- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Noho ny fitiavan-tsakafo ( -n'izao tontolo izao)

Sokajy: Mediam-bahoaka

Efo Riro is a Nigerian vegetable soup. Photo used with permission from Dobby Signature. [1]

Efo Riro, lasopy legioma nizeriàna. Sary nahazoana alàlana tamin'i Dobby Signature. Ato raha te-hahafantatra misimisy kokoa : sakafo 10 avy ao Afrika ambanin'i Saharà tokony ho andraman'ny rehetra. [2]

Ao Tadjikistan, lehilahy iray no nandefa bitsika fanaovam-belona ny fialàny amin'ny tsy fihinanana afa-tsy zavamaitso [3] taorian'ny nanandramany ny hainahandro mahavoky sy tena mafilotra tao amin'ilay firenena. An'arivony kilaometatra maro any lavitra any, ny hafatry ny vehivavy iray mpanoratra bilaogy avy ao Karaiba, nalefany tamin'ny Instagram dia manentana mba hanandrana asa famoronany ny  “Rainbow Pizza” vita manontolo avy amin'ny zavamaniry [4].

Efa nolazaina moa hoe misy andianà ‘Sefo’ mipongatra ao amin'ny Youtube ao mitondra laza ho an'i India?!

Afaka mampiray antsika ny sakafo. Mamaritra antsika ny sakafo. Ary vao mainka nahamora zavatra ny aterineto mba hitrandrahantsika ny maripamantarana antsika sy ireo fomba nentindrazana amin'ny lafiny hainahandro. Fitetezana mandritra nyminitra vitsy monja dia ampy hampisehoana antsika ireo sakafo, hanitra sy tsiro avy any lavitra any ho ao an-dakoziantsika.

Nangatahanay ny vondrompiarahamonin'ireo bilaogera ato aminay avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao mba hanoratra momba ny sakafo syn y hainahandro tiany. Ireto ireo lahatsoratra avy amin-dry zareo:
(Amin'ny teny anglisy ny lahatsoratra itondran'ny rohy anao raha tsy misy fanamarihana manokana)

Afrika

Amerika

Azia

Eorôpa