteny ny marina amin'ny fitondrana. Raha maro ny olona no teo an-toerana mba hahatsiaro ny faha-4 taona namonoana azy, tuk tuk 19 sy bisy iray voasakana ka tsy maintsy nandeha an-tongotra teo amin'ny 8 km teo izy ireo nankany an-tranony. Nanatevin-daharana azy ireo aho hanehoana ny firaisankinanay sy ny antso ho amin'ny RARINY!

Nitsikera [15] ny fihetsik'ireo manampahefana nandritra ny antsafa nifanaovana tamin'ny VOD news i Chheang Sinath, mpamily tuk-tuk (fiara kodiarantelo) sady mpikambana ao amin'ny Fikambanan'ny Demaokrasia Mahaleotena an'ny Sehatra Ara-toekarena tsy Ara-dalàna:

We just came to participate and show respect. Just participating and remembering [Kem Ley’s] sacrifice for society is seen as a wrongdoing [by authorities]. This is not appropriate unless we hold a demonstration or protest something. This is just a ceremony to pay gratitude to him, but authorities tried to stop us.

Tonga fotsiny izahay handray anjara sy hanome voninahitra. Toy ny heloka no fiheveran'ny [manampahefana] ny fandraisana anjara fotsiny sy ny fahatsiarovana ny sorona nataon'i [Kem Ley] ho an'ny fiarahamonina. Tsy rariny izany raha tsy hoe angaha hanao fihetsiketsehana na hetsi-panoherana isika. Fotoana natao hahatsiarovana azy fotsiny izany kanefa niezaka nanakana anay ny manampahefana.

Naneho [16] ny hasosorany ny venerabla Bo Bet, moanina avy amin'ny pagodan'i Phnom Penh fa tsy navela hanome voninahitra an'i Kem Ley ny vondrony izay moanina miisa 10:

We want to pay respects at the place he was killed, and we will also hold ceremonies at other places. We come here and want to burn incense. We want to hold funeral rites at the site. We want to remember his good deeds here because we do this only once a year.

Nikasa ny hanome voninahitra azy teo amin'ny toerana namonoana azy izahay, ary hanao lanonana tany amin'ny toerana hafa. Tonga eto izahay nikasa handoro ditin-kazo manitra. Nikasa hanao fombafomba fandevenana eto amin'ilay toerana izahay. Tianay ho tsarovana ny asa tsara nataony teto satria indray mandeha isan-taona ihany no anaovanay izany.

Voatery nitady fialokalofana tany Aostralia taorian'ny nahafatesany ny vadin'i Kem Ley sy ny zanany. Nisaotra [17] ny mpanohana an'Itompokolahy vadiny noho ny ezaka nataon'izy ireo i Bou Rachana:

I admire them the most because they know that every year when there is any celebration [of Kem Ley], authorities will always ban [gatherings] and use violence against them, but they still strongly participate. I respect their kind hearts.

Tena mankasitraka azy ireo indrindra aho satria fantatr'izy ireo fa isan-taona rehefa misy ny fahatsiarovana [an'i Kem Ley] dia mandrara foana ny [fivoriana] ny manampahefana ary mampiasa herisetra amin'izy ireo, kanefa mbola mandray anjara hatrany izy ireo. Mankasitraka ny hatsaram-pon'izy ireo aho.

Nanakana ny fikambanana sy ny vondrona tanora teny antsasa-dalana ny manampahefana tao Takeo raha nandeha hihazo ny Fotoam-pahatsiarovana faha-4 tamin'ny nahafatesan'i Dr. Kem Ley izy ireo.

Fikambanan'ny fiarahamonim-pirenena maherin'ny 30 no nanao sonia fanambarana mangataka [20] ny governemanta Kambodziana hanangana vaomiera mahaleotena sy tsy mitanila mba hanadihady lalina momba ny famonoana.

Nomelohin'izy ireo ihany koa ny fanenjehana mitohy atao amin'ireo mpomba an'i Kem Ley:

The Cambodian government’s continued harassment of human rights defenders, labor activists, monks, journalists, members of the political opposition, and others critical of the government reflects a systematic culture of impunity that protects those responsible for the death of Kem Ley, and cracks down on any form of expression or information deemed critical of the government.

Ny fanenjehana mitohy ataon'ny governemanta Kambodziana amin'ireo mpiaro ny zon'olombelona, ​​mpikatroka sendikaly, moanina, mpanao gazety, mpikambana ao amin'ny fanoherana ara-politika, sy ny mpitsikera ny governemanta hafa dia maneho ny kolontsaina tsimatimanota izay miaro ireo tompon'andraikitra tamin'ny fahafatesan'i Kem Ley ary nanapotika ny endrika fanehoan-kevitra rehetra na vaovao izay heverina ho manakiana ny governemanta.