Toeram-pizahan-tany tsy dia fantatra loatra any Japana hita ao amin'ny YouTube

Tempoly Kiyomizu, Kyoto tamin'ny fotoana misomebiseby sy be olona kokoa (Aogositra 2019). Saripikan'i Nevin Thompson, nahazoana alalana.

Tamin'ny faran'ny volana Mey, nanidy ny sisintaniny i Japana tao anatin'ny ezaka fisorohana ny fifindran'ny valanaretina COVID-19 ka nandà ny fidiran'ireo olom-pirenena avy any amin'ny firenena miisa 111 farafahakeliny. Ankoatra ny fanakanana ireo Japoney monina maharitra any ivelany izay nanasaraka azy ireo tamin'ny fianakaviany dia nanakatona ny fizahan-tany anatiny ny fanaraha-maso ny sisintany ka nahatonga ny isan'ny mpitsidika tao amin'ny firenena nihena ho 99,9 isan-jato raha oharina tamin'ny herintaona.

Raha tsy namoaka vaovao ny governemanta Japoney momba ny fanalefahana ny famerana ny fidirana dia misy ny paikady hanampiana ny indostrian'ny fizahan-tany any Japana amin'ny alàlan'ny fandrisihana ny fitsidihana anatiny. Sarotra anefa izany ho an'ireo izay mety ho vahiny mpitsidika noho ny fandraràn'i Japana ny fivezivezena – indrindra ny amin'izao fotoana raha hikasa ny haka rivotra. Soa ihany fa nisy ny YouTube, fiara tonga lafatra ahafahanao mandamina ny fitsangatsangananao virtoaly ao Japana.

Nanatontosa lahatsary fohy mampiseho ny toerana mahaliana sy mahafinaritra ao amin'ny faritr'i Kansai any andrefan'i Japana ny fantsona YouTube Anna Film Production. Faritra be mponina any afovoan-tanàndehibe faharoan'i Osaka ao Japana izay ahitana ireo renivohitra manan-tantaran'i Kyoto sy Nara ary ny tanàna seranan-tsambo ao Kobe. Ny fifangaroan'ny endrika an-tanàndehibe, ny toerana ara-kolotsaina ary ny hatsaran'ny tendrombohitra voajanahary no mahatonga izany ho toerana falehan'ny mpizahan-tany.

Sady nandefa lahatsarin'ny sasany amin'ireo toeram-pizahan-tany malaza any Kansai ny Anna Film Production, anisan'izany ny Buddha Lehibe ao Nara sy ny toerana masina Fushimi Inari ao Kyoto, ary eo ihany koa ny famelan'ny serizy ary ny maiko (fianarana geisha) any amin'ny toerana samihafa no sady nitondra ny mpitsidika amin'ny fitsangatsanganana virtoaly any amin'ny toerana mahaliana sasany, any amin'ny toerana mbola tsy fahita ihany koa ny fantsona.

Nosy Tomogashima, ny tena fiainana Laputa

Manasongadina ireo sisa tavela tamin'ny lapa voaaro efa rava izay naorina voalohany tamin'ny taompolo 1880 ho isan'ireo rafi-piarovan'ny morontsiraka any Japana ny Nosy Tomogashima izay any amin'ny 100 kilometatra any atsimo andrefan'i Japana miala ny morontsiraky ny Prefektioran'i Wakayama.

Voalaza fa mitovitovy amin'i Laputa ilay “Lapa Mitsingevana eny amin'ny Lanitra” avy amin'ny sarimihetsika Studio Ghibli izay mitovy anarana amin'izany ny biriky mena ravarava any amin'ireo nosy ireo.

Milina mpivarotra fahiny

Ahafahantsika mandeha mankany Maizuru, any ambanivohitra avaratry ny prefektioran'i Kyoto, toerana izay mety ho sarotra halehan'ny mpizahatany avy any afovoan'i Kyoto na Osaka ity horonantsary ity.

Amin'izany dia atolotra antsika ny fitsidihana ny milina mpivarotra (distributeur automatique) fahiny tany amin'ny efa-polo taona lasa tany farafahakeliny, hita any amin'ny faritra fakana aina any amin'ny lalana manamorona ny renirano Yura, eo anelanelan'i Maizuru sy ny toerana ara-pizahantany Amanohashidate izany.

Trano fivarotana taloha ao Omi (Shiga)

Na dia eo akaikin'i Kyoto aza no misy azy akaiky fiarandalamby mora alaina sy haingam-pandeha ary manana ny  toeram-pitsangatsanganany manokana dia lavitry ny ankamaroan'ny lalam-pizahantany ny perfektioran'i Shiga.

Ahitana ireo trano fivarotana tsara fikojakojana ao Gokasho, any amin'ny ilany atsinanan'ny Farihy Biwa. Rehefa miverina ny fizahantany anatiny ao Japana dia toa tsy ho hitan'i Gokokasho ireo vahoaka be dia be izay tany Kyoto tato anatin'ny taona vitsivitsy.

Mbola misy ny toerana sarobidy betsaka tsara ho hita ankoatra ireo lahatsary fitsangatsanganana avo lenta ampolony. Ahitana tsikaritra ara-tantara tsy fahita firy ny fantsona, anisan'izany ny zava-misy tao Tokyo tamin'ny taona 1958, Nagoya tamin'ny taona 1955 ary Nara tamin'ny taona 1954 raha mbola tena vaovao ho an'ny  mpizahatany i Japana tamin'izany.

Mikatona ny famoahana hevitra