Shina, ny fahalotoana ary ireo “vohitry ny homamiadana”

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Martsa 2013 – Raha tsy asiana fanamarihana manokana dia mankany amina lahatsoratra amin'ny fiteny shinoa ny rohy rehetra)

Ma Yun, ilay mpandraharaha tompon'ny sera aterineto ao Shin, dia nampitandrina fa tsy misy vola afaka hiaro ny mpanankarena tsy ho tratry ny homamiadana ateraky ny loto ao Shina akory. Nanakoako teny anivon'ireo mpampiasa aterineto ireo fanehoankeviny, izay betsaka sahady no efa miasa saina [angl] amin'ny fahalotoan'ny rivotra sy ny rano ao amin'ny firenena, ary koa ny olan'ny fanjarian-tsakafo.

Nandritra ny vovonana faha-13 fanao isantaona ho an'ireo mpandraharaha tao Yabuli, mba hanambaràna tao anaty kabariny ireo olan'ny fahasalamàna mifamatotra amin'ny fahalotoana ao Shina dia nataon'ity mpanorina sady tale jeneralin'ny Alibaba, orinasa goavan'ny varotra an-tambajotra ity ny resaka fitadiavana lalam-barotra, naminany mialoha izy hoe hamely ny ankohonana shinoa rehetra ny homamiadana ato anatin'ny 10 taona.

Noantitranteriny ihany koa fa tokony hanaja kokoa ny tontolo iainana ny olompirenena rehetra ary tsy tokony fotsiny hiantehitra amin'ny manampahefana :

On Sina Weibo, Global Times shared news about the map of China’s “cancer villages”.

Ao amin'ny Sina Weibo, nozarain'ny Global Times ny sarintany iray ahitàna ireo “vohitry ny homamiadana” ao Shina.

有多少人30年以前,有多少人知道我们边上谁谁谁有癌症,那个时候癌症是一个稀有的名词,今天癌症变成了一种常态。肝癌,可能是因为水;肺癌是因为我们的空气;胃癌,是我们的食物。特权阶级有特权的水,这次没有特供的空气了。我担心我们这么辛苦,最后所有挣的钱最后都是医药费。不管你挣多少钱,享受不到沐浴阳光,其实是很大的悲哀。

Telopolo taona lasa izay, firy no isan'ny olona nahafantatra olona iray hafa tratry ny homamiadana? Teny tsy fandre firy izany  homamiadana izany. Ankehitriny anefa, lasa aretina mahazatra. Ny homamiadana mpahazo ny aty dia azo ampifamatorina amin'ny [fahalotoan'ny] rano ; ny homamiadan'ny havokavoka dia misy ifandraisany amin'ny rivotra iainantsika; ny homamiadan'ny vavony dia misy ifandraisany amin'ny sakafo hanintsika. Ireo saranga manankatao dia manana rano madio, saingy tsy afaka manafatra rivotra madio. Atahorako hoe niasa mafy isika, nefa ny niafaràna dia lasa any amin'ny vidim-panafody daholo izay mba azontsika. Tsy misy dikany izay vola azonao, raha toa ianao tsy afaka ny hisitraka ny masoandro, tena zavadoza izany.

Ny kabariny, nozarain'ny Caijing News ny ampitson'io tao amin'ilay tranonkala malaza fanoratana bilaogy madinika Sina Weibo, dia niteraka fanehoankevitra marobe teny anivon'ireo mpampiasa aterineto, niteraka lahatsoratra nihoatra ny 99 136 sy fanehoankevitra 16 676.

Olona iray mpampiasa Weibo ““绿色传承生命” naneho hevitra hoe :

不需要十年,目前各地癌症村屡见不鲜、雾霾使北京癌病增长率是同期的67%。污染的灾难比我们估计来得更汹涌澎湃!

Tsy mila 10 taona isika, efa misy marobe ireo “vohitry ny homamiadana”. Nampitombo 67% ny tahan'ny tratry ny homamiadana ny zavon'ny fahalotoana mandrakotra an'i Beijing. Zavadoza ny fahalotoana, mihoatra lavitra noho izay novinavinaintsika.

Mpampiasa iray hafa “高歌一曲abc” nanoratra hoe:

这就是我选择去探女的原因。希望每年都有机会换下食品质量、空气清新、阳光的普照,使自己健康点,长寿点。

Izany no antony nisafidiananay hitsidika ny zanakay vavy [any ampita] isantaona. Antenainay ny hanana fahafahana hihinana isantaona sakafo tsara kalitao, mba miova amin'ny mahazatra, ary manararaotra maka rivotra madio sy masoandro, mba ho salama kokoa sy hiaina elaela kokoa.

Tsy fanitàrana akory ireo fanehoankvitr'Atoa Ma momba ny homamiadana ao Shina. Tao amin'ny Sina Weibo, na ny Global Times aza, izay mpitondra tenin'ny antoko kaominista, dia namoaka tamin'io andro io hoe sarintany mampivarahontsana mampiseho ireo “vohitry ny homamiadana” ao Shina ilay fanehoankevitra nataon'i Ma Yun.

据京华时报,不久前,环保部印发了《化学品环境风险防控“十二五”规划》,其中明确表示,因受有毒化学品污染,个别地区出现“癌症村”等严重的健康和社会问题。而据媒体人@邓飞 ,这些严重化学污染下所出现的”癌症村”,正在从中东部个别地区,向中西部转移。

Araka ny lazain'ny Beijing Times, tsy ela akory izay ny ministra misahana ny fiarovana ny tontolo iainana dia namoaka ny “Drafitra dimy taona faha-12 ho Fiarovana sy Fanarahamaso ireo Kinanga ara-Tontolo Iainana mifamatotra amin'ireo Vokatra Simika”, izay mametraka mazava tsara fa noho ny fahalotoana ateraky ny simika, nanomboka nipongatra ireo “vohitry ny homamiadana” sy ireo olana henjana ara-pahasalamana hafa any amin'ny faritra sasantsasany. Araka ny lazain'ilay mpanao gazety, Deng Fei, mivelatra avy any Atsimo-Atsinanana mankany Atsimo-Andrefana ao Shina ireny “vohitry ny homamiadana” ireny.

Ny 23 Febroary,  ny Youth Times dia nizara ihany koa sarintany mitovitovy amin'izany, manome hatetika (fréquence) goavana hita amin'ireo homamiadana sasantsasany any amin'ireo faritra samihafa ao Shina.

Araka io sarintany io, ireo tanàna any atsinanan'i Shina, toa an'i  Shanghaï dia ahitàna marobe amin'ny tranganà homamiadan'ny vavony, raha ny any atsimo indray dia ny homamiadan'ny aty no matetika tsikaritra betsaka. Ambonin'izay, isaky ny dimy minitra ao Shina, enina ny olona voatily hoe tratry ny homamiadana ary dimy no matin'izany. Araka ireo vaovao, io hatetika goavana amin'ny homamiadana io dia vokatry ny fomba fiaina tsy madio loatra, miaraka amin'ny tontolo iainana heverina ho toy ny loza mitatao be indrindra ho an'ny fahasalamana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.