- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iza avy ireo ‘mpirotaka’ mety higadra taorian'ny hetsi-panoherana fandroahana olona ho any Shina tao Hong Kong?

Sokajy: Azia Atsinanana, Hong Kong (Shina), Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Tanora
[1]

Pikantsary avy amin'ny lahatsary YouTube-n'ny the Stand News.

Feno herintaona ankehitriny ny hetsi-panoherana fandroahana ny olona hody ho any Shina tao Hong Kong. Nanangona andian-dahatsoratra hisaintsainana ny amin'ilay hetsika fanoherana ny sehatra fampitam-baovao antserasera Stand News miorina ao Hong Kong. Mamoaka ny endrika nasiam-panovana ireny lahatsoratra ireny araka ny fifanarahana fifampizaram-botoaty ny Global Voices. Ny tatitra orizinaly amin'ny teny shinoa [2] eto ambany dia nivoaka tamin'ny 12 jona 2020 tao amin'ny Stand News.

Kihondalana lehibe tamin'ny hetsika fanoherana fandroahana olona nitranga tao Hong Kong ny hetsika izay nitranga teo akaikin'ny Vaomieran'ny Fanaovandalàna (LegCo) tamin'ny 12 jona 2019.

Tao anatin'ny tanjona hanajanonan'ny Vaomieran'ny Fanaovandalàna (LegCo) tsy hampandany ny  Volavolandalàna fanitsiana taona 2019 misahana ny Mpanitsakitsa-dalàna mandositra sy ny fiaraha-miasa ara-pitsarana eo amin'ny raharahan-keloka bevava [3], izay fantatra kokoa amin'ny hoe volavolan-dalàna fandroahana olona ho any Shina, ny mpanao fihetsiketsehana milamina an'aliny nivory teo ivelan'ny foiben'ny governemanta. Taoriana kely rehefa folakandro dia nisy mpanao fihetsiketsehana vitsy an'isa nikasa ny hanafika ny Lapan'ny Legco.

Ho setrin'izany dia tsy nanavaka ny polisy misahana ny rotaka fa nasiany ny etona mandatsa-dranomaso sy notifiriny bala fingotra avokoa ny mpanao fihetsiketsehana hiparitahany, ary ao anatin'izany ireo tao amin'ny faritry ny nipetraka milamina.

Tamin'io andro io ihany, ny kaomiseran'ny polisy misahana ny tanàna tamin'izany fotoana izany, Stephen Lo, namaritra ny fihetsiketsehan'ny 12 jona ho “rotaka”, izay manondro fa izay rehetra nandray anjara dia mety hovesaran'ny sazy migadra hatramin'ny folo taona.

Nijoro teo ankilan'ny kaomisera nanondro ny hetsika ho rotaka i Carrie Lam lehiben'ny mpanatanteraka tamin'izany fotoana izany. Na izany aza anefa dia tsy nankasitraka io famaritana io ny ankamaroan'ny olompirenena tao Hong Kong.

Efatra andro taty aoriana, tamin'ny 16 jona, HongKongers roa tapitrisa [4] tno nidina an-dalambe nihiaka teny maro tahaka ny hoe “tsy mpirotaka ny mpianatra”, “tsy mirotaka izahay”. Tafiditra ao anatin'ny fitakiana dimy lehibe an'ny hetsika manohitra ny fandroahana olona ihany koa “ny fanajanonana ny marika rotaka”.

Tsy namaly ny fitakiana anefa ny governemanta ary mbola nanohy ny fitokonana ny mpanao fihetsiketsehana. Nitombo isa ireo mpanao fihetsiketsehana nosamborina.

Nanolotra taratasy fangatahana hamantarana ny isan'ny fisamborana tany amin'ny manampahefana polisy ny Stand News.

Tanelanelan'ny 9 jona 2019 ka hatramin'ny 31 mey 2020, nisambotra olona miisa 8986 ny polisin'i Hong Kong nandritra ny fihetsiketseham-panoherana. Hatramin'ny fotoana nanoratana (orizinaly) ny departemantan'ny fitsarana nanisy vesatra mpanao fihetsiketsehana miisa 1808 ary ny vesatra niverimberina indrindra dia hoe “nirotaka”.

Nandritra ny fotoam-pitsarana iray tamin'ny 4 mey, mpiambina iray 21 taona nandray anjara tamin'ny hetsika 12 jona no nanaiky fa meloka tamin'ny vesatra nirotaka.

Nanoritra ny mpitsara fa ireo mpanao fihetsiketsehana manohitra ny fandroahana dia “nanimba mivantana ny fampanjakana ny lalàna” sy “tsy nanaja ny lalàna sy ny fiarovana ny ain'ny polisy.” Vokatr'izany dia tsy maintsy ijerena ny tombontsoam-bahoaka ny didim-pitsarana ary ampiharina hampihemorana ny heloka bevava hoavy, hoy ilay mpitsara.

Ny teboka voalohany namesarana azy dia fanagadrana enin-taona. Fa satria nilaza fa meloka ny mpiaro dia nahena ho fanagadrana efa-taona ny sazy.

Handalo fizotram-pitsarana sahala amin'izany ireo olona 612 izay miatrika vesatra ho nirotaka.

Fa rehefa hita ho meloka ry zaero dia mila mandany taom-panatanorana vitsivitsy any am-ponja, ka miato aloha izany ny kinasa any amin'ny hoavy.

Eto ambany ny sary fanazavana ny taonan'ireo “mpirotaka miisa 598 izay efa voasoratra ao amin'ny fitsarana ny raharahan'izy ireo (mbola tsy niatrika fitsarana ny 14 amin'ireo raharaha miisa 612).

[2]

Taona 11-15 (tranga 14); taona 16-20 (tranga 207); taona 21-30 (tranga 324); taona 31-40 (tranga 37); taona 41-50 (tranga 11); ary ny 51 taona no mihoatra (tranga 2). Saripika avy amin'ny the Stand News.

Ny taona ankapobeny voampanga dia 23. Ny zokony indrindra dia 61 taona azy ny zandriny indrindra dia vao 13 taona monja. Latsaky ny 16 taona ny 14 amin'ireo “mpirotaka”. Ampahatelony amin'izy ireo no latsaky ny 20 taona.

Ny fanazavana an-tsary eto ambany dia mampiheo fa mpianatra ny 38% mihoatra amin'ireo “mpirotaka”:

[2]

Mpianatra: 38.29%; sehatra trano fihinanan-tsakafo: 4.85%; sehatra fananganana tao-java-baventy: 4.68%; fehivozona fotsy: 4.35%; sehatra Servisy: 2.68%; sehatra fampianarana: 1.51%; sehatra fitsaboana: 1.34%; Hafa: 20.40%; tsy an'asa: 5.69%; tsy voalaza: 16.22%

Eto ambany ny fanasaratsarahana ny fisamborana azy ireo.

Mihoatra ny 46% amin'ny fisamborana no nitranga nandritra ny fifanandrinana mahery vaika teo amin'ny mpanao fihetsiketsehana sy ny polisy misahana ny rotaka tao amin'ny Oniversite Polyteknika tamin'ny 18 Novambra 2019 [5] [mg]:

12 Jona 2019, hetsika teo antokotanin'ny vaomieran'ny fanaovan-dalàna [6] [mg] — raharaha 1
26 Jona 2019, hetsika teo ivelan'ny Foiben'ny Polisy — raharaha 1
14 Jolay 2019, fifandonana tamin'ny polisy tao Shatin — raharaha 3
28 Jolay 2019, hetsi-panoherana tao amin'ny distrikan'ny nosy Hong Kong andrefana — raharaha 42
5 Aogositra 5 2019, fiandonana nifanaovana tamin'ny polisy tao amin'ny distrikan'i Wong Da Sin — raharaha 1
11 Aogositra 11 2019, fifandonana teo ivelan'ny tobin'ny polisy tao Tsim Sha Tsui [7] — raharaha 29
13 Aogositra 13 2019, sit-in milamina tao amin'ny seranam-piaramanidina iraisampirenena Hong Kong — raharaha 3
24 Aogositra 24 2019, hetsika tao amin'ny distrikan'i Kwun Tong — raharaha 3
29 Aogositra 29 2019, hetsika teo ivelan'ny tobin'ny polisy tao Shum Shui Po — raharaha 17
31 Aogositra 31 2019, hetsika tao amin'ny distrikan'ny nosy Hong Kong [8] [mg] — raharaha 17
7 Septambra 2019, fifandonana tao tamin'ny garan'ny clashes at Shatin Metro station — raharaha 2
21 Septambra 2019, fivoriana tao amin'ny garan'ny Metro tao Yuen Long — raharaha 3
21 Septambra 2019, hetsika tao amin'ny distrikan'i Tuen Mun — raharaha 1
22 Septambra 2019, hetsika teo amin'ny tsenambarotra tao Shatin — raharaha 3
22 Septambra 2019, fifandonana teo ivelan'ny tobin'ny polisy tao Mongkok — raharaha 2
29 Septambra 2019, hetsi-panoherana tao amin'ny distrikan'i Admiralty — raharaha 99
1 Oktobra 2019, Fetim-pirenen'i Shina, hetsika miendrika ady anaty akata tany amin'ireo distrika maro manerana an'i Hong Kong [9] — raharaha 49
6 Oktobra 2019, hetsika fanoherana ny fandraràna ny maska [10] [mg] — raharaha 28
13 Oktobra 2019, hetsi-panoherana tao amin'ny distrikan'i Tseung Kwan O — raharaha 2
3 Novambra 2019, fifandonana tao Mongkok — raharaha 1
10 Novambra 2019, fifandonana tao Mongkok — raharaha 1
11 Novambra 2019, hetsika fanakanan-dalana tao amin'ny Oniversite shinoa ao Hong Kong — raharaha 9
13 Novambra 2019, hetsika barazy tao amin'ny distrikan'i Sheung Shui district — raharaha 2
16 Novambra 2019, fifandonana tao Mongkok — raharaha 6
18 Novambra 2019, fahirano nataon'ny polisy tamin'ny Oniversite Polyteknika [6] [mg] — raharaha 284
19 Janoary 2020, fivoriana tao amin'ny distika foibe — raharaha 3