Fanarenana indray ny toekarena ao Karaiba na mitatao aza ny COVID-19

Fivezivezena mandritra ny fotoana isian'ny COVID-19. Sary an'i Prachatai ao amin'ny Flickr, CC BY-NC-ND 2.0.
Noresahan'ny fizaràna 1 tamin'ity andiany ity ny sata misy ny ady atao amin'ny COVID-19 ao Karaiba tany am-piandohan'ny Jona 2020. Ato anatin'ity fizaràna faharoa ity, hojerentsika ny fomba eritreretin'io faritra io hanokafana indray ny toekareny, izay miankina betsaka amin'ny fizahantany ny ankabeazany.
Taona zina ny 2019 ho an'ny fizahantany tao Karaiba. Avy eo, tany amin'ny faramparan'ny taona, nipongatra ny COVID-19. Ny vokany dia valanaretina iray izay nitarika ny Fikambanana ho an'ny Fizahantany ao Karaiba hanome anarana ilay viriosy ho “ilay mpitsidika tsy niriana”, tanatinà andiana “podcasts”.
Amin'ny maha-loharano goavana ho an'ny fifanakalozana ivelany sy loharanon'asa ho an'ny ankamaroan'ireo firenena ao Karaiba, nanomboka tamin'ny volana May dia lasa tena maika ny tsy maintsy hanokafana am-pitandremana ny sisintany hidiran'ireo mpitsidika avy any ivelany, farafaharatsiny aloha amin'izao fotoana izao ho an'ny ampahany amin'ireo faritra sasany izay toa manana fifehezana tsara ny tarehimarik'ireo tranganà COVID-19 ao aminy.
Na izany aza, raha nisy vitsivitsy ireo nosy nanambara fa vonona ary efa nametraka daty mihitsy — vonjimaika na hentitra — ho amin'ilay fisokafana, ny hafa tsy mbola tonga amin'izay dingana izay. Tsy te-hametraka daty mihitsy hirosoana amina fisokafana ny sasany.
Fanokafana ny fitsangantsanganana
Isan'ireo nanao fanambaràna fanokafana ny fandraharahàna amin'ny volana Jona i Antigoa sy Barboda, izay handray ny sidina voalohany ao aminy avy any Etazonia ny 4 Jona, ary St. Lucia, izay nanambara fa handray “tsikelikely ny fomba firoso tomponandraikitra amin'ny fanokafana indray ny sehatry ny fizahantany” amin'io andro io koa — na eo aza ny fanitàrana ny hamehana ara-pahasalamàna ao an-toerana ho hatramin'ny Septambra.
Afaka mitehin-tratra i Belize, firenena iray ao Karaiba any amin'ny morontsiraka avaratra-atsinanan'i Amerika Afovoany, noho ny tsy nahitàna trangana COVID-19 tao aminy efa ho volana iray mahery izao; arahan'i Grenada sy ny nosy Holandey ao Aruba, toa efa vonona ny hanokatra ato ho ato ny sisintany. Na iray aza, tsy mbola misy anefa tamin'ireo firenena ireo nanambara daty. Bonaire, mpifanila vodirindrina amin'i Aruba, izay tsy misy trangan'aretina ihany koa, dia hampiato amin'ny 15 Jona ny fandraràny ny fivezivezena.
Mandritra izany, ny Nosy Virjiny amerikàna dia nisokatra indray ho an'ireo mpizahatany tamin'ny 1 Jona teo, na mbola mipetraka ho hatramin'ny 11 Jolay aza ny fepetra noho ny hamehana ara-pahasalamàna ao aminy.
Maka milamina, na eo aza ny akoralava
Ireo Nosy Cayman (misy mponina 64.000) dia tsy nametraka daty ho fiverenana tanteraka indray amin'ny fiainana andavanandro, na mikasa aza ny andrimpanjakana iray misahana ny fahasalamàna any an-toerana fa hanao fitiliana fanefitra enti-manohitra ny COVID.
Toerana iray tena fitodiana malaza ho an'ireo sambo mpitondra mpizahatany mitety izao tontolo izao i Cayman, efa nahavita nitily ny 20 isanjaton'ny mponina ao aminy ary nahita tranga 150. Drafitr'ireo manampahefana misahana ny fizahantany ao an-toerana ny fametrahana dingana iray fiverenana amin'ny laoniny, fa tsy mbola nisy ny daty voatondro. Kanefa, ny toetra tsy hay be ihany ananan'ilay viriosy dia naseho tamin'ny 3 Jona narahana fanambaràna hoe nisy zaza iray sivy taona voatily ho mitondra ilay otrikaretina – toedraharaha iray izay lazain'ny Lehiben'ny Vondron'ny Mpitsabo ao amin'ireo nosy ireo ho “mampalahelo”
Mandritra izany, iomanan'ireo vondrona hotely sy mpahazo tombontsoa amin'ny resaka fizahantany, ny fandraisana famandrihan-toerana sy fanaovana dokambarotra momba ilay faritra, ho toy ny toerana fitodiana tena ankafizin'ny maro. Amin'ny fanipihana ny tsy fahitàna afa-tsy isa faran'izay kely ao amin'ny faritra, manamafy ny tranonkala iray mpivarotra fivahinianana fa amin'ny volana Jona dia hiverina ho any amin'ireo nosy ao Karaiba ireo Amerikàna mpitsidika.
Kanefa, miaraka amin'ilay viriosy izay tsy mbola voahilika tanteraka any amin'ireo faritàny sasany izay efa mikasa ny hiverina hisokatra indray, ary ny tahotra hoe mety hanaparitaka loza ho an'ny mponina ao an-toerana ireo vahiny marobe, tazonin'ny ao Karaiba ihany ny toetsaina feno fitandremana.
Ny filoha amperinasa ao amin'ny Caribbean Community (CARICOM), ny praiminisitra ao Barboda, Mia Mottley, nilaza tao anaty antsafa iray niarahany tamin'ny BBC tamin'ny 26 May hoe:
Tsy ny daty no hibaiko antsika, fa izay soridàlana tsy haha-azon-tsampona antsika. […] Ezahantsika ny hampifandanja ny aina sy ny fitadiavana, toy ny olona rehetra ihany […] fa tena mahangoly ny fitomboan'ny tsy fanànana asa.
Nohitrikitrihan'i Mottley fa ho an'ny ampitso, ny “olana goavana” dia ny fanaovana fitiliana ireo mpitsidika; nanamafy izy fa amperiny izao ny adihevitra iarahana amin'ireo mpiara-mitan-tsoroka ijerena iray soridalana amin'ny antsipirihany momba ny fivezivezena. Ny nosy misy azy manokana, manana vahoaka 287.000, dia tsy nahitàna trangana COVID-19 efa ho andro enina izao; 11 ireo tranga hita tamin'ny volana May, ary nisy ny fitiliana lalina notanterahana. Raha nesorina ireo fandraràna momba ny fiantsenàna ary afaka mandeha eny amin'ny torapasika ao amin'ilay nosy ny olona, tsy mbola nanambara daty ho amin'ny fanokafana indray ny sisintaniny kosa ny governemanta ao Barboda.
Ao Jamaika, nohamafisin'ny praiminisitra, Andrew Holness, tao anaty tafa iray ho an'ny mpanao gazety fa ny CARICOM dia mitady fiarahana miasa momba ireo soridàlana vaovao ho an'ireo mpizahatany tonga avy any an-tseranany. Raha niresaka ny hoe “andavanandro vaovao,” dia hoy izy nanamarika:
Ireo soridàlana ireo dia mety tsy hitovy amin'izay ho ataon'ny firenena hafa, saingy amin'ny maha-vondrona iray, heveriko fa misy fahatakàrana ankapobeny momba izay ho endriky ny fivezivezena amin'ny hoavy.
Hetsika fampifandanjàna
Manelingelina izy io ho an'ireo governemanta ao Karaiba, tery eo anelanelan'ny olan'ny fahasalamàm-bahoaka mianjady amin'izao fotoana izao sy ny zavamisy ao amin'ny toekarenan'ny faritra iray miankina betsaka amin'ny fizahantany, izay mitangolingolika midina ankehitriny. Ny Ivontoerana Fandrindràna ao Jamaika dia naminavina fifanoherana goavana eo amin'ny harinkarena faobe (PIB) ho an'ny telovolana Aprily hatramin'ny Jona, voalohany indrindra noho ireo fepetra noraisina hiadiana amin'ilay valanaretina.
Misy singa iray manampy trotraka tsy maintsy ampidirina ao anaty kajy, izay notondroin'ny filohan'ny CARICOM: ny 1 Jona no daty ofisialy fanombohana ho an'ny vanimpotoanan'ny rivomahery 2020 any Atlantika, vanimpotoana iray iatrehan'ny ao Karaiba safotofoto tsy mitsaha-mitombo, noho ny fiantraika miha-henjana hatrany ateraky ny fiovaovàn'ny toetrandro. Tato anatin'ny taona vitsivitsy lasa, nitombo hery hatrany ireo rivodoza, arahana fiantraika mandravarava.
Voaporofo fa ho taonan'ny fanamby marobe ny 2020, ary zava-tsy ampoizina goavana ho an'i Karaiba. Ho lasa miaraka amin'ny COVID-19 ve ny ratsy indrindra ho an'ilay faritra? Mbola aloha loatra raha izao sahady no hilaza izany, saingy toa mbola ho be ny sedra ho diavina.
Zahao ny pejy manokan'ny Global Voices amin'ny fiantraikan'ny COVID-19 amin'ireo fokonolona manerana izao tontolo izao Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Atombohy ny resaka
Zahao ny pejy manokan'ny Global Voices amin'ny fiantraikan'ny COVID-19 amin'ireo fokonolona manerana izao tontolo izao Lahatsoratra rehetra
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 7 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...