Resabe tamin'ny ‘fahitan'ny’ PM Grika an'i Zélande Atsimo

Gresy sy Nouvelle Zélande eo amin'ny sarintanin'izao tontolo izao. Sary: Groubani tao amin'ny Wikipedia Anglisy / CC BY-SA 3.0

Nandany ny faran'ny herinandrony ny mpiseran'ny tambajotra sosialy Grika nihomehy ny Praiminisitra Kyriakos Mitsotakis, izay nilaza ny fireneny ho maodely noho ny ezaka nataony tamin'ny ady amin'ny coronavirus nandritra ny antsafa nataony tao amin'ny fahitalavitra ny 25 Mey .

Nilaza ny Praiminisitra tamin'ny resadresaka nifanaovany tamin'ny mpanao gazety Mara Zaharea tao amin'ny STAR TV fa rehefa nahomby tamin'ny fandresena ny COVID-19 ny fireneny dia tafiditra tao anatin'ny vondron'ny firenena izay nizara torohevitra sy soso-kevitra amin'ny fomba fanokafana indray ny toe-karena toa an'i “Singapaoro, Aostralia (ary) Zélande Atsimo”.

Tsy ela akory dia lasa resabe tao amin'ny tambajotra sosialy ny fahadisoan'ny Praiminisitra ka nisy nanontany toy izao ny mpisera hoe “iza amin'ireo Zélande roa ireo no tsara indrindra” sa ve nanafangaro ny teny N alohan'ny soratra “Zélande” ny PM tamin'ny teny Grika hoe “Notia” izay midika hoe “Atsimo.”

Mbola nitohy indray ny “fihomehezana” tao amin'ny Twitter

Tsy vao voalohany akory no lasa resabe tao amin'ny firenena ny hadisoana nataon'ny PM Grika manoloana ny fakantsary. Efa fomba napetrak'ireo olona nodimbiasany Costas Simitis, George Papandreou ary Alexis Tsipras ny tsy faiza-manao lahateny ampahibemaso.

Haingana tamin'ny fanesoesoana an'i Mitsotakis noho ilay adalàna ireo mpiseran'ny tambajotra sosialy:

Ο Κυριάκος είπε ότι η χώρα συνεργάζεται, μεταξύ άλλων, με τη… Νότιο Ζηλανδία!
Ξέσπασε εμφύλιος εκεί και χωρίστηκε η χώρα στη μέση;

- Dimitris Soultas – Facebook, May 25th, 2020

Nilaza i Kyriakos [Mitsotakis] fa miara-miasa ny firenena, miaraka amin'ny hafa, anisan'izany i… Zélande Atsimo!

Nisy ady an-trano ve tany ary nizara roa teo afovoany ny firenena?

Ataonao hoe “Zélande Atsimo” ny “N. Zelande” rehefa mamerin-teny toy ny boloky ianao nefa tsy mahafehy ny lahatsoratra.

Kyriakos, tsy misy izany Zélande Atsimo izany.
-Inona izany?
-Nouvelle Zélande.
-Ary ilay taloha nankaiza? Avaratra sa Atsimo?

Soraty ho azy ny anarana fenon'ny firenena ao amin'ny fijereny naoty.
Tsy hainy akory na dia ny milaza ny anarany aza raha tsy misy fanampiana. #ZelandeAtsimo #Mitsotakis

Sarin'ny PM Grika Kyriakos Mitsotakis namboarina tamin'ny endrika  “Iza no te ho mpanefoefo”. Mivaky toy izao ilay fanontaniana: “Fa inona no mandeha eo alohan'ny Zélande amin'ny fehezanteny ? A. Atsimo-Nouvelle B. Avaratra. C. Atsimo. D. Vaovao ”. Sary avy amin'ny mpisera Twitter @Athyrostomix.

Ao amin'ity sioka ity, maneso ny fahaizana sy ny toerana ambony misy an'i Mitsotakis ny mpisera – avy amin'ny iray amin'ireo fianakaviana manana ny maha-izy azy sy malaza indindra amin'ny politika Grika izy.

Nalefa nianatra tany Harvard izy, nandoa vola be, izay vola tsy ho azon'olon-kafa raha tsy miasa mandritra ny androm-piainany, mba hahafahany miteny hoe “Nouvelle Zélande” toy ny “Zélande Atsimo”! Mihaino azy ny ankizy any amin'ny sekoly fanabeazana fototra ary tapa-tsinay. Ho ela velona anie ny Mpitondra anay, ANDRIAMATOA KYRIAKOS !!! OHATRA AZY NO MENDRIKA ANAY !!!

Nivazivazy tamin'ilay hoe “Mitsotakis ratsy vintana” ilay mpisera AnnaKonda :

Kisendrasendra fotsiny ve izany?
Horohorontany tany Zelande Atsimo, 5,2 R, androany maraina be.

Nandresy tamin'ny fifidianana ankapobeny izay natao tany Gresy tamin'ny fahavaratra 2019 ny antoko Demokrasia Vaovao afovoany-ankavanana tarihin'i Kyriakos Mitsotakis ka naharesy ny mpifaninana aminy Syriza sy ny mpitarika azy, ny PM Grika teo aloha Alexis Tsipras.

Iray amin'ireo lisitry ny fanamby atrehin'ny governemanta ny valanaretina COVID-19. Ahitana ny krizin'ny mpitsoa-ponenana sy ny mpifindra monina, ny politika raharaham-bahiny feno fandrimpandrika, ary ny fahasarotana ara-toekarena izay nampitondra faisana ny fahasalamam-bahoaka sy ny fanabeazana ny lisitra hafa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.