Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Black Lives Matter sy ny hetsika manerantany manohitra ny fanavakavaham-bolonkoditra

Farany ankavia: Hetsika Black Lives Matter tany Paris. Sary avy amin'i Bastian Greshake Tovaras (CC BY-SA 2.0); Farany ambony afovoany: Famoriam-bahoaka Black Lives Matter tany Melbourne, Aostralia. Sary avy amin'i Matt Hrkac (CC BY-SA 2.0); Ambony ankavanana: Famoriam-bahoaka Black Lives Matter tany Melbourne, Aostralia. Sarin'i Matt Hrkac (CC BY-SA 2.0); Afovoany ankavanana: Hetsika Black Lives Matter tany London, GB. Sarin'i G. Miessi (CC BY-NC-ND 2.0); Afovoany (ambony): Sary an-drindrina mampiseho an'i George Floyd any Minneapolis, Minnesota. Sarin'i Lorie Shaull (CC BY-SA 2.0); Afovoany (ambony) Hetsika Black Lives Matter any Washington, D.C. Sarin'i Geoff Livingston (CC BY-NC-ND 2.0); Afovoany ankavia: Hetsika Black Lives Matter any London, GB. Sarin'i G. Miessi (CC BY-NC-ND 2.0); Ambony ankavia: Hetsika Black Lives Matter tany Paris. Sarin'i Bastian Greshake Tovaras (CC BY-SA 2.0); Ambony ankavia: Hetsika 2017 Black Lives Matter tany Berlin, Alemaina. Sarin'i Montecruz Foto (CC BY-SA 2.0).

Niteraka hatezerana sy alahelo ny famonoan'ny mpitandro ny filaminana fotsy hoditra an'i George Floyd, mainty hoditra, 46 taona, tany Minneapolis ny 25 May 2020. Nidina an-dalambe ny Amerikana mba hanoherana ny herisetra raiki-tapisaka ataon'ny polisy amin'ny vondrom-piarahamonina mainty hoditra sy ny herisetra iainan'ny mainty hoditra any Etazonia tsy tapaka. Raha nanomboka nandritra ny toe-draharahan'ny valan'aretina COVID-19, ny andiana fihetsiketsehana izay niely nanerana ny firenena, dia nahatonga ny fahatongavan-tsaina tamin'ny tantara lavan'ny herisetra sy ny tsy rariny nataon'i Etazonia tamin'ny olom-pireneny mainty hoditra.

Vetivety dia niely tany amin'ny firenen-kafa ny fihetsiketsehana, ahitana ireo mpanao fihetsiketsehana tany amin'ny firenena eran'izao tontolo izao nanao diabe ho firaisankina niaraka tamin'ny Amerikanina mainty hoditra ary nitaky ny mpitondra azy ireo mba hiady amin'ny fomba fitondra ny vahoaka mainty hoditra tamin'ny lasa sy ny ankehitriny. Tsapan'ny maro hoy toy ny fotoana nahafahana nanova zavatra ​​ny herinandro taorian'ny nahafatesan'i George Floyd ary lasa fihetseham-po nifampizaran'ny ankamaroan'ny olona ny teny filamatra hoe “Black Lives Matter” (Misy Vidiny ny Ain'ny Mainty Hoditra) izay avy amin'ny hiakan'ny famoriam-bahoaka niteraka resabe matetika tsy takatra.

Ao amin'ity fizarana manokana ity dia zarainay ireo tantara avy amin'ireo mpikambana ato amin'ny vondrom-piarahamonina Global Voices, mitatitra sy mampiseho ny fomba fitrangan'ity fotoana ity any amin'ny fireneny sy ny fiarahamoniny avy.

June 2020: A month of #BLM in Japan (June 27)

Jona 2020, iray volan'ny #BLM ao Japàna (27 Jona)

Taking down statues: France confronts its colonial and slave trade past (June 27)

Fanongotana sarivongana (tsangambato) : Frantsa miatrika ny lasany momba ny fanjanahana sy ny fanandevozany (27 Jona)

Afro-Czechs on visibility, racism and life in the Czech Republic (Part II) (June 25)

Miresaka momba ny fisongadinana, ny fanavakavahana ary ny fiainana ao amin'ny Repoblika Tseky ny Afro-Tseky (Fizarana faha II) (25 Jona)

Afro-Czechs on visibility, racism and life in the Czech Republic (Part I) (June 24)

Miresaka momba ny fisongadinana, ny fanavakavahana ary ny fiainana ao amin'ny Repoblika Tseky ny Afro-Tseky (Fizarana I) (24 Jona)

Old statues, new maps (June 24)

Tsangambato tranainy, sarintany vaovao (24 Jona)

In the wake of Black Lives Matter's protests, death of black 5-year-old becomes symbol of Brazil's racism and inequality (June 22)

Lasa mariky ny fanavakavaham-bolonkoditra sy ny tsy fitoviana tany Brazila ny fahafatesan'ilay ankizy mainty hoditra 5 taona ho tohin'ny fihetsiketsehana Black Lives Matter (22 Jona)

Remembering Amadou Diallo, a Guinean victim of police brutality in the USA (June 22)

Fahatsiarovana an'i Amadou Diallo, ilay Gineana niharam-boina tamin'ny herisetran'ny polisy tany Etazonia (22 Jona)

Americans, your fantasies about Canada enable Canadians’ complacent sense of white superiority (June 18)

Ry Amerikana, ny nofinofinareo momba an'i Canada no mahatonga ny Kanadiana mieboebo amin'ny fanamboniantenan'ny fotsy hoditra (18 Jona)

Amid Black Lives Matter protests, fresh calls to remove statuary that hijacks the Caribbean's historical narrative (June 11)

Ao anatin'ny hetsika Black Lives Matter, antso ho amin'ny fanesorana ny tsangambato manitsakitsaka ny zava-nitranga ara-tantara Karibeana (11 Jona)

Black Lives Matter protests in Trinidad and Tobago spark discussions about race (June 9)

Hetsipanoherana “Black Lives Matter” tao Trinidad & Tobago nitarika nankany amin'ny resaka foko (9 Jona)

Actually, anti-blackness has everything to do with Sri Lanka (June 9)

Raha ny marina, misy hifandraisany amin'i Sri Lanka ny fanoherana ny mainty (9 Jona)

Black Lives Matter in Jamaica too (June 8)

Tany Jamaika ihany koa ny Black Lives Matter (8 Jona)

The future of protest in Uganda (June 6)

Ny hoavin'ny fihetsiketsehana any Ogandà (6 Jona)

‘Sit with that discomfort': Two white Trinidadians go public about racism  (June 6)

‘Mipetraka nefa tsy mahazo aina': Trinidadiana fotsy hoditra roa nampiseho ampahibemaso ny fanavakavaham-bolonkoditra (6 Jona)

For black and indigenous people in Central America Black Lives Matter (June 5)

Ho an'ireo mainty sy indizeny ao Amerika Afovoany, Black Lives Matter (5 Jona)

‘Born fi dead': the Caribbean looks at the George Floyd protests and sees itself (June 3)

Teraka mba ho faty': Mirona mankany amin'ny fihetsiketsehana George Floyd ny Karibeana ary maka bahana (3 Jona)

To speak of George Floyd, it is necessary to speak of my own failures (June 3)

Ny hadisoana vitako no tsy maintsy resahako raha hiresaka momba an'i George Floyd (3 Jona)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.