- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Antso ho an'ny mpanoratra: mitady lahatsoratra miompana amin'ny zo nomerika ny Global Voices

Sokajy: Mediam-bahoaka, Blaogim-Piarahamonina GV

Niavian'ny sary: Electronic Frontier Foundation [CC-BY [1]].

Ny Global Voices dia mitady lahatsoratra fanolorana maro hanaovana tantaram-panadihadiana momba ny fandahonana ny zon'olombelona eo amin'ny habaka nomerika. Ny lahatsoratra dia havoaka ho anisan'ny UPROAR [2], tetikasa iray karakarain'ny Small Media izay mandrisika ny governemanta hamaha ireo fanamby ao amin'ny Universal Periodic Review [3] (UPR). 

Ny lahatsoratra nokomandiana dia afa-mifantoka, fa tsy voafetra, amin'ny:

Amin'izao fotoana izao izahay mitady mpanoratra hanoratra momba ireto firenena manaraka ireto: Libanona, Liberia, Rwanda, Namibia, Sierra Leone, Gambia, Senegal, ary ny Repoblika Demaokratikan'i Congo.

Ny tantara dia tokony hanaraka ny fitarihan-dalan'ny fomba fanoratra GV [4] sy ny fitarihan-dalana zotram-panoratana Advox [5] ary ny fetr'isan'ny tantara tsirairay dia 1000. 

Miangavy alefaso imailaka amin'i afef.abrougui@globalvoices.org ireo lahatsoratra fanolorana nataonao.  

Homena valin-kasasarana $150 USD ireo mpanoratra.