Mandray ny maripanan'i Hong Kong: Hanao ahoana ny hoavin'ny hetsika ao amin'ny fanoherana?
Herintaona ankehitriny ny hetsi-panoherana fandroahana olona hody any Shina avy ao Hong Kong. Nangonin'ny sehatra media an-tserasera ao Hong Kong antsoina hoe Stand News ny andian-dahatsoatra itarafana ilay hetsika fanoherana. Navokan'ny Global Voices ny endrika nasiam-panovana ireny lahatsoratra araka ny fifanarahana fiaraha-miasa amin'ny votoaty ireny. Ny endrika orizinaly shinoa amin'ny lahatsoratra eto ambany dia nosoratan'i Francis Lee, Profesora ao amin'ny Sekolin'ny Fanoratan-Gazety sy Fifandraisana ao amin'ny Oniversite Shinoa ao Hong Kong.
Manamarika ny fahaherintaonan'ny hetsika fanoherana ny fandroahana ny olona hody any Shina avy ao Hong Kong ny volana jona.
Hatramin'ny niparitahan'ny COVID-19 tamin'ny faran'ny janoary, noraran'ny polisin'i Hong Kong izay rehetra famoriam-bahoaka ankalamanjana, amin'ny anaran'ny fitsipika ifehezana ny aretina fantatra amin'ny hoe Fivoriam-Bondrona Voarara.
Nataon'ilay fitsipika mihitsy izay tsy ahafahan'ny fikambanana manatontosa famoriam-bahoaka. Ahiana hitombo kosa anefa mandritra izany fotoana izany ny fihetsiketsehana fanoherana ataon'olo-tokana eny an-dalambe, raha mikarakara lalao manova ny lalàm-pilaminam-pirenena amin'i Hong Kong i Beijing.
Amin'izao fotoana ny fihetsiketseham-panoherana kely kokoa noho ny tamin'ny jona 2019, tamin'ny fotoana olona an'hetsiny no mirotsaka isan'andro eny an-dalambe ao anatin'ny fanehoam-panoherana governemanta goavana indrindra teo amin'ny tantara.
Saingy asehon'ny fitsapan-kevitra maro fa tsy misy fiovana ny fahatezeran'ny vahoakan'i Hong Kong amin'ny polisy sy ny manampahefana ao amin'ny governemanta.
Tarehimarika vitsivitsy
Fitsapan-kevitra notarihan'ny Foiben'ny Fifandraisana sy Fitopimaso ny Hevi-Bahoaka* [CCPOS] ao amin'ny Oniversite Shinoa ao Hong Kong tamin'ny faramparan'ny volana mey no nampiseho fa 45,8 isanjaton'ny nanontaniana no mahatsapa fa zerô ny fitokisany ny governemanta ary 47,5 isanjato no mahatsapa ao anatiny fa zerô ny fitokisany ny polisy.
Ho fanoherana ilay lalànam-piarovam-pirenena mampiady hevitra ampiharina ankaterena, mahatratra 41,4 isanjato no maneho zerô fahafaham-po amin'ny fametrahana ny “Firenena Tokana Roa Rafitra” ao Hong Kong.
Mihoatra ny 60 isanjato amin'ireo nanontaniana no manohitra ny fanapahan-kevitr'i Beijing hamelona ny lalàna vaovao amin'ny fiarovam-pirenena, tsy mandalo amin'ny fanaovan-dalànan'i Hong Kong. Mifanipaka tanteraka amin'ny filazana nataon'i Carrie Lam, Lehiben'ny Mpanatanteraka ao Hong Kong, tamin'ny 16 jona milaza fa vitsy dia vitsy no manohitra ity lalàna ity io tsikaritra io.
Nanontaniana ihany koa ireo nanontaniana tamin'ny fitsapan-kevitra raha manohana na manohitra ny hetsika fanoherana ny fandroahana olona hody any Shina, ka tsy jerena ny endrika na ny paikady ho amin'izany. Hita ao amin'ny fitsapan-kevitra fa 39,1 isanjato no manohana ny hetsika ary 39,2 isanjato no manohitra. Milaza ireo mpanohana ny mpitondra pro-Shina fa manondro ny fahaverezam-panohanana ny hetsika izany vokatra izany. Mety tsy hitaratra ny zavamisy anefa izany fomba fandika izany.
Ara-tantara, efa nasehon'ny fakan-kevitra fa manodidina ny 20-25 isanjato amin'ny olompirenena ao Hong Kong no tsy nanohana ny hetsika fanoherana ny fandroahana olona hody any Shina tamin'ny voalohany. Vao maika nampisy tsindry tamin'ny toekarenan'ny tanàna ny areti-mandringana COVID-19, ary nampalemy kokoa ny antso hanohitra.
Raha ao an-tsaina izany, dia tsy zava-miavaka ny nahitana ny tsy-fanohanan'ny roa ampahadimy matanjaka amin'ny mpamaly fitsapan-kevitra ny fihetsiketseham-panoherana mbola naharitra am-bolana maro tao an-tanàna.
Ity valiny ity dia afa-mitaha amin'ny fitsapan-kevitra natao tamin'ny Novambra 2014, roa volana taorian'ny nanombohana ny hetsika elo pro-demaokrasia.
Izany fitsapan-kevitra izany no nahitana ny 70 isanjaton'ny nanontaniana nanohana ny famaranana ilay hetsika sit-in am-pilaminana nataon'olona maro.
Ahitana fahasamihafana goavana raha tsinjaraina araka ny vondron-taona ny valiny hita amin'ny fitsapan-kevitra nataon'ny CCPOS.
Eo amin'ireo anatin'ny 15-24 taona, ny tahan'ny fanohanana hanohizana ny hetsika fanoherana ny fandroahana olona ho any Shina dia 71,9 isanjato. Amin'ny sokajin-taona manaraka ao anatin'ny 25-39 taona, midina mankany amin'ny 51,9 isanjato izany fanohanana izany. Mahazo mpanohana 35,6 monja ny hetsika ho an'ny sokajin-taona 40-59 ary mahazo 20,3 isanjato ho an'ireo 60 taona no mihoatra.
Ho an'ireo manohitra ny fanohizana ny hetsika fanoherana fandroahana olona hody any Shina kosa, resaka tetipanorona kokoa no antony hanoherana fa tsy ilay hetsika no tsy tiana.
Ny fanehoan-kevitra any amin'ireo sehatra media sosialy isan-karazany tao anatin'ny herinandro faramparany no nanasongadina fisalasalàna fa mety hiteraka fiantraikany tsara ny hetsika ao anatin'izao tontolo famoretana ara-politika izao, rehefa afa-mampiasa hery araka izay ilainy ny polisy misahana ny rotaka hifehezana sy hisamborana mpanao fihetsiketsehana.
Matetika ireny fanehoan-kevitra ireny manoritra fa amin'izao fahavononan'i Beijing handrava ny ‘Firenena Iray, Rafitra Roa’ izao, ny hoavin'i Hong Kong dia miankina amin'ny seho ara-diplaomatika ifanaovan'i Etazonia sy i Shina, fa tsy amin'ny hetsika eny an-dalambe.
Miharihary izany fandrefesana sanda sy fiantraika izany raha jerena ny faneren'i Beijing hametraka ny lalànan'ny fiarovam-pirenena amin'i Hong Kong.
Na dia manahy aza ny 63,5 tamin'ny nanontaniana fa mety hanimba ny fahafahana sy ny zon'ny olom-pirenena ao Hong Kong ny lalàna, dia ny 59 isanjato tamin'ireo nanontaniana ireo ihany no manohana ny hanohizana ny hetsika fanoherana fandroahana olona ho any Shina, raha manohitra izay mety hanohizana izay rehetra hetsika manaraka ny 15,1 isanjato.
Fanitarana ny ‘lisitry ny fomba fanoherana’
Na dia nametra ny halehiben'ny hetsi-panoherana aza ny famerana nampiharina mandritra ny areti-mandringana COVID-19, dia tsy hampitsahatra tanteraka izany. Nanomboka tamin'ny fiafaran'ny volana avrily, maromaro ny “hiram-panoherana” tselatra nipongatra tany amin'ny tsenambarotra mihaja.
Ambonin'izany, nisy ny hetsi-panoherana kely tanterahana isambolana ho fahatsiarovana ny trangam-panafihana tao Yuen Long [mg] (21 Jolay 2019) sy ny fanafihana nitranga tao amin'ny gara Prince Edward (31 Aogositra 2019) — toe-javatra roa izany manapongatra ny fampiasan-kery tafahoatra nataon'ny polisy tamin'ny mpanao fihetsiketsehana.
Tamin'ny 24 mey, an'arivony no nandray anjara tamin'ny fihaonana tsy ara-dalàna ho fanoherana ny fanapahan-kevitr'i Beijing hampihatra ny lalànan'ny fiarovam-pirenena ao amin'ny tanàna — hetsi-panoherana lehibe voalohany hatramin'ny nampiharana ny famerana noho ny COVID-19.
Avy eo, tamin'ny 4 jona, an'aliny no nanatevin-daharana hanatontosa fiaretan-tory fandrehetana labozia tao Victoria Park sy tany amin'ireo distrika ampolony hafa manerana an'i Hong Kong. Tamin'ity taona ity no voalohany nametrahan'ny manampahefana ny fandrehetan-dabozia ho tsy ara-dalàna tamin'ny fanononana ny fanarahamaso ho famerana ny aretina.
Farany, tamin'ny 9 jona, mpanao fihetsiketsehana an'arivony no nivory tao amin'ny distrika afovoany hanamarika ny tsingerintaona voalohany nisian'ny fihetsiketsehana nahazoana iray tapitrisa ho fanoherana ny volavolan-dalàna fandroahana olona ho any Shina.
Nitranga ireny hetsika ireny na dia misy aza ny mety fisamborana noho ny fandraisana anjara tamin'ny fivoriana tsy ara-dalàna.
Efa nisy ny fisalasalana ny amin'ny haharetan'ny hetsika fanoherana ny fandroahana olona ho any Shina raha mbola tsy ampy iray volana ny hetsi-panoherana.
Saingy rehefa nivelatra ny famoretana ireo mpanao fihetsiketsehana, dia niitatra toy izany ihany koa ny lisitry ny fomba fanoherana.
Avy eo, ny hetsika goavana tamin'ny jona no nanome lalana ireo fihaonana eny anivon'ny distrika sy ny fananganana ny Rindrina Lennon manerana an'i Hong Kong nandritra ny volana Jolay, narahan'ny sit-in milamina tao amin'ny seranam-piaramanidina iraisampirenena an'ny tanàna sy ny fitsanganan'ny tohivakan'olombelona nanerana ny tanàna tamin'ny Aogositra 2019 [mg].
Rehefa nisokatra indray ny sekoly tamin'ny Septambra 2019, dia nivadika ho toeram-panoherana ny toby an-tsekoly [mg] sy ireo tsenambarotra mihaja.
Taorian'ny fandresen'ny fiaraha-mientana pro-demaokratika tamin'ny fifidianana anivon'ny distrika tamin'ny volana Novambra, nanomboka nanandrateny ny mpanohana ny hetsika amin'ny hevitra “faribolana ara-toekarena mavo”, izay anaovan'ny vahoaka ankivy ny fiharian'ireo mpanohana ny tandapa, raha mahazo ny fanohanam-bahoaka ny fiharian'ny “mavo”, na mpanohana ny hetsika.
Efa niantso ny hananganana vondrona arakasa sy sendikàn'asa ihany koa ny mpanohana hiomanana amin'ny fitokonana faobe hoavy.
Izay no heverina ho lalan-koavin'i hetsika, izay hitsofohan'ny fifaharana ao anatin'ny fiainana andavanandro, ka hiatrehan'ny mpitondra lazon'ady maharitra.
Ary tsy haharitra mandrakizay ihany koa ny famerana hifehezana ny aretina, ary tsy azo ahifika fotsiny izao ihany koa ny mety ahitana indray an'i Hong Kong hisian'ny hetsika goavana — na dia mihabetsaka aza ny vato asakana amin'ny hetsika iraisana.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 7 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...