Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Olan'ny fahalotoana ao Shina

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny 2013.  Ny rohy rehetra tsy nasiana fanamarihana manokana dia hitondra anao ho any amina lahatsoratra amin'ny fiteny anglisy))

Pollution engulfs Beijing with heavy haze and reduced visibility. Photo by Global Voices author Owen.

Manarona an'i Beijing ny fahalotoana, miaraka aminà setroka matevimbe sy fihenan'ny fahatazànana. Sary an'ny mpanoratra ato amin'ny Global Voices, Owen.

Ny fanosehan'i Shina mafy ny firoboroboana ara-toekarena tato anatin'ireo taompolo faramparany dia nisy fiantraika mahatsiravina tamin'ny tontolo iainana ao amin'ny firenena.

Mamely ireo faritra maro an-drenivohitra ao Shina ny setroka matevina. Mandoto ny tany ireo loto avy amin'ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany sy ny indostria simika, izay avy eo indray mandoto ny sakafo volena eo amboniny. Lotoin'ireo rano mikoriana avy amin'ny indostria ireo loharano, mahatonga azy ireny ho tsy tsara atao rano fisotro. Fito amin'ireo tanàna tena maloto indrindra eto amin'izao tontolo izao no ao Shina amin'izao fotoana izao, araka ny tatitry ny OMS (Fikambanana Erantany miahy ny Fahasalamàna).

Fahafatesana no vokatra aterany ho an'i Shina. Fandalinana iray nataon'ny Ivontoerana mandinika ny Fiantraika Amin'ny Fahasalamana sy fikambanana marobe mpiaramiasa, isan'izany ny OMS, no nahita fa 1,2 tapitrisa ireo zaza maty aloha loatra tao Shina dia nisy nifandraisany tamin'ny fahalotoan'ny rivotra, tamin'ny 2010 fotsiny. Nanaka-danitra ny isan'ireo tratry ny homamiadana, marary enina no voatily isa-minitra hoe tratry ny homamiadana, olana ara-pahasalamana manjo ny daholobe tondroin'ny maro ho vokatry ny fahalotoana raikitampisaka ao amin'ny firenena.

Ny antoko kaominista eo amin'ny fitondra amin'izao fotoana izao dia misalasala tsy sahy manao sorona ny fandrosoana ka handeha hiady amin'ny fandotoana mihanaka be eraky ny tanàna. Saingy satria miharatsy ny tontolo iainana, dia nihena ihany koa ny faharetan'ny vahoaka. Tato anatin'ny taona vitsy lasa, niatrika onjam-pihetsiketsehana nataon'ireo mponina tezitra nanoherana ireo tetikasam-pampandrosoana izay mety handoto ny faritra ny tao amin'io firenena io.

Fandrakofana

Loharano

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.