- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tatitra momba ny fanenjehan'ny fanjakana any Shina ireo vitsy an'isa any amin'ny faritr'i Xinjiang

Sokajy: Mediam-bahoaka

Sarintanin'i Xinjiang miloko mena eto tao amin'ny Wikipedia [1], nampiasana lisansa CC BY-SA 3.0  [2]

Nanomboka tamin'ny taona 2017 [3], nanamafy ny fikendreny ireo olom-pirenena vitsy an'isa monina ao amin'ny faritany andrefana ao Xinjiang [4] ny governemanta ao Shina. Xinjiang, izay omena anarana amin'ny teny Shinoa (新疆 izay midika hoe Sisintany Vaovao, saingy ny Uyghurs matetika no mihevitra azy io ho toy ny faritr'i Uyghur, na tanin'i Uyghur, dia fonenan'ireo vondrona Miozolomana maro an'isa izay ahitana Uyghur miisa 11 tapitrisa [5] ary vitsy kokoa kokoa ny isan'ny Kazakhs, Kyrgyz, Tatar, Hui sy ny hafa. Nesorina tamin'ny mponina ao amin'ny faritra ny zon'olombelona fototra lehibe indrindra ananany [6], anisan'izany ny fahalalahana ara-pivavahana, mivezivezy ary ny miresaka amin'ny fitenin-drazany raha matetika lazaina ho ‘separatista amin'ny tanindrazana [7]‘ na ‘mpampihorohoro [8]‘ tsotra fotsiny izao ry zareo amin'ny filazam-baovao Shinoa mahazatra sy amin'ny fanambaràn'ny governemanta.

Miseho amin'ny endrika isankarazany ny fanenjehana ataon'ny mpitondra: fanagadrana – matetika miaraka amin'ny sazy mavesatra 10 taona mahery – ary ny fampidirana am-ponja any amin'ny toby fihazonana, izay afaka mandray gadra mihoatra ny iray tapitrisa ary amin'ireo Miozolomana vitsy an'isa ny ankamaroany [6] araka ny loharanom-baovaon'ny manam-pahaizana.

Noho ny tsiambaratelon'ny toby fihazonana, izay antitranterin'i Shina fa «foibem-piofanana arak'asa [9]» sy ny tsy fahampian'ny fampahalalana avy amin'ny fonja ao amin'ny firenena dia tsy afaka milaza ny isan'ny olona maty tany am-ponja ary matetika tsy fantatra ny antony hiampangana azy ireo. Milaza ireo tatitra an-gazety fa mety ho an-jatony [10] na mety ho an'arivony mihitsy ny tarehimarika. Ho an'ny fianakavian'ireo voafonja, izay ao anatiny na ivelan'i Shina, tsy misy fitsaharany ny fahoriana amin'ny tsy fahafantarana na inona na inona momba ny fahasalaman'ny havan-tiany ary tsy mihena izany na mandeha aza ny volana sy ny taona.

Hita ao amin'ny Angondrakitry ny Niharam-boina ao Xinjiang [11] ny momba ny antsipirihany.

Nanao tatitra tsy tapaka momba an'ity olana ity ny Global Voices ary nanohy ny fanavaozam-baovaony tamin'ny tatitra, lahatsoratra, fijoroana vavolombelona ary antsafa:

Miverina ny tantara: ny horohoron'ny fanjakana Shinoa sy ny fandravana ny Uyghur neo-Jadidisma [12]

Uyghur mpiaro zon'olombelona i Dilnur Reyhan, malahelo fa tsy misy firaisankina ny samy silamo [13]

Ny fahatsapana hakiviana: Antsafa nifanaovana tamin'ilay mpitsoa-ponenana Uyghur tany Torkia [14]

Fianakaviana Kazakh mozisiana sy mpanoratra tratry ny fandrik'i Xinjiang [15]

Taratasy ho an'i Shina: Efa ho roa taona izao ilay Uyghur namako, Zainur, no voatazona any amin'ny tobinareo any [16]

Hatrany amin'ny toby ka hatrany amin'ny fonja: Ny loza amin'antambo hoavy manaraka amin'ny zon'olombelona any Xinjiang [17]

Mikasa ny hamonjy ilay ‘reny tena mahafinaritra indrindra eto ambonin'ny tany’ ao amin'ny tobin'i Shina ny lehilahy Uyghur iray [18]

#AfahoSerikjan sy ny aloky ny tobin'i Xinjiang tonga hatrany Kazakhstan manodidina [19]

Ny fahatsapan'ny mpikatroka Uyghur ny halavan'ny tànan'ny Antoko Kaomonista Shinoa any Kanada [20]

‘Lehilahy niverina tao Xinjiang toerana nahaterahany ary tsy hita’ — Tantara iray mahazatra fanao lohateny lehibe [21]

‘Tsy hitsahatra aho': Lehilahy Kazakh mikatsaka ny rariny ho an'ny fianakaviany raikitra ao Xinjiang any Shina noho ny famoretana [22]