Tsangambato tranainy, sarintany vaovao

Sarintanin'izao tontolo izao nataon'i Cantino, ahitana fampahafantarana ara-jeografika mifototra amin'ny andiam-pandratoana dia miisa efatra: Columbus amin'i Karaiba, Pedro Álvarez Cabral amin'i Brezila, Vasco de Gama narahan'i Cabral ho an'i Afrika atsinanana sy India, ary ry mpirahalahy Corte-Real amin'i Greenland sy Newfoundland. Azon'ny rehetra ampiasaina.
Ny endrika ôrizinaly amin'ny lahatsoatra etsy ambany dia navoakan'ny mpanoratra ao amin'ny pejy Facebook-ny.
Misy dikany ireny tsangambato ireny. Matetika isika no voatery miandrandra raha hijery azy ireny. Tsy niniana amin'ny arsitektiorany ny fahasamihafana amin'ny haavony, ny itazanana azy lavitra: izay heverintsika amin'ny toerana avo, ny fametahana azy amin'ny fitoerantsariolona, ny iarovana azy amin'ny tady milokom-bolamena.
Azonao atao ny manontany izay mpikambana amin'ny finoana roa lehibe ao Trinite sy Tobago, ny Katôlisisma sy ny Haindoisma, amin'ny dikan'ny tsangambato: Krishna mitsikitsiky anaty malas etsy, Kristy miaraka amin'ny labozia mandrotsa-dranomaso eo amin'ny tongony misy dian'ny voafantsika eroa. Ankelezintsika ihany koa izy ireny ho sahaza ny efitra puja sy ny fivavahana grottos, mampivondrona azy ireny ao anaty fikasana feno fivavahana. Samy miara-miaiky isika fa tsy andriamanitra ireny, fa ireny no mpanalalana an'andriamanitra ho amintsika.
Andriamanitra ve ny tsangambaton'i Christoper Columbus? Tsia dia tsia. Ary na izany aza.
Nanoratra ny Jamaikana mpanao tantara an-tsoratra Michelle Cliff tao amin'ny tantarany an-tsoratra milaza amin'ny ampahany ny fiainany nivoaka tamin'ny taona 1984 mitondra ny lohateny hoe “Abeng” ny amin'ireo tapa-biby mampatahotra inoan'i Columbus fa hitany tao amin'ny Tontolo Vaovao:
“Zavamananaina alika ny lohany fa olombelona ny vatany. Olona manana elatra fa tsy afa-manidina. Zavamananaina toka-tongotra mivoaka avy eo an-tampondohany, zava-tokana miasa manaloka azy ireo eo ambany masoandro mahamay.”
Lahatsora-panoherana ny imperialista tsy raharahian'ny tantara raketin'ny ampira eoropeana fotsy hoditra i “Abeng”. Ny sokitr'io ampira amin'ny tantaram-pirenana Jamaikana io no ifanandrinan'i “Abeng” hatrany ifotony. Anontaniany ihany koa ny fanontaniana iray mitovitovy amin'ny an'ilay poeta Barbadiana Kamau Brathwaite ao amin'ny “The Cracked Mother”, izay ampahany amin'ny sanganasan'i Brathwaite navoakany tamin'ny taona 1973, “The Arrivants: A New World Trilogy”:
“ahoana ny handrafetana ny sarintany vaovao?
Iza no hahasahy hametraka sisintany vaovao?
Ahoana moa no iposahan'ny lanitra ankehitriny?”
Amin'ny ankapobeny ny “The Arrivants” miangavy antsika hifanandrina tamin'ny sisintany anatiny izay natsangatsika vahoakan'i Karaiba, ho fiarovana/setriny amin'ny sisintany nosoritan'ny herin'ny ampira mba hahitana ny misy antsika, hamponina antsika sy hampiondrika antsika eo anoloany. Averimberin'ny “The Arrivants” io fanontaniana io: iza no handrafitra ny sarintanintsika vaovao? Iza amintsika no hanome lanja antsika?
Tao anatin'ny herinandro vitsivitsy aho izay nihaino ireo olompirenena miezaka ny mandresy lahatra ahy amin'ny lanjan'ireo tsangambaton'i Columbus. Niteny tamiko ireo lehilahy sy ireo vehivavy ireo fa mpitety ranomasina mahafinaritra tsapan-dry zareo omena fankasitrahana i Columbus, sy iray amin'ireo ray mpanorina ny tantaram-pirenentsika, manoritra hatrany amin'ny fanombohan'ny fototra indrindra antsika. Fanampin'izany, nilazana aho fa raha esorintsika izy, dia hatraiza izany no hitsahatra? Lasa voatery isika hanaisotra ny zavatra rehetra nataon'ny mpanjanatany ato amin'ny firenentsika, sy ireo firenena karaibeana tsy tambo isaina.
Amin'ny fanombohana mieritreritra ny fanongotana ireo tsangambaton'ny ampira teo aloha, mandidy ny lohan'ireo vita amin'ny marbra, ary manosika ny (vatany) alabastara fangeren'ny voromailala any amin'ny seranantsambontsika, dia efa fiezahana sy sisintany vaovao ho an'ny maro amintsika. Tsy ho hetsika, na fanoherana na fandinihantena ao anatin'ny eritreritra mpankafy Columbus ao an-toerana velively izany: ho azy ireo, tsy ho manapaka ihany ny sarintany tranainy, fa tokony hanapaka hatrany, tsy jerena ny habetsahan'ny râ latsaka tamin'izany. Tena mandiso fanantenana azy ireo tanteraka ny jereny ho fampisehoana maharikoriko ny fikatrohana amin'ny vanim-potoana ankehitriny, indrindra rehefa fiezahana tsy ankiteniteny hanombohana hananganana sarintany vaovao. . . ary raha voatery hanohana hetsika tahaka izany ny pro-Columbus amin'ireo resaka eo an-databatra (misakafo), dia hampihevitra izany fa efa simba tanteraka ny rafitra tranainy an-dry zareo.
Iza no te-hino fa tsy voarafitra araka ny tokony ho izy ny sarintany nampiasain-dry zareo nandritra ny androm-piainany, izay efa nampiasain'ny ray aman-dreniny? Hanomboka hanaiky fa tsy ilaozan-desoka ny anganongano aorian'ny fanjanahantany amin'ny hoe “miasa mafy, mafy, mafy, mankatoa ny fitsipika, ataovy izay hahatonga ny zanakareo ho dokotera sy mpanao lalàna, dia ho azonareo ny fahombiazana, mety hisotroronono any Florida aza ianareo”. Ny fanombohana mieritreritra fa namotika anao ny fomba fihevitrao ny tantara dia fankatoavana, anaty hidihidin-damosina, fa tsy salama ianao teo ambany mason'ny sampy iray na roa.
Nomen'i Christopher Columbus valisoa ireo olona nanaraka azy notolorana tanora ho andevony hanaovany ny filàny ny nofo. Izao ny teniny tamin'ity raharaha manga ity: “mora azo ny castellanoes hahazoana vehivavy iray na toeram-pambolena (fiompiana) iray, ary tena safobemantsina izany, ary maro ny mpivarotra no mandeha mitady zazavavy maro; ireo sivy mankany amin'ny folo (taona?) izao no be mpitady. “
Ka izany ireo manandoha alika, manana elatra tsy misy ilaina azy, ireo olona mampatahotra avy amin'ny faritra manodidina ny ampira lasa entambarotra eo ampelatanan'ny mpandrombaka: noterena ho mpiasa tany, mpitari-dia ao an-toerana, ho ondana nofo lavahana anaty habibiana. Toa izany ihany koa, maro amintsika no miteny fa izany no sandan'ny tantaram-pirenentsika: tsy ny mahalala azy ihany, fa manangana sary sokitra kely vita amin'ny vato hotehirizina amin'ny rakitry ny helony bevava. Ho ahy, ampy ahy ny tsy mitahiry ny tsangambaton'ny mpanangom-panolanana, na amin'io vanim-potoana io na amin'ny vanim-potoana rehetra. Ho an'ny hafa, ny tanjona no anamarinana ireo taolana tapatapaka sy ireo reniranon-dra—ary aoka hazava, tsy mandrisika ireo hafa ireo aho. Tsy manao afa-tsy ny mieritreritra izay hitan-dry zareo fa manantantara aho.
Raha mbola mitohy ity adihevitra ity, amin'izao taona 2020 izao eto amin'ny nosintsika, vonoina amin'ny tifitifitra ny kilonga, tapahan-doha any amin'ny trano nilaozana ny tanora. Matin'ny herisetra an-tokantrano na vehivavy na ankizy na lehilahy. Taritaritina ivelan'ny tranony ny zazalahy ary darohana amin'ny fantsona PVC mandra-pahatonga ny taovan-dry zareo ho maimbo tahaka ny voankazo lò. Isika, ny ankamaroantsika, mampifangaro ny tsara indrindra azontsika atao sy ny kely indrindra ilaina hiavotantsika. Manomboka mihira ny moka mitondra dengy ny tazom-pifidianana.
Mbola mijery hatrany i Christopher Columbus, ilay tsy voaaisotra.
Lahatsoratra anaty sokajy Ny Tetezana - The Bridge, manasongadina soratra, eritreritra, fanehoankevitra ary fanadihadiana tsy nalaina tàhaka avy amin'ny fomba fijerin'ny tsirairay ao anatin'ny fikambanana Global Voices. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Atombohy ny resaka
Lahatsoratra anaty sokajy Ny Tetezana - The Bridge, manasongadina soratra, eritreritra, fanehoankevitra ary fanadihadiana tsy nalaina tàhaka avy amin'ny fomba fijerin'ny tsirairay ao anatin'ny fikambanana Global Voices. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...