Fiainana eny amin'ny torapasika: Ny nanovàn'ny COVID-19 ny fizahantany ao amorontsirak'i Albania

des transats et des parasols sur une plage albanaise

Torapasika mampitolagaga no atolotr'i Albania ho anao, toy ny ao Ksamil any atsimon'ny firenena. Sary an'i Ardi Pulaj, nahazoana alàlana.

[Raha tsy asiana fanamarihana manokana, rohy mankany aminà lahatsoratra amin'ny teny anglisy daholo no ato anaty lahatsoratra]

Ny fizahantany no seha-pihariana iray isan'ny tena voadona mafy tokoa tamin'ny fahatongavan'ny valanaretina coronavirus (Covid-19) ary tsy mbola azo antoka ny hoaviny ato anatin'ny fotoana salasalany sy lavalava.

Manakaiky ny lohataona, ary ny ankamaroan'ny olona erantany dia mizaka fihibohana amin'ny endrika samihafa daholo. Na izany aza, tsy misy olona afaka maminavina izay ho endriky ny vanimpotoanan'ny fialantsasatra ho avy eo any amin'ireny toerana amorontsiraka ireny.

Ny Alahady voalohany tamin'ny volana May, na teo aza ireo fepetra napetraky ny manampahefana Albaney momba ny tsy fahazoana mivezivezy, nirohotra namonjy torapasika ny mponina. Am-polony maro ry zareo, niandahy sy niambavy, no tazana nidoladola sy nanararaotra ny hafanàna tao Golem, tanàna iray amorontsiraka ao amin'ny faripiadidian'i Kavaja.

Ho fiomanana amin'ny fifaneraseràna rehefa fotoanan'ny fahavaratra, nandrafitra tondrozotra iray momba ny fahasalamàna ireo manampahefana albaney, izay ho apetraka hiadiana amin'ilay valanaretina.

Araka ilay drafitra pôlitika vaovao avy amin'ny ministera misahana ny fizahantany sy ny ministeran'ny fahasalamàna, nampitaina tamin'ireo rehetra mpisehatra amin'ny toekarena izany mba hakàna ny hevitr'izy ireo, tsy maintsy mampiasa olona iray mpandridra ny ady amin'ny COVID-19 ireo orinasa mba hanara-maso ny fepetra fahadiovana eny anivon'ny mpitantana ary hiantoka ny fametrahana fanafody eo anatin'ny faritry ny toerana iasàna. Tsy maintsy mitondra arontava sy fonon-tànana mandritra ny fotoana rehetra ny mpiasa.

Tsy maintsy manova ny fahazàrany ihany koa ireo mpamonjy torapasika ary manaraka tsara ireo fitsapàna hafanàna, famenoana taratasy fanambaràna raha toa ka misy soritraretina coronavirus ry zareo ary milaza raha toa tao anatin'ny 14 andro farany ka nisy fifaneraseràna taminà olona nitondra ny otrikaretina. Tsy maintsy ataon'izy ireo lisitra ihany koa izay toerana efa nalehany vao haingana tany amin'ireo faritra misy ilay valanaretina.

Ho atao mora azon'ireo mpizahatany, tsy tapaka, ireo arontava sy fonon-tànana ary ireo ranom-panafody fanadiovana tànana.

Voalaza ao anatin'ilay volavola ihany koa ny tokony hametrahana elanelana 4 metatra raha kely indrindra amin'ireo elobe, izay tsy tokony ho any amin'ny 10 metatra miala amin'ny ranomasina. Ho anjaran'ireo mpiandry sisintany ny manara-maso ny fanajàna ireny fepetra fametrahana elanelana eo amin'ny samy mpizahatany ireny.

Eny amin'ny manodidina ireo dobo filomanosana, hasiana elanelana 2 metatra ireo fandriana fitsotsorana sy ireo elobe. Etsy ankilany koa, ireo mpilomano dia tokony hanaja ny elanelana 3 metatra rehefa ao anaty dobo ry zareo.

Any anaty trano fisotroana sy fisakafoanana, tsy maintsy manisy faritra 10 m² ho an'ny latabatra mahazaka olona 4, ary ireo mpanjifa dia tokony hanaja ny elanelana 1 metatra eo amin'ny tsirairay.

Tsy ekena ny fanjifàna ampiasàna ny rafitra ‘self-service’ (samy mamosavy ny tenany) ary rehefa mandroso sakafo ho an'ny mpanjifa ireo mpiasa dia tsy maintsy manao arontava sy fonon-tànana.

Tsy maintsy ataon'ireo mpivarotra talaky maso eny amin'ny toeram-pivarotan-dry zareo io fepetra vaovao io. Tsy maintsy atao hitan'ireo mpanjifa ary atao amin'ny teny anglisy sy albaney.

Na henjana ho an'ny asa aza ireny fepetra vaovao ireny, velom-panantenana ny minisitra misahana ny fizahantany sy ny tontolo iainana, Bledi Klosi, ary mino ny fiarenann'ny indostrian'ny fizahantany ao an-toerana.

There are several reasons why Albanian tourism can be saved in the summer of 2020. About 80% of tourists come to Albania by land. Another advantage over other peripheral countries is the high number of small hotels. Greece is considering banning large hotels this summer, as they are very difficult to manage. The small hotels are manageable. Albania is a positive example of rapid response to the COVID-19 situation.

Betsaka ireo antony mahatonga ahy hihevitra hoe mety mbola azo avotana ny fotoampiasàna 2020 amin'ny fizahantany. Manodidina ny 80 % amin'ireo mpizahatany no tonga ao Albania amin'ny alàlan'ny fifamovoizana an-tanety. Tombony iray ananany manoloana ireo firenena hafa ao amin'ny manodidina. Ananan'i Albania marobe ireo hotely madinidinika. I Gresy kosa etsy andaniny dia maminavina ny hanakatona ireo hotely goavana amin'ity lohataona ity, satria sarotra ny hitantanana azy ireny ho fampanajàna ny fepetra ara-pahasalamàna. Eetsy ankilan'izay kosa, mora tantanina kokoa ireo fotodrafitrasa madinika. Ohatra iray amin'ny fiatrehana haingana ny toedraharaha momba ilay valanaretina i Albania.

Mandritra ny fotoam-pahavaratra, betsaka no azon'i Albania atolotra, miaraka amin'ireo morontsiraka ao aminy mifanolotra amin'ny ranomasina Adriatika sy Iôniàna ary ireo tendrombohitra mirenty mahafinaritra.

Efa atombok'ireo mpisehatra ara-toekarena eny amin'ny morontsiraka sy ireo mpivarotra fivahinianana sahady ireo tolotra afaka omeny.

Torapasika mitokantokana ao #Albania. Samy manana ny zavamiafiny sy ny toerana tsiambaratelony daholo ny fivahinianana tsirairay . . .pic.twitter.com/HiHeXkRv4l

? ALBANIA ? Ireo toerana tsara indrindra tokony tsidihana ! Alamino ny fivahiniananao ao Albania : fantaro izay hotsidihana sy hatao ! Ireo torapasika tsara indrindra : ireo nosy Ksamil, ireo rano madio mangatsankatsaka ao Gjipe, ny torapasika ao Dhermi … Jala, Himara … Ireo vakoky ny ela amin'ilay bazilika rômana tranainy ao Butrint … ary toerana marobe hafa. pic.twitter.com/FcDPKiUAaQ

6,4 tapitrisa ireo vahiny mpizahatany tonga nitsidika an'i Albania tamin'ny 2019, fitomboana 8,1 % raha mitaha amin'ny taona 2018. Hatramin'ny Martsa no nakatona ny habakabaka sy ny sisintany rehetra ary tsy misy mihitsy marika amantarana fa hoe hiverina hivoha izy ireny.

 « Pasipaoro milaza fa voaaro tsara amin'ny aretina» ary elanelana amin'ny fandriana fitsotsorana

Anton-dresaka ihany koa any amin'ireo fitodiana amorontsiraka hafa any Eorôpa ny fitantanana fandehanana eny amin'ireo torapasika.

Vinavinan'ireo manampahefana grika sy ny Fiombonambe Eorôpeàna ny hametraka « pasipaoro milaza fa voaaro amin'ny aretina »/« pasipaorom-pahasalamàna » na koa « sertifikà milaza fa tsy misy ahiana ».

Ilay antontan-taratasy dia hanome an'ireo olompirenena ny fahafahana hivezivezy ao anatin'ny faritry ny Fiombonambe Eorôpeàna na hiverina hiasa, raha toa fotsiny vitan'izy ireo ny manaporofo fa tena voaaro amin'ny aretina Covid-19 ry zareo.

Na izany aza, ampahatsiahivin'ny Fikambanana Erantany Misahana ny Fahasalamàna (OMS) tsy mbola misy aloha hatreto ny porofo ahafahana milaza hoe ireo olona sitrana tamin'ny Covid-19 ary namokatra hery fanefitra (anticorps) dia voaaro tsy ho tratra intsony any aoriana.

“People who assume that they are immune to a second infection because they have received a positive test result may ignore public health advice. The use of such certificates may therefore increase the risks of continued transmission”, the WHO warns.

Mampitandrina ny OMS hoe « ireo olona, izay mihevitra ny tsy ho voa fanindroany nefa nahatsirihana otrikaretina, dia mety hieritreritra ho voaaro ka tsy hiraharaha ireo fepetra ara-pahasalamàna. Ny vokatra ho ateraky ny fampiharana ny sertifikà tahàka izany dia ny mety ho firoboroboan'ny fiparitahan'ilay viriosy. »

Valiny iray hafa no saintsainina ao Italia, any amin'ny faritra izay ery ampitan'ny lakandranon'i Otrante, manatrika an'i Albania.

Hoy ny Agence France Presse :

In Porto Cesareo, a small seaside town nicknamed “the Caribbean” of Apulia, a private beach is trying out a set-up respecting social distancing rules with chairs and umbrellas placed 1.5 meters apart and ropes to mark out the spaces for future holiday makers.

Ezahan'ny mpitantana torapasika iray an'olontsotra ao Porto Cesareo [fr], tanàna kely iray amorontsiraka nampitondraina anarana hoe « Karaiba » any Apulia (Pouilles) [fr], ny manao ho hita maso ireo fepetran'ny elanelana sôsialy amin'ny alàlan'ny fametrahana seza sy elobe mielanelana 1,5 metatra. Ampiasainy ihany koa ny tady mba hamaritana ireo toerana ho an'ireo mpiala sasatra ho avy.

Marihan'i Fabrizio Marzano, tompona torapasika iray « Bacino Grande » an'olontsotra, fa hisy tolotra mifanaraka amin'izay tadiavina homen'ny mpiasa ao aminy, fa tsy voatery hanao izay hisarihana mpanjifa maro akory, toy izay nisy tamin'ireo taona maro tany aloha. Ny fihinanana, izany hoe ny pizzas, sandwichs sy ny zava-pisotro, dia hatolotra mivantana eny amin'ny torapasika, eny amin'ny toerana misy ny elobe, satria vaoràra ny miandry ery anoloan'ny ‘bar’.

Tsidiho ny fandrakofana manokana ataon'ny Global Voices momba ny fiantraika mivantana erantanin'ny COVID-19 [fr].

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.