
Niavian'ny sary: Electronic Frontier Foundation [CC-BY].
Ny lahatsoratra nokomandiana dia afa-mifantoka, fa tsy voafetra, amin'ny:
- Trangam-pandrahonana mivantana iray manokana (ara-pitsarana, ara-batana, nomerika) nihatra tamin'olona na vondron'olona iray nirotsaka tamin'ny firesahana an-tsearsera ho tombontsoam-bahoaka
- Lalàna iray manokana (volavola na mihatra) ao amin'ny firenena voalaza etoana izay (h)ahitana fiantraikany amin'ny zo nomerika
- Fanazavana fironan-tranga maro, izay mampiseho fa lalàna tokana, hetsika fampihara-dalàna tokana, na resaka tombontsoam-bahoaka ao amin'ny iray amin'ireo firenena hotononina manaraka etoana, dia mety hampisy fiantraikany goavana amin'ny zo nomerika ao amin'ilay firenena, na mety hiitatra ao amin'ny manodidina azy ihany koa.
Amin'izao fotoana izao izahay mitady mpanoratra hanoratra momba ireto firenena manaraka ireto: Libanona, Liberia, Rwanda, Namibia, Sierra Leone, Gambia, Senegal, ary ny Repoblika Demaokratikan'i Congo.
Ny tantara dia tokony hanaraka ny fitarihan-dalan'ny fomba fanoratra GV sy ny fitarihan-dalana zotram-panoratana Advox ary ny fetr'isan'ny tantara tsirairay dia 1000.
Miangavy alefaso imailaka amin'i afef.abrougui@globalvoices.org ireo lahatsoratra fanolorana nataonao.
Homena valin-kasasarana $150 USD ireo mpanoratra.