Momba ny Advox

Tetikasan'ny Global Voices ny Advox. Tambajotram-bilaogera sy mpikatroka an-tserasera manerantany nanoka-tena ho amin'ny fiarovana ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fahazoana vaovao malalaka an-tserasera izahay. Taterinay izay fandrahonana fanehoan-kevitra an-tserasera, zarainay ny paikady hiarovana ny asa sy ny tenin'ny mpisera, ary tohananay ny ezaka hanatsarana ny politikan'ny aterineto sy ny fomba fampiharana izany manerana izao tontolo izao.

Ankatoavinay ny zon'olombelona manerantany halalaka fanehoan-kevitra, hahazoana vaovao torohay, ary ny fiainana manokana izay avadika ny governemanta, ny orinasa ary ny mpisehatra matanjaka manerantany hafa. Mino izahay fa napetraka manokana hanao zavatra momba izany ny vondrom-piarahamonina Global Voices manana mpandray anjara mihoatra ny 800 any amin'ny firenena miisa 130.

Tanjonay ny hampiasa ny tanjakay – ny tambajotranay, ny fahalalanay ary ny feo izay kasainay hohamafisina – mba hahatonga ny tranonkalanay ho ivon-toerana ho an'izay maniry hamantatra momba ireo olana miseho, hahita ny ezaka fanandrata-teny, ary hiasa miaraka rehefa miseho ny fanamby vaovao ary hanohy ny ady taloha.

Ny ekipa mpitarika

    • Afef Abrougui is the lead editor for Advox. A Tunisian journalist and researcher focusing on free expression, internet freedom and privacy issues, Afef has written for Global Voices since 2011. She is also a researcher and writer with Ranking Digital Rights.
Afef Abrougui no lehiben'ny toniandahatsoratra ho an'ny Advox. Mpanora-gazety sady mpikaroka Toniziana mifantoka amin'ny fanehoan-kevitra malalaka, ny fahalalahana amin'ny aterineto ary ny olana momba ny fiainana manokana izy ary nanoratra ho an'ny Global Voices nanomboka hatramin'ny taona 2011. Mpikaroka ihany koa izy sady mpanoratra miaraka amin'ny Ranking Digital Rights.
  • 8265733029_b5d9dc78ee_oOiwan Lam is our editor for China. An experienced journalist and media rights advocate with InMedia Hong Kong, Oiwan has written for Global Voices since 2006.
Oiwan Lam no toniandahatsoratra ho an'i Shina. Mpanora-gazety zaz-draharaha sady mpiaro ny zon'ny fampitam-baovao miaraka amin'ny InMedia Hong Kong. Hatramin'ny taona 2006 i Oiwan no nanoratra ho an'ny Global Voices.

Naorin'i Sami Ben Gharbia tamin'ny taona 2007 ny Global Voices Advocacy. Toniziana mpiaro ny fahalalaham-pitenenana sady bilaogera izy. Efa nisy an'i Hisham Almiraat (2012-2014) sy Ellery Roberts Biddle (2015-2019) ireo tale nandimby azy.

Bilaogera, mpikatroka, mpanao gazety, teknolojista, mpisolovava ary manam-pahaizana momba ny politikan'ny aterineto avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao ny mpandray anjara ato aminay. Mifandraisa aminay raha hanatevin-daharana ny vondrom-piarahamoninay iraisam-pirenena !

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.