Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Nosamborin'ny manampahefana Vietnamiana ireo mpikatroka mandala ny zon'ny fananan-tany miisa efatra

Ankavia miankavanana: Trịnh Bá Tư, Trịnh Bá Phương, Cấn Thị Thêu. Nosamborin'ny polisy izy ireo ny 24 Jona ary avy eo voampanga ho “nanao fampielezan-kevitra hamelezana ny fanjakana. Loharano: Facebook – Viet Tan

Ity lahatsoratra ity dia navoaka voalohany tao amin'ny Loa, tranonkalam-baovao sy rakipeo momba ny vaovao Vietnamiana avy amin'ny Viet Tan. Atolotra manaraka eto ny lahatsoratra nasiam-panovana ho fifanarahana fifampizarana votoaty.

Ny marainan'ny 24 Jona, nitantara ny fisamborana azy tao anaty lahatsary iray navoaka tao amin'ny Facebook i Trịnh Bá Phương mpikatroka mandala ny zon'ny fananan-tany.

Both uniformed and plainclothes police are surrounding my house. It is 5:30 am. I think they are going to arrest me today.

Nodidinin'ny polisy manao fanamiana sy manao akanjo sivily ny tranoko. Tamin'ny 5:30 ora maraina io. Nihevitra aho fa hisambotra ahy izy ireo anio.

Nanohy izy:

As I have said in my will, I have no intention of committing suicide if I am arrested. I am very healthy at the moment, without any signs of illness. If I die in a police station or detention center, it is because the police killed me.

Araka ny nolazaiko tamin'ny fikasako fa tsy mieritreritra ny hamono tena aho raha voasambotra. Tena salama aho izao, sady tsy misy soritr'aretina. Novonoin'ny polisy aho raha sendra maty any amin'ny paositry ny polisy na any am-ponja.

Niditra an-keriny tao amin'ny fonenan'i Phương ny mpitandro ny filaminana ary nisambotra azy taorian'izay. Tamin'io andro io ihany, nosamborin'ny manampahefana ny reniny, Cấn Thị Thêu, ny rahalahiny, Trịnh Bá Tư, ary ny mpikatroka iray hafa, Nguyễn Thị Tâm. Niresaka nivantambantana momba ny fifandonana tany Đồng Tâm ny volana Janoary ireo mpikatroka miisa efatra ireo, raha nanafika ny tranon'ny zokiolona lehiben'ny tananakely teo aloha ny polisy ary namono azy. Nihaona tamin'ny diplaomatin'ny masoivoho Amerikana tamin'ny volana Febroary mba hiresaka ny zava-nitranga tao Đồng Tâm i Phương.

Notaterin'ny fampahalalam-baovaom-panjakana fa “nahasarika mpanjohy miisa 50.000″ ny kaonty Facebook-n'i Phương  ary nolazainy fa “nitondra vaovao diso” momba ny fifandonana tao Đồng Tâm izy. Nakatona ny kaontiny Facebook nanomboka tamin'izay.

Ny Alatsinainy 29 Jona, nankany amin'ny Sampam-piarovana ny Fanadihadiana tany Hà Nội mba hikarakara ny dingana momba ny fiarovana an'i Trịnh Bá Phương ilay mpisolovava Đặng Đình Mạnh. Notateriny fa voampanga eo ambanin'ny Andininy faha-117 amin'ny fehezan-dalàna famaizana ny mpikatroka miisa efatra, satria “nanao fampielezan-kevitra manohitra ny fanjakana” izy ireo. Miatrika sazy an-tranomaizina hatramin'ny 20 taona ny olona voampanga araka ny Andininy faha-117.

Niteraka ny zanak'izy ireo faharoa efatra andro talohan'ny nisamborana azy ny vadin'i Trịnh Bá Phương. Tao amin'ny lahatsary navoaka tao amin'ny Facebook, natodiny vetivety tany amin'ny zanany vao teraka natory ny fakantsary.

Nozarain'ilay olon-tsotra mpanora-gazety Nguyễn Anh Tuấn tao amin'ny Facebook fa niresaka tamin'i Phương izy tamin'ny faran'ny volana Mey ary efa nilaza i Phương fa hisy zavatra ratsy hitranga aminy tsy ho ela, kanefa tsy mikasa ny handeha na aiza na aiza izy satria te ho eo anilan'ny vadiny sy ny zanany izy amin'ny fotoana tena ilain'izy ireo azy indrindra.

Nosamborin'ny governemanta Vietnamiana ihany koa ny mpikatroka roa hafa tamin'ny 24 Jona noho ireo lahatsoratra tao amin'ny Facebook manakiana ny fanjakana. Nitranga herinandro vitsy monja taorian'ny fisamborana ireo mpanao gazety miisa telo ity andiana fisamborana ity izay nantsoin'ny vondrona zon'olombelona ho famoretana ireo mpikatroka mialoha ny Kongresy Faha-13-n'ny Antoko Nasionaly.

Nitatitra ny Human Rights Watch tamin'ny faran'ny taona lasa teo fa misy gadra politika mihoatra ny 130 any Vietnam. Ireo FTMF=ONG hafa, toa ny Defend the Defenders vao haingana no nametraka io isa io ho gadra politika miisa efa ho 250. Isan'ireo voatazona ireo ilay mpanao fitakiana ny zon'ny fananan-tany izay niady hiaro ny tanin'izy ireo noho ny fakan'ny manampahefana an-keriny ny taniny.

Henoy ary jereo ny tatitra nataon'ny Loa momba ny fisamborana:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.