- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fifanakalozan-kevitra an-tserasera: Ahoana ny hoavin'ny fiteny indizeny amin'ny Aterineto eo amin'ny tontolon'ny valan'aretina COVID-19?

Sokajy: Mediam-bahoaka, Rising Voices

Miangavy anao izahay hanatrika ny andiany voalohany amin'ny fifanakalozan-kevitra an-tserasera [1] izay mifantoka amin'ny fomba nampiasan'ny vondrom-piarahamonina indizeny any Meksika sy Canada ny teknolojia sy ny aterineto ho fitaovana hampiroboroboana sy hameloman'aina indray ny fitenindrazan'izy ireo izay mahasoa sy miantraika amin'ny taranaka vaovao ahitana mpampiasa betsaka ny fiteny.

Alakamisy, 16 Jolay 2020 amin'ny 11:00 maraina (CDT/Meksika) – Jereo eto ny fiovan'ny ora [2] any amin'ny toerana misy anao.

Conversation #1 – “What does the future hold for indigenous languages online in the context of the COVID-19 pandemic?”  Please register here [3].

Fifanakalozan-kevitra #1 – “Ahoana ny hoavin'ny fitenin'ny indizeny amin'ny Aterineto eo amin'ny tontolon'ny valan'aretina COVID-19?” Misorata anarana eto. [3]

Tao anatin'ny fahamailoana hatrany hatramin'ny nanombohan'ilay valan'aretina COVID-19 tamin'ny volana Martsa 2020 ny vondrom-piarahamonina indizeny. Iray amin'ireo vondrona marefo indrindra sy atahorana indrindra ireo zokiolona, ​​izay matetika anisan'ireo olom-bitsy vitsy sisa mampiasa ilay fiteny tandindonin-doza, amin'ireo vondrom-piarahamonina indizeny manerana an'i Amerika. Nampiakatra haingana ny asa maika hisorohana ny fahaverezan'ny fiteny noho izany ny valan'aretina.

Miaraka amin'ny olona maro manerana an'izao tontolo izao mihiboka ao an-tranony ary mampiasa ny fotoana mba hahazoana fahaiza-manao sy fahalalana vaovao dia nanararaotra ny fotoana hampiroboroboana ny fianarana ny tenin'izy ireo amin'ny alàlan'ny fampianarana an-tserasera ireo mpikatroky ny fiteny sasany. Nanampy tamin'ny famokarana na ny fandikana ny loharanom-baovao sy ny fanabeazana mba hanentanana ny saina momba ny coronavirus, izay maro no nozaraina an-tserasera na nozaraina tamin'ny alàlan'ny sehatra nomerika Ireo mpiaro ny fiteny sy mpikatroka hafa.

Rehefa miara-mizotra mankany amin'ny antsoina hoe «fiainana mahazatra vaovao» isika, inona no dikan'izany ho an'ny vondrom-piarahamonina indizeny miezaka ny hitahiry ny fiteniny? Ahoana no ahafahantsika mitazona ny bahana amin'ity vanim-potoana ity raha vao maika miha-sarotra kokoa hatrany raha zava-dehibe ny mifandray amin'ny olona amin'ny fitenin-drazany? Ary inona ny anjara asan'ny teknolojia sy aterineto amin'ny fiantohana ny fameloman'aina indray ny fiteny mba ho lohalaharana ?

Fantaro fa: azo jerena amin'ny alàlan'ny antso Zoom ny fandikana eo no ho eo ho amin'ny teny (Anglisy / Espaniola).

Mpandray anjara fitenenana:

Mpandrindra: