Fihibohana henjana ho an'ny faran'ny herinandro tao Azerbaidjana, taorian'ny fitomboan'ny tranga COVID-19

Ny fihaonan-dàlana Istiqlaliyyet sy Nigar Refibeyli ao anatin'i Bakou (renivohitr'i Azerbaidjana) mangadihady. Sary an'i Akbar Mammadov, nahazoana alàlana.
Ny 8 Jona 2020 no nivoahan'ny lahatsoratra anglisy voalohany.
[Raha tsy misy fanamarihana manokana dia mankany aminà lahatsoratra amin'ny fiteny anglisy ny rohy rehetra ato anaty lahatsoratra.]
Nihidy an-trano ry zareo Azéris nandritra ny faran'ny herinandro 6-7 Jona.
Ny 3 Jona, mba hiadiana amin'ny valanaretina COVID-19 dia nambaran'ny manampahefana ny fepetra faran'izay henjana indrindra nisy hatreto tao amin'ny firenena : fihibohana mandritra ny faran'ny herinandro. Nanomboka ny misasakalin'ny Zoma hatramin'ny Alatsinainy maraina tamin'ny 6 ora, noraràna tsy nahazo hivoaka ny trano ny vahoaka.
Ny 28 Febroary i Azerbaidjana no nanamafy ny fisian'ny tranga voalohany tao aminy, ary ny 24 Martsa no nametraka rafitra iray fanokanamonina manokana. Araka ny sarintanin'ny Oniversite John Hopkins, hatreto dia tranga COVID-19 miisa 7.553 no voamarina ao an-toerana, ary 88 no namoy ny ainy [Fanavaozana : tranga 10 662 no voamarina, ary 126 no namoy ny ainy tamin'ny 17 Jona 2020]. Saingy hatramin'ny namahàna ireo fepetra henjana nanditra ireo herinandro teo aloha, toa mitombo indray ankehitriny ireo tranga vaovao.
Tamin'ny 4 Jona, nambaran'ny Praiminisitra Ali Hasanov ny fisian'ny fepetra fihibohana, mifandray amin'ny fitomboan'ny tahan'ireo tratry ny valanaretina. Ny 3 Jona, haavo tsy mbola nisy toy izany no hita, 325 ireo tranga COVID-19 vaovao tao amin'ny firenena, ka 5 no maty, ary izany no nanosika ho amin'ny fametrahana tsy fahafahana mivezivezy amin'ny alina nandritra ny faran'ny herinandro. Nampiharina tao Bakou, renivohitra io fepetra farany io, sy tany amin'ireo distrikan'i Sumqayit, Gandja, Lankaran et Abşeron, ary mety hotazonina mandritra ny volana roa arakaraky ny fivoaran'ny valanaretina.
Tamin'ny 4 Jona, Ramin Bayramli, lehiben'ny sampandraharaha misahana ny Fahasalamam-bahoaka, nandritra ny famelabelarany ireo torolàlana nanoloana ny vondrona manokana natsangana hiatrika ny coronavirus, no nanolotra hevitra hametrahana ilay tsy fahafahana mivezivezy amin'ny alina. Nandritra ny fivoriana iray nataon'ny kabinetran'ny ministera, nilaza izy fa noraisina izao fanapahankevitra izao « noho ny zavamisy hoe tsy ela akory izao, efa mihoatra ny 200 ireo trangana coronavirus voavao voaisa isanandro ».
Ny 18 May teo, nohalefahana ny fepetra fihibohana tao amin'ny firenena. Talohan'io, mba ho afaka mivoaka ny tranony dia tsy maintsy naka fahazoandalàna tamin'ny alàlan'ny SMS ireo mponina (fepetra efa napetraka nanomboka ny 4 Aprily), ary narahana fepetra koa ny fahafahana mamonjy ireo kianja, lalambe, tranombakoka, fampirantiana sy toerana hafa fialàna voly.
Vakio koa : Tsy maintsy mandefa SMS ry zareo Azéris alohan'ny hivoahany ny trano [fr]
Ny 31 May, nohalavain'i Azerbaidjana ho hatramin'ny 15 Jona anefa ny fihibohana, niara-dàlana tamin'ny fanalefahana ireo fepetran'ny fanokanamonina. Isan'ireto fepetra farany ireto ny fanokafana ireo toerampivarotana goavana (afa-tsy ireo toerana fitaizana ankizikely sy ny toerana fialàna voly, ny fijerena sarimihetsika sy ny toerana fisotroana kafe ho an'ny daholobe), kafe, toerana fisakafoanana ary ireo fifaninànana ara-panatanjahantena ivelan'ny trano. Niakatra be tsy nisy toy izany ny isan'ireo trangana COVID-19.
Raha heverina fa henjana be ilay rafitra fandefasana SMS, mbola henjana kokoa noho izay ilay fihibohana mandritra ny faran'ny herinandro. Ireo fepetra vaovao dia mandràra tanteraka ny mponina tsy hivoaka ny tranony, raha tsy noho ny resaka vonjy aina na fahasalamàna irery ihany. Azo atao ihany koa ny mamonjy fandevenana havana fa maka fahazoandàlana amin'ny laharana #102, izay ny sampandraharaha mpiandry raharaha ao amin'ny ministeran'ny atitany no misahana azy.
Nambara ihany ko fa hikatona ireo farmasia sy magazay mandritra ny roa herinandro hisian'ny tsy fahafahana mivezivezy amin'ny alina. Niteraka fisavoritahana sy firohotana namonjy magazay izany tamin'ny 5 Jona teo.
Natsahatra daholo ihany koa ireo fitaterana rehetra iraisan'ny daholobe, ary noraràna ireo fiaran'olontsotra. Ny sazy ara-bola noferan'ny governemanta dia tafakatra 58 hatramin'ny 2.941 dolara amerikàna raha tratra mampiasa fitaterana manokana, na inona na inona karazany, mandritra ny faran'ny herinandro natao hihibohana, arahana sazy fanampiny ho an'ireo mpiasampanjakana mitana toerana ambony. Amin'ny tranga sasantsasany, mety haiditra am-ponja mandritra ny volana iray ireo tsy manaja fepetra.
Ny 5 Jona, Ehsan Zahidov, mpifandray amin'ny gazety ao amin'ny ministeran'ny atitany, dia nanambara [az] fa tsy ho azon'ireo mponina atao akory aza ny mamoaka ny fitoerampakon'izy ireo mandritra ny tsy fahafahana mivezivezy amin'ny alina. Nampitandrina ireo tsy manajà fepetra izy fa 58 dolara no sazy ara-bola mety ho azo amin'izany (100 AZN).
Misy vitsivitsy tsy iharan'ireo fepetra ireo anefa. Misy lisitra ahitàna masoivohom-panjakana sy andrim-panjakana vitsivitsy navoakan'ny kabinetran'ny ministera, izay mahazo alàlana ny mpiasa amin'izy ireny hivoaka mandritra ny fotoana fihibohana, saingy rehefa nahafeno fotsiny ihany ireo fepetra fanaovana sonia elektronika ao amin'ny tranonkala allow.e-gov.az. Na misy aza io fanomezandàlana manokana io, tsy maintsy apetraky ny mpampiasa ny fisiana fitaterana voarindra, ny fampiasàna ireo fiara manokana dia mbola mitoetra hatrany ho tsy azo atao.
Kamran Aliyev, tale jeneralin'ny polisy ao Bakou, dia nanambara [az] tamin'ireo media ao an-toerana fa ireo olona manana fahazoandalana hiasa dia afaka mamonjy ny biraony amin'ny fampiasàna bisikilety na an-tongotra raha toa ka tsy lavitra ny toerana fonenany.
Tamin'ny 31 May lasa teo, nolanian'ny antenimiera ny lalàna iray mametraka ny tsy maintsy hitondràna arontava eny amin'ny toerana ifaneraseran'ny daholobe nanomboka tamin'ny 3 Jona. Ireo rehetra tsy manaja io fepetra vaovao io dia hiharan'ny sazy ara-bola 29 hatramin'ny 235 dolara amerikàna. Amporisihan'ny lalàna ny rehetra mba hanaja ny elanelana sôsialy 1,5 hatramin'ny 2 metatra eny amin'ny toerana rehetra natao ho an'ny daholobe.
Ny 4 Jona, nanambara ny orinasa nasiônaly misahana ny fitaterana an'habakabaka, Azerbaijan Airlines (AZAL), fa hikatona daholo ireo seranampiaramanidina rehetra hatramin'ny 01 Jolay. Natsahatr'i Azerbaidjana daholo ny sidina nanomboka tamin'ny tapany faharoan'ny volana Martsa.
Zahao ny pejy manokan'ny Global Voices amin'ny fiantraikan'ny COVID-19 amin'ireo fokonolona manerana izao tontolo izao Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Atombohy ny resaka
Zahao ny pejy manokan'ny Global Voices amin'ny fiantraikan'ny COVID-19 amin'ireo fokonolona manerana izao tontolo izao Lahatsoratra rehetra
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 11 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 123 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 128 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...