- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tena nitondra fanovana marina ho an'ny vahoaka ve ny fanavaozana tany Ozbekistan ?

Sokajy: Mediam-bahoaka

Ny fahitana ny tanàndehibe taloha ao Bukhara, iray amin'ireo Lalan'ny Lasoà izay be mpitsidika indrindra

Tamin'ny faramparan'ny taona 2019, nisafidy ny fanjakana Azia Afovoany ao Ozbekistan ho “firenen'ny taona [1]” noho ny firosoany tamin”ny fanavaozana ara-toekarena sy ny fanovana ara-politika ny gazety The Economist. Tsy isalasalana fa tsy misy ifandraisany amin'ny taona 2016 i Ozbekistan taona 2020, raha mbola teo ambany fitondran'ny filoha teo aloha Islam Karimov [2] izay nanoka-monina ny firenena tamin'izany nandritra ny efa ho telopolo taona ary nanakana ny fanavaozana ara-politika sy ara-toekarena ary sosialy izay tena nilaina.

Nisy ny fiovana lehibe rehefa tonga teo amin'ny fahefana i Shavkat Mirziyoyev [3] ary nahazo laza tsikelikely nanomboka tamin'ny faran'ny taona 2017, herintaona taorian'ny nahalasa an'i Karimov. Mahavariana ny lisitr'ireo fanovana: ny fanavaozana ara-bola izay nahatonga ny vola tao an-toerana ho azo atakalo [4], ny vola, ny fisokafana tamin'ny fampiasam-bola avy any ivelany sy ny fizahantany manerantany [5], ny fampihenana ny fanivànana ny fampahalalam-baovao [6], ny fanafahana ny gadra politika sy ara-pivavahana [7] sasany, ny ezaka hampitsaharana ny asa an-terivozona [8] any amin'ny indostrian'ny landihazo, ny fisamborana ireo sangany teo aloha  [9]voarohirohy [9] tamin'ny kolikoly, ny fidirana amin'ny Aterineto [10] haingana sy mora kokoa .

Tsenan'ireo tantsaha ao afovoan-tanànan'i Tashkent. Saripikan'i Filip Noubel, nahazoana alalana.

Na izany aza, nanamarika ny lahatsoratra izay avy amin'ny The Economist ihany fa “mbola lavitra ny làlana ho alehan'i Ozbekistan ary mbola lavitra azy ny demokrasia”. Mbola misy tokoa ireo gadra politika any am-ponja, mbola tena sarotra ny manangana ONG, maro ny haino aman-jery vahiny sy ny ONG iraisam-pirenena no tsy mahazo misoratra anarana, mbola manjaka ny sivan'ny fampitam-baovao ary misy ny porofo mazava fa manelingelina ny maro amin'ireo fanavaozana ny kolikoly, ny fanararaotan'ny manampahefana ary ny tsindry amin'ny tontolon'ny fihariana, izay manakana ny fanovana lehibe ho an'ny olom-pirenena tsotra noho izany. Tamin'ny taona 2019, 235 $ Amerikana no salan-karama [11], raha 67 $ Amerikana ny karama farany ambany. Misy mpifindra monina aratoekarena Ozbek mihoatra ny 2 tapitrisa [12] any Rosia.

Soratra ao amin'ny fisotroana kafe ao Tashkent. Saripikan'i Filip Noubel, nahazoana alalana.

Raha mandeha eo anelanelan'ny fiezahana hanafaka, hanavao ary hisokatra amin'ny fironana manerantany sy ny fahazarana taloha amin'ny fanaraha-maso sy ny kolikoly ny firenena, ny Global Voices dia mitatitra ny fahombiazana sy ny tsy fahombiazan'ny fanavaozana sy ny fomba fijerin'ny olom-pirenena Ozbek ary ny fomba hiainan'izy ireo ny fanovana tsy mbola nisy teo aloha.

Ato amin'ity fitantarana manokana ity, mifantoka amin'ny maha zava-dehibe ny mari-panondroana ara-kolontsaina isika raha ao anatin'ny fikarohana vahaolana indray ny firenena, ny toerana natokana ho an'ny fahalalahana maneho hevitra, ny andraikitry ny tambajotra sosialy, ny fanovana ara-tsosialy izay misy fiantraikany amin'ny maro an'isa sy ny vitsy an'isa ihany koa, ny fitaoman'ny firenena manodidina, ny fahafahana sy ny fanamby ateraky ny fizahan-tany ary ny famatsiam-bola lehibe avy any ivelany.

Vakio bebe kokoa ireto tantara manaraka ireto izay ao anatin'ny fanohizanay ny fitantaranay manokana:

En Ouzbékistan, des activistes investissent les applis de rencontre gay pour apporter soutien et information sur le VIH [fr] [13]

Nanome elatra ny ny fiteny Ozbek ny fitsonik'i Ozbekistan [fr] [14]

Le théâtre iconique de Tashkent résistera-t-il à la démolition ? [fr] [15]

Fiainana an-jorombala: Ny vahoaka Lyuli ao Ozbekistan [mg] [16]

Fitsangatsanganana mamakivaky ny mari-panondroana nasionaly Ozbek ao amin'ny metro Tashkent [fr] [17]

Satria tsy ara-dalàna ny fahapelahana ao Ozbekistan, dia tsy maintsy miafina ny olona LGBTQ+ [mg] [18]

Mampiseho ny fanagadrana ireo Japoney taorian'ny Ady Lehibe Faharoa ny teatira Tashkent [mg] [19]

Fanafoanana ny fanjanahana sy ny fanazavana ny literatiora any Azia Afovoany amin'ny alàlan'ny fandikan-teny [en] [20]

Ahoana ny fomba nitiavan'ny Ozbek sy fomba niainan'izy ireo tao amin'ny fampiasa Telegram messenger [fr] [21]